I Dada irery ihany no afaka hamoaka ny Malagasy amin’izao krizy izao

filoha RavalomAnAna

Nandritra ny telo taona latsaka kely izay, tsy tapaka vahoaka hatrany itony kianja manan-tantara itony : na teo aza ny hatsiaka, ny hafanana, ny fanenjehina sy ny ramatahora.Nijoro hatrany ny vahoaka Malagasy : « ny vahoaka teo foana fa ny mpitarika no namadika palitao indraindray » .

Tsy niova ny fitakian’ny vahoaka dia ny famerenana ny ara-dalana, famerenana ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana, tena matotra ara-potokevitra ny Malagasy ny amin’izay fotokevitra izay.Na nivoatra isaky ny minitra aza ny rivotra politika, dia tsy nampiova ny « vahoaka be herim-po ny sakana sy fitapitaka madinidinika »

I Andry Rajoelina etsy ankilany, tsy sasatra mandrebireby sy « mamafy fandrebirebena » hanitarana faran’izay lava ny tetezamita.

Isaky ny miteny Rajoelina dia feno fitaka sy poakaty ny teny ambarany.Ireo mpanara-drenirano etsy andaniny manao rebik’ondry ny akamaroany.

Ny mahalasa saina anefa dia misy ihany koa ireo minia manakipy ny masony manohana an-jambany ireto mpanongam-panjakana, izay fetsy ratsy mizara tombontsoa mihoampampana ho an’ireo izay manaiky manaradia azy.Eo no mbola sakana  tsy ivoahana amin’ny krizy : » faly  mamitsaka amin’ny tombontsoa maloton’ny FAT ny mpanao politika sy ny andian’olona mpahazo tombontsoa vitsivitsy »

Eo no mampitodika ny sain’ny be sy ny maro amin’ilay filoha voafidim-bahoaka, dia i « Dada Ravalomanana  » izany  : be ireo resy lahatra fa izy irery ihany no afaka hamoaka ny Malagasy amin’izao krizy izao.Izy ilay sahy nanao dingana lehibe, ilay lehilahy resy lahatra fa ny finoana an’Andriamanitra no tondro-zotra tsara indrindra : « minoa fotsiny ihany » kanefa ny finoana tsy arahina asa dia zava-poana koa dia « miasà mafy sy miasà tsara isika vahoaka Malagasy. »

11 pensées sur “I Dada irery ihany no afaka hamoaka ny Malagasy amin’izao krizy izao”

  1. Ny foza anie tadidio fa tsy misaina fa mandroso foana e! Oviana ianareo no nahita foza mihemotra: fa na vato eo, na rano, na….diky, dia hitsahina foana na hita fa tsy izy ary!
    Dia toy izany mihitsy ny fihetsika hitondran’i Andry RADOMELINA ny firenena!
    Dia mbola hanaraka an’izany an-jambany foana ve isika?

  2. Le DJ, marionnette de France et entretenu précieusement par son parrain Ratsirahonana et ses gros-bras militaires, continue de mener ses jeux:
    – crier à tue-tête DEMOCRATIE, tout en foulant aux pieds la liberté d’expression de chaque individu, voire réprimer par la force
    – tribunal indépendant, INAPTE à juger impartiallement ses pairs
    etc…

    Three years is ENOUGH !!!

  3. Sempotra hono ny vahoaka, ary mibabababa sy mimenomenona hoe : Loza ka loza, fa nandefa zavatra ny foza !!!
    Aza miharitra ny maimbo rey olona, fa i dada efa nilaza taminareo fa anankiroa ny fanalahidy ê !
    Ny iray eny aminy, ary ny faharoa eny an-tananareo ! Ny foza tsy manana, fa ny ataony dia ny tsy ahafahanareo mampiditra an’ilay izy ao anaty serira ! Zavatra tsy eken’izao tontolo izao, halatra sy fisandohana, zavatra mamoafady no tadiavin-dry zareo ataonareo !
    Ny mahasoa rehetra efa natoron’Andriamanitra !
    Ka aza alefa any amin’ny lavaka tsy tokony hidirany ity izy, fa tsy mamokatra any !
    Tsy hiteraka zava-tsoa ny lavaka tondroiny anareo ! Lavam-poza, lavan-doza !!
    Ho diso fanantenana, gaspillage d’énergie na ary herim-po very maina ny anareo, raha mitsofotsofoka any !
    Ho an’ireo mpanaraka ny foza : Fahafinaretana tsy haharitra, ary mety hitera-doza ho anareo izao ataonareo izao !

  4. Aza ny odoy é fotsiny, fa ny foza efa fantatra fa tsy manana fanalahidy ê !
    Vahoaka miharitra ny maimbo, izao santionany :
    Midi Madagascar
    Syndicat et coût de la vie : Fonctionnaires : « La coupe est pleine »
    Les fonctionnaires commencent à hausser le ton. Le non-respect des promesses « présidentielles » quant au statut général des fonctionnaires, ainsi que les valeurs de points d’indice, en seraient la cause.
    Inona no zavatra azo antenaina amin’izay mpandainga isan’andro vaky izao, ary koa mpangalam-pahefàna ???
    Amin’izay indray mbola hoe « promesses présidentielles » !!!! Président-n’ny inona ?
    La coupe est pleine ? De quoi ? Bon appétit hoy izy, na inona ny ao anatiny na inona !
    Ny zavatra fantatra fotsiny dia tsy vola, matoa ianareo tsy faly !!

    Izao indray koa ity misy mazistrà milaza tezitra fa hoe malaza mpanao kolikoly ny mazistrà. Dia miteny ilay olona hoe tsy ny rehetra no manao kolikoly ka tsy tokony hosoram-potaka ny mazistrà rehetra !
    Ka raha marin’izany, maninona tsy enjehan’ny namany ireo « mpanao kolikoly ireo » ?
    Samia mijinja an’izay nafafiny daholo ê !

  5. Efa vonona be ery izany paozin’i dada izany! tongava haingana fa miandry anao ny olonao
    ry dada malala!

    Mhanana faharetana daholo ry akama isany fa hanana ny soa a!dada tsy maintsy mody ary hiova ny rivotra ho
    hiainana eto @ tany sy ny fanjakana !na ny mahita izao fahavononan’i dada izao ihany aza dia efa manome hery
    lehibe hitrakana!

  6. ry les As aza mitady ny fiverrenan’i President Ravalomanana fa fantany fa tsy ho tafavoaka ntsony ny sambo fa mikoinsa eny ampovoany ranomasina mitady hilentika
    zao ny vahoaka noana

  7. Soa ihany fa fanalahidy tsara no an-tanan’i Dada…
    Fa fanalahidy toa inona kosa no antanantsika e???
    Efa drarfitra ratsy anie no tanjona manaraka hapetraky sarko ka masahy mitonona toa izao, hono, i Jly Dolin, mihaka peo koa hono,i Rabetsitonta mitondra hafatra afahafa.
    Araho re olona ny fanaony françafrique: koditra fa hamono ireo satria mijirijry isika ampody any Dada!
    Ka fanalahidy,handroahana ireo voavidiny sarko sy hanidina ny varavaram-pirenena satria misivana matsilo ny vahiny,izay no tokony an-tanantsika, dia tsy ho irery intsony i Dada e! Dia afaka miaraka @ i Dada isika hanarina ny hajam-pirenena.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *