Fitondran’i Andry Rajoelina : feno faharatsiana fara-tampony ?

andry-rajoelina-investiture

Faharatsiana fara-tampony 

Nitarazoka ny famahana ny krizy, nilentika anaty hantsana mandrivorivo ny firenena, simba ny toe-karena, lo ny toe-tsaina, potika ny soatoavina, rava ny fihavanana, nivari-lavo ny hasin’ny tanindrazana, manjaka ny varo-maizina sy ny kolikoly, rip
aka ny harena ambony sy ambanin’ny tany raha tsy hiteny afa-tsy ny ny andramena sy ny sokatra, mirongatra ny asan-jiolahy,  miandry mana avy amin’ny tsapa-vintana sy ny kisendrasendra, toy ny PMU sy ny Loterie, sisa ny Malagasy…

iza no tompon’antoka nahatonga izany?

Izany rehetra izany dia vokatry ny fanonganam-panjakana nataon’i Andry Rajoelina sy ny forongony, nampian’ireo miaramila nioko.

Roa taona sy tapany izay no nitondran’izy ireo ny firenena, nampanantena « atsanga tsy aman’orana » ; teny ampiandohana, eny mandraky ity aza moa dia mbola mampanantena  « hopitaly manaram-penitra, kianja sintetika isaky ny renivohim-paritany »,  sns…

Tody sy tsiny

Tsy afa-miala amin’izao fahavoazan’ny firenena izao ny « foza », hotsarain’ny taranaka fara aman-dimby eto ny anaran’ireo namadika ny tanindrazana.Inay manko tsy nisetrasetra sy nilingilingy nanongam-panjakana « ilaikely » tsy ho toy izao isika mianakavy.

Ny malagasy anefa mino ny tody sy ny tsiny, mino fa ny ratsy hatao dia mivaly ratsy amin’izay nanao azy sy ny taranany mifandimby, ny tsara atao ihany koa dia mivaly tsara tahaka izay koa asakasak’i Rajoelina sy ny forongony, rangory fototry ny afo nampilentika antsika toy izao.

4 pensées sur “Fitondran’i Andry Rajoelina : feno faharatsiana fara-tampony ?”

  1. Ny nahita iny anarana « FOZAORANA » nomena ny mpanongam-panjakana iny aloha dia tena anaram-boninahitra sahaza ho azy e fa tena « Mitorona » marina , tsy mahay hoe : mba handroso izany , ny mpiara-dia @ i domelina izany dia : « Fikambanan’ny famotehina , fangalarana , famonoana , famoretana sy ny haratsiana rehetra koa mbola mila namana izy ireo ho an’izay mazoto

  2. Aza hadino koa fa maro koa ireo te hivoaka ao fa tsy afaka ,satria efa nisotro ny RANON-DIKINY.
    Na i domelina aza efa tsy te ho eo intsony fa matahaotra ny ho tratra farany eo fa ireo frantsay sy
    ny mpamantsy vola ambadika rehetra no MAMPORISIKA IO ALIKA FAT!Dia io izy MOVOVO isaky ny mahazo taolana
    kely @ fangalarana sy ny fisandohana rehetra io.Izay koa no asa nametrahan’i renimalalany azy eo,HANOME LAGY sy
    HANDROBA ,Hangalatra ,sy HAMONO fa MILA SORONA ny devoly tompoiny nahazahoany izao TOERANY IZAO io.
    Izany no izy ray olona a!

  3. Tsy voafehiny ve dia mbola ho eo ihany izy? Voafehiny matoa tsy mitroatra ny vahoaka; ary io vahoaka io dia manana ny fetra farany ahazahoany mangina. Matoa mbola mangina izy dia tsy mbola misy fiantraikany any aminy loatra ilay krizy fa mbola ireo zatra nihinana ka tapaka tampka no marary fo hatramin’izao aloha fa mbola tsy izany vahoaka izany akory.
    Rha manontany olona ianao dia hilaza izy hoe: Avelao izy ho eo fa izay alefa eo anie ka hanao tsy misy hafa ny ataony io é.

  4. solisio!Ka io lazainao io mihintsy ny olana.Dia mahita ve ny olona amin’izao fotoana fa madio ny tanana!madio ve ny saina ny olona!mihena ve ny asan-jiolahy!Mbola manam-panahy ve ny olona? Ohatran’ny tamin’ny andron’i Dada.Jereo amin’ny saina tsy miangatra e! sa kosa malainkihetsika ka ekena daholo izay misy eo na manompa an’ny tena aza? Mba tonga saina e!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *