Mektoub : ity tetezamita ity no be olona ratsy indrindra !

Magr 08 Aogostra 11 (19)

Tsy toy ny mahazatra fa tomefy vahoaka hatrany ny kianjan’ny Magro Behoririka na dia vao Alatsinainy aza ny andro, maro ny endrika vaovao hita, be ihany koa anefa ireo tsy miala amin’ny tolona hatrany.Ireto entinay aminay ireto ny famintinana ny kabary teny an-toerana :

I Nenifara, vehivavy mpitari-tolona, dia nanambara fatonga amin’ny herinadro farany amin’ny fanapahan-kevitra momba an’i Madagasikara isika, tsy mivadibadika amin’ny teniny ny iraisam-pirenena ary homba antsika tsy hanao sonia raha tsy misy fanitsina ilay sorin-dalana.

I Mima, solon-tenan’ny  Toamasina, dia nilaza fa niandry fatratra ny antson’i Dada i Toamasina kanefa tsy afaka niantso izy fa be atao angamba, Toamasina anefa tsy miala amin’ny filoha Ravalomanana ary manohy ny hetsika hatrany.

Guy Roger : efa vonona izahay na inona herin’ny foza  na inona. Ary vao voakitikitika  eo ny filoha Ravalomanana dia hikorontana tanteraka ity Madagasikara ity.

Ignace : « journée mondiale de la jeunesse » hatao any Espana ka izay tanora handeha dia nangatahana tso-drano tamin’i Andry Rajoelina izay mpanongam-panjakana. Ny filoha voafidim-bahoaka aza tsy nitso-drano tanora tahaka izany kanefa katolika tahaka ny tenako. Izany anefa no nanenjehana an-dRavalomanana teto satria nampifangaro fiainam-pirenena sy fiainam-piangonana .Milaza tsy manana vola ny FAT nefa mahita ihany rehefa rendrarendra ahazoana publicité. Raha misy hetsika hafa toy ireny dia hanome ve ny FAT raha finoana hafa? Sa mbola midika fa voafatotra tanteraka amin’ny lehibenay i Andry ?

Berthine : “2 taona taorian’nyMaputo, 2 volana vita Addis Abeba mbola tsy nisy iarahana ihany ny resaka rehetra, mbola ho lafo noho izao ny fiainana ka tongava daholo aty amin’ny Magro” hoy i Berthine.

 

Sylvain : miantso fifidianana ny FAT nefa tsy mahare ny vahoaka satria mpangalatra no miantso ary mpanakatona radio sy TV. Tsy feon’ny olona tokony hitondra azy fa feon’ny mpisoloky.

Jeanson : mihodina tahaka ny tany ny olona ka miova ny tantara : ilay Andry tsy mila fankatoavana no manoratra any amin’ny Sadc hoe ela loatra. Mandefa olona any Legos syParis mba hanao fifampidinihina vaovao hanao tsindry na pression ny Kolonely  Charles mba hilazany fa lainga ireny fanambarany ireny ary nandefa olona any Tsiafahy mihitsy androany.

Anjaratsika no mihetsiketsika ary aoka tsy hangina mihitsy.

Mektoub : manana  mpanohitra 2 ny FAT : ny ao anatiny efa mahatsapa fa tsy mety io ary isika ao anatin’ny rodobe sy ny ankolafy telo. Ny tetezamita eran-tany anefa tsy misy mpanohitra satria iarahana ny tetezamita ka inona no ilaina ny satan’ny mpanohitra ? Tsy misy repère intsony ny vahoaka malagasy satria manao izay hahafanina azy ny mpitondra fahefana. Ilay libéralisme économique ara-dalana teto no nahaliana ny tany mpandraharaha avy any ivelany, lasa gaboraraka anefa izany ka ny toe-karena malagasy dia tahaka ny any amin’ny tany miady nandritra ny 25 taona nefa vao 3 taona latsaka. Eo amin’ny lafiny sosialy indray dia tsy mbola nisy ray nanolana ny zanany na namono ny zanany tahaka izao, tsy resahana ny tsy fandriam-pahalemana. Potika tao anatin’ny 2 taona koa izany. Na zareo FAT aza mifampijery izay atao na fidina fa tsy mifampatoky intsony. Raha mba hoatran’ i Obama daholo ny mpanao politika, niditra mainty volo, ao anatiny efa antsasany fotsy satria miketrika momba ny fireneny izy.

Tsy manakana ny hopitaly manara-penitra isika fa ny eo aloha ampio aram-pitaovana sy arak’olona fa ny anao koa sao clinique fa tsy ho an’ny besinimaro. Aoka hazava fa ny tour eiffel dia fanomezana avy amin’ny Hoffman, ny anao kosa business politika, sonianao aza lavinao, io dia tahaka ny fanaovanao ny andramena ihany, mody atao ordonnance  mba azo ovaina hatrany, lalana nefa no ilaina, manamora ny trafika mantsy io ary na ariary aza tsy azo ny vahoaka. Na iteny inona na inona ianao ry Chataignier dia frantsay i Andry ary tamin’ity tetezamita ity no be olona ratsy indrindra ary ao daholo ka raha tsy fongorina dia miverina foana.

Mamitiana : raha tsy misy ny vy sy ny andramena avy aiza ny vola hanaova ny zavatra rehetra eto indrindra fa ny fifidianana. Tsy misy manara-dalana.

Aoka ry Sadc sy ny iraisam-pirenena handray fepetra, ho raisinareo rehefa misy mitsivalana amin’ny tapaka manaraka fa mijaly ny vahoaka. Rehefa eo ihany ianareo CT sy CST aza mijanona amin’ny fiandrasana vola ihany fa ataovy ny asanareo.

Izahay indray na dia tsy hanantanteraka ny tapaka aza ny FAT, izahay koa tsy miala ary mety aminay izany satria hohadinina aminareo ny zavatra rehetra vitanareo ka mivonona.

 


 

6 pensées sur “Mektoub : ity tetezamita ity no be olona ratsy indrindra !”

  1. Ary taiza foana????izay indray vao hita ry Mektoub? milay e! hatokisako io!
    Asain’i devoly miohaka aminy aloha vao mahazo vola handehanana ho any @
    ‘Andriamanitra,sady ampiana » aty amin’i foza ianareo fa tsy mijanona any an!mitsangatsangana fotsiny no
    hatao any ». Izaho aloha dia tsy ho any fa sao voasariky ny devolin’ireo any ,soa fa henoko aloha io fa kay
    domelina no nitsodrano,ity hiraky ny devoly!maty aho ry n’endrenesiko ianao o!

  2. DIA MITONDRA ANTSIKA HO AIZA NY FAHATSAPANA FA BETSAKA NY OLON – DRATSY AO AMIN ‘NY FAT ,INDRINDRA RAHA TSY MIHETSIKA ISIKA HANDRINGANA AZY IREO ?
    NY FILOHA RAVALOMANANA ARC VAO NANAMARIKA TAMIN 4NY RESAKA NATAONY AN – TELEPHONE NY ASABOTY TEO FA OLONA DIMY NA ENINA NO MANAO FIHI – MAMBA NY FITONDRANA..
    IREO OLONA IREO ,IZAY NANOMANA , NIKARAKARA ARY NISAHANA SY NANANTANTERAKA NY FANONGANAM – PANJAKANA TAMIN ‘NY 17 MARS DIA NAMPANGAINY NY LT CL ANDRIANASOAVINA CHARLES , IZAY TSY NIAFINA NIRAKA TAMIN ‘IZY IREO , SAINGA NIOVA SAFIDY AINGANA IZY FA TSY VAO MAIKA NIHARATSY NY FITONDRANA NOHO NY TEO ALOHA IZAY NO KIHANIN ‘ IZY IREO…!

    AMIN ‘ IZAO ORA IZAO DIA TSY NY FAHATSAPANA FA MARO NA VNITSY IZY IREO FA NY HALEHIBEN ‘NY FAHAVOAZAN ‘ NY MALAGASY NO MIVAINGANA ARY MILA FAFANA AINGANA..!
    IO NO TOKONY IMASOANTSIKA , NO TOKONY HAMAKIANTSIKA LOHA ARY TOKONY HIROTAHANKA REHETRA !
    KOA AOKA RE IZAY NY FITENENANA IZAY MIKASIKA AN – DRAJOELINA..!
    MAVESATRA LOATRA NY FAHANTRAN ‘ NY MALAGASY KOA IZAY HAHAFAINGANA NY FANOVANA IZANY NO HEZAHANTSIKA !
    NA IZAO TONTOLO IZAO AZA VAKY VAVA MAHATSAPA FA IZAY OLOM – BINTSY IREO VE DIA MHASEHAKA ALAGASY AN – TAPITRISANY ?

    MBA HIVERENO VAKIO NY FANANMBARANA NATAON ‘NY LT CL ANDRIANASOAVINA FA HO HITANAO NA HO TSAPANAO FA TENA MANOSIKA ANAO HANAO HETSIKA HAMONO ( PULSION DE TUER )NY MAMAKY NY ANARAN ‘ IREO OLONA VOA TONDRO AHO :
    –MISY OLOM – PIANGONANA , TRESORIERN ‘NY FLM , NO CAHY NAMPAMOTIKA NY TRANO – PAMATSIANA NY MALAGASY ? DIA MBOLA HISEKO HILATSAKA HO FIDIANA MPITAHIRY VOLA NY TNTAKELY TOA ANAO R ‘ I LAHINIRIKO ?
    –MISY VOATAIZA TAMIN ‘NY TENIN ‘ANDRIAMANITRA NY ANARAN-DRAINAO VE DIA NENTINAO NILOMANO MIARAKA AMIN ‘NY KISOA AN -TATATRA ?
    –MISY HOE  » MANAMBONINAHITRA  » (TENA VONIN ‘ AHITRA , BOZAKA MAIVANA TOKOA , TSY MANAN -TSAINA FA JEJO MIRAVAKA VY MILOKO MAVO ADALA )
    —MISY MPAMPIANATRA ( METY MAHAY THEORIE FA NY  » APPLICATION  » EO AMIN ‘ NY FIARAHA – MONINA DIA FIAINANA TONTAKELY..!AZA MENATRA IANAO RY ZOKY GEORGES THOMAS NIARA – NIANATRA TAMIN ‘ ITY JIVASAONINA )
    —NY MIKASIKA N – DRAJOELINA MOA DIA TSY ILAINA TENENINA FA MAMPIVONTO FO !

    NY TENA MARO DIA IREO JIOLAHIBOTO NOKARAMAIN ‘ IZY IREO ARY MBOLA MANOHY NY ASA RATSINY MBA HAHAZOAN ‘ IZY IREO VOLA , SATRIA TSY MAHALOA AZY IREO INTSONY NY FAT ..

    IZANY NO TOKONYHAMPIROTAKA ANTSIKA FA TSY MIANDRY HO VOLOSANA !

    AOKA TSY LASA – KO VAVANY FOTSINY FA MITSANGANA , MIJOROA , MANAFIHA NY RATSY !

  3. Soulèvement et manifestation pacifique, et non ROTAKA !!!!!!
    Il faut imaginer toutes sortes de manifestation ! Manifester n’est pas nécessairement descente dans la rue. Mais, pourquoi pas ?
    A quelque jours de la signature de la feuille de route, « rotaker » n’est pas une solution ! Au contraire, ce serait donner un argument de plus aux putschistes, pour empêcher le retour du Président. Ils sont acculés au pied du mur actuellement, et n’espèrent plus que de telles opportunités pour aggraver la situation ; occasions, leur permettant de se cramponner à ce pouvoir volé.
    Plus de 870 jours qu’ils sont là, on peut bien attendre 15 ou 20 de plus ! Non ?

    Aux défenseurs de la légalité, à tous !
    Mots à bannir de la bouche ou des écrits, en ce qui concerne la situation actuelle :
    – Transition ou tetezamita
    – CT ou CST
    – HAT ou Haute Autorité de la Transition
    S’agissant du PHAT, vous pouvez éventuellement le remplacer par APHAT ( Autoproclamé Président de la Haute Autorité de la Transition ). Mais il y a mieux : PGPP !!
    Président du Gouvernement Putschiste et Prédateur !
    Il y tient tant à ce titre de président, alors, c’est le seul que l’on puisse lui donner ! Même à Gaborone, les organisateurs de la rencontre n’ont pas daigné lui octroyer un titre quelconque !

  4. Marina mihintsy ny An’i Kintana! Miandry kendritoina fotsiny ireo mba hanatanterahany
    ny asa ratsiny,dia mora ny manilika fa » noho i Ravalo misisika ny ho avy dia izao no
    vokany ».raha hisy rotaka ihany koa dia mety ho hisy fiatraikany @’ny fahatongavan’i dada,dia hoe: »tsy milamina
    ny tany ».Aleo izy harahana @ aradalana fa efa aty amintsika ny lakile e!Avelao ny lalana no hanala azy eo dia ho
    tsapany fa « aza mitsara mba tsy ho tsaraina »,aleo ny lalana no hampahafantatra azy ireo fa misy mifehy ny tany
    fa tsy izy ireo no mandidy.
    Na izany na tsy izany! toa atody miady amam-bato ihany isika!ry zareo efa lian-dra ,hanao sorona aza ho hataony
    koa maika fa hitono-tena eo!
    Ireo jiolahimboto fahanany zava-mahadomelina ireo no hiatrika anao eo fa angaha ry zareo!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *