Magro Behoririka : Lasa Rakoto…tonga Ranaivo !

Magro, 27 Aout 11 (65)

Lasa ny mamba misosoka ny voay, tsy lany olo-manga ny ankolafy Ravalomanana.Noraisin’ny Magro tamin’ny tehaka sy hoby ny vahiny sambany vao tonga teny kianja androany.

« Tsy maintsy tafody eto Madagasikara ny filoha Ravalomanana » hoy i Henri Roger Ranaivoson, isan’ireo tanan-kavanan’ny filoha no irakiraka amin’ny sehatry ny fifandraisana amin’ny any ivelany,  raha tonga teo amin’ny Kianjan’ny Finoana izy androany.

Naolazain’’i Henri Roger fa mitady  izay mahasoa ny vahoaka Malagasy hatrany ny Filoh Ravalomanana any ivelany any . Nanamafy hatrany ny tenany fa. « Tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena velively ny FAT» noho ireo porofo hita maso vokatry ny  fanonganam-panjakana nataon’izy ireo.
Mikasika ilay fe-potoana nomen’i Andry Rajoelina hanomezan’ny SADC ny valin-teny amin’ny fanaovan-tsonia ilay sori-dalana  dia nilaza i Henri Roger Ranaivoson fa  karazana « kidnapping » izany fihetsika  izany ary vao maika hampidi-kizo ny firenena.

 

5 pensées sur “Magro Behoririka : Lasa Rakoto…tonga Ranaivo !”

  1. Misaotra betsaka anao tompoko ho ela fanapahana anie ianareo sy dada, andriamanitra homba anareo sy ny vahoaka malagasy ary ny firenena.

  2. Tena latsaka ny ranomaso fa manohina tokoa ilay fomba filazany @’
    ilay fitiavan-tanindrazana,tsy misy azo lavina ireny.Marina tokoa fa na
    dia lavitra aza dia MIARA-MITOLONA aminareo eo @ Magro, isanandro!isanadro!ary tsy sasatra
    ny mitondra an-jara biriky @ vavaka fa io dia tena zava-dehibe satria devoly no mifanandrina
    amintsika.
    Nanohina mafy ilay kabary sady nankarery ihany koa ,tokony tsy hisalasala intsony izany izao isika
    fa tena ho avy i dada ary tsy maintsy tonga.Enga anie!

  3. Tsara tokoa ny manana olona maro tahaka ireny hoan’ny Firenena satria tsy nosy miaina irey isika fa miaraka main’ny firenena maro ary mila olona mahay sy tena « intègre’ maro koa hanarina ny firenena;Ry Tanora malagasy manana dipolmes mila miomana amin’ny fanarenam-pirenena fa mbola ady mafy koa miandry antsika Malagasy sy ny Filoha Marc Ravalomanana ny fanarenana ny potika rehetra nataon’i andry sy ny forongony. Mila harenina koa indrindra ny toetsaina izay tena efa mirefarefa amin’ny kolokolo sy halatra nandritra izay roa taona niainana tao anatin’ny fanjakan’ny baroa izay.Tsara ny nahafantarana fa izany ny zava-misy ao amin’ny SADC ,fa ny tsy voalaza dia ny role n’ny France ao anatiny koa satria efa maharikoriko sy efa flagrant loatra ny fivezivezen’i andry sy ireo forongony aty France aty!Mila mitandrina koa ianareo mpanolotsaina akaiky an’ny Filoha Marc Ravalomanana fa ny élimination physique koa dia mbola misy , Ny Tompo Andriamanitra no hangatahako hiaro anareo.

  4. Na ny andriamanitrareo aza no ho tonga eo amin’ny magro tsy misy matahotra eto! ravalomanana tsy maintsy maty!!!!!!

  5. Ehhhh! hiriko ho faty vao ela velona! ary inona no maha romotra anao toy izao e!
    mitady aharesy angaha ilay lazainao fa vendrana foana ry pm ??Milay ny anay oah!
    Marary fo @izany eo !dada mody !dada tsy vendrana ! dada handrandrain’izao tontolo izao sy ny vahoaka liam-
    pivoarana sy fahandriam-pahalemana .
    Sao dia mba ianao no ho faty alohan’i dada eo @ TAHOTRA sady voatsindry mafy ka tsy ahita ny ahafatesany
    akory avy eo fa mitonia aloha?
    Raha nandra i dada tsy HIFANOHOFAN’izao tontolo izao toy izao ry pm a! fankahalana diso toerana ny anao!
    Firifiry ny very asa @ izao @ famotehina nataonareo ?sa rehefa anao dia maharary fa rehefa ny hafa dia tsy misy
    dikany??? fitiavan-tena diso tafahoatra loatra ny anao ka mitady loza ho anao ianao io! izay no vao maika tsy aha
    tafarina anao raha izao no toetsaina hanananao.Dia mba mivavaha oah!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *