Mangata-maso amin’ny fiangonana i Rajoelina

IMAG0036

 Isan’ireo nanakianan’i Andry Rajoelina ny fitondrana teo aloha ny fampifangaroana ny fitondrana ny fanjakana sy ny fivavahana.Nanaitra ny sain’ny mpanara-baovao politika ny fihetsiky ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita tato ho ato.

 

Mi-py maso amin’ny mpitondra fivavahana ve izy ?

 

Hatramin’izay nijoroan’ny fitondrana FAT izay dia hita ho tsy niray hina ireo Filoha mpitarika ny FFKM.Nanomboka ny 26 Jona lasa teo anefa dia tsy tonga nanatrika ny matso teo Mahamasina ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona.Midika inona izany?

Tao anatin’ny herinandro lasa izay dia nitokana ny Fiangonana Omoneria Protestanta FJKM I Andry Rajoelina, izay nambara fa izy no niantoka ny fanamboarana izany foto-drafitrasa izany.Ny alahady lasa teo ihany koa dia namonjy ny lamesa lehibe faha150taonan’ny fidiran’ny Fiangonana Katolika teto Madagasikara izy.Vao tsy ela ihany koa nonisy mpikambana ao anatin’ny Governemanta namonjy ny fivoriam-ben’ny Fianginana CPV.Tsy tongatonga ho azy izany fa misy ambadika politika ,mangata-maso amin‘ny fiangonana ve ny FAT?

Nandika ny rafitry ny FJKM?

Tamin’ny fitokanana ilay Fiangonana Omoneria protestanta FJKM dia nanaitra ny mpanao gazety ny tsy nahitana ny Filohan’ny FJKM Lala  Haja Rasendrahasina teny an-toerana ,ny Mpitandrina Nestor Razafindramanitra, izay Mpanolo-tsainan’ny FAT no nitarika ny fotoam-pivavahana sy ny lanonam-pitokanana.Midika ve izany fa nandika ny rafitra ao anatin’ny Fiangonana FJKM izy ? Tsy hita teny an-toerana ihany koa mantsy na ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM na ny solon-tenan’ny Mpiandraikitra Foibe.An-tery setra ve no nanaovana io fitokanan io?

4 pensées sur “Mangata-maso amin’ny fiangonana i Rajoelina”

  1. dia devoly ve no tonga nitokana ny fiangonana fivavahana ? kanefa efa fantatra fa tonga hijejo sy hisotrosotro no alehan’io devoly io.
    tsy izy sy ny tariny ve no namevateva ny pasitera teny amin’ny fort duchesne?
    Dia nanaiky hiaraka tamin’iny devoly be iny tao ve ny mpivavaka tonga nanatrika ?
    loza fa tena lasa jamba sy marenina daholo ny malagasy.
    ohatra ny manao vazaha mody miady daholo izy izany,tena maiziny ny tany sy ny lanitra

  2. Izy mianakavy ihany no tao ry elas â ! Ny FJKM tsy nanatrika !
    Fiangonana ho azy io, satria mety ho eny daholo no hiafarany !

  3. Dray re ry ilay lanitra o! hametaveta ireo fiangonana ireo no hataony any fa hanao inona moa??
    dia avy eo hidiran’ny devoliny daholo ny mpiangona ao.Hamindra ny devoliny no halehany any.
    Efa tsy zakan’ny loha-keliny intsony dia hailiny any ,ary ireo mpitondra fivavahana mihintsy no ho kendreny @’
    izany voalohany.
    Sao mba te hibebaka kosa izy fa efa hakaiky ny farany? efa fantany angamba ny miandry azy atsy ho atsy fa
    tsy hivoaka velona eo izy ka Atra avy no hianarany fitahana sy tsapatsapainy. Ho ajedaky ny frantsay mantsy hono
    izy dia ho ahiliny aty @ vahoaka dia ho raikitra ny ady an-trano ray olona a! dia ireo olona maro nangalany vola etsy
    sy eroa koa tsy hamela azy ho afa-maina satria hiverina ny ara-dalana,dia hamerim-bola ny MAKORELY! maty kotofetsy!

  4. Raha nibebaka izany izy dia ny fifonana tamin’i Przd Lala Rasendrahasina no nataony, fa satria samihafa ny Andriamanitr’izy sy Przd ny FJKM dia tsy mahagaga izao. Ohatra samihafa ny Jesosintsika sy ny an’i Randrianatoandro FPVM e! Nangalarin’ireo hatrany amin’ny tranon’Andriamanitra! Nandroba ny fananan’i Jehovah sy ny olon’i Jehovah izy, toy ny nagalarana ny fahefana teo am-pelatanan’i Filoha Ravalomanana, tsy nomena azy izany fa dia norobainy ary maro ny kristiana tsy mba namantatra fa tonga dia nandroba niaraka taminy ka nampianariny nangalatra ankolaka indray.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *