Izay tapaka tany Sandton ihany no izy fa be resaka Ra-Simao.

IMAG0158

Araka ny resadresaka nifanaovana tamin’ny solombavambahoaka sady mpitari-tolona, Atoa Mamitiana Ravelonanosy tetsy amin’ny foibe toeran’ny antoko Tiako i Madagasikara io maraina io dia nilaza mazava izy fa « izay tapaka tany Sandton ihany no izy », rediredy sy be resaka fotsiny ny ataon’i Simao  hoy hatrany ny tenanay.

Mikasika ny tolona indray kosa dia hanao hetsika lehibe ny antoko TIM sy ny mpiara-mitolona ivelan’ny faritra  Antananarivo ny Sabotsy ho avy izao, « hetsika goavana » sady fampisehoan-kery no hatao amin’io fotoana io, araka ny nambarany koa anentanany ny rehetra ho tonga maro dia maro fa hisy zava-dehibe hitranga ao.

1 pensée sur “Izay tapaka tany Sandton ihany no izy fa be resaka Ra-Simao.”

  1. Ry namana mpiara-mitolona, efa fantatsika hoe iza no ambadik’izao rehetra izao.Raha voky sy matavitavy ny miaramila sasany amin’izao fotoana izao dia mahazo vola ary fantatsika koa fa ny vola dia avy amin’i reny malala ankoatran’ny bois de rose sy ny vato firavaka.Inona no andrasantsika tsy hanao paik’ady hahatongavan’ireo menasofina saina?Misy sambo tsotsoka mitaona ireny bois de rose ireny.Lavaho mba hilentika rehefa mitoby an-tseranana.Aza mianttsena amin’ireo grandes surfaces tsotsoka na morisianina.Ny an’i sud-afrique aleha.Ataovy sit-in ny masoivoho tsotsoka ho fantany tsara fa tsy maintsy mandresy ny tolona.Tokony hiresaka amin’i Andriamatoa Kofi Annan i Lila ratsifandrihamanana handahatra amin’ny UA fa tsy tokony ho alefa aty Mada intsony i Simao fa ratsy passeport ary tokony hampiharina ny fifanekena tany sandton.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *