Mialà ao anaty sambo rendrika ry FAT !

Magro 29 Aout 11 (15)

Samy voaresaka teto amin’ny kianjan’i Magro Behoririka avokoa na ny fahafatesan’ny minisitra FAT Nadine Ramarson, na ny fivoriana natao teny Ivato nokarakarain’ny Raiamandreny  mijoro.Ireto taterinay aminao ireto ny voaangona teny an-toerana :


Ignace :
 « hay ve ny mpanongam-panjakana matahotra hahongana e ! Tsy hanongana izahay satria tsy fanjakana io fa hanala satria izany no hahazahoana fankatoavana iraisampirenena.

Izy mianakavy no mampisavorovoro ny saim-bahoaka. Raiben’ny mpanongam-panjakana ny Raiamandreny mijoro. »

Ronstant : « aleo ho hitan’ny zafiny eo ny adalan’ny mpivory any Ivato izay nilaozan’ny V6. Telo no nisitahana ireo : Voalohany, misy ny fahoriana .Faharoa, efa ho avy ny Troika .Fahatelo, tokony ny mpampihavana mihitsy aloha no mihavana. »

Dominique : « efa niteny aho momba ireo Raiamandreny mijoro  ireo fa fandaniana vola sy fotoana fotsiny, hoatran’ny fanakonana ny ratsy ataon’ny FAT no ataony. Aiza ve ka dia i Ezekiely irery no nandripaka ny andramena teto Madagasikara !

Inona marina no zavatra mitranga ao an-dapa ao fa tena hatraty ivelany mahita fa tsy milamina ? Mpanongam-panjakana tokoa ianareo ka mpanome “ultimatum”. Aza miandry vahoaka hanala anareo fa dia hafana ary hatahorana mafy i Ravalomanana satria mamim-bahoaka. »

Mamitiana : « tery dia tery ny lalana handehanan’ny FAT sisa ka dia manao pimaso amin’ny fiangonana. Hialao ny sambo fa rendrika ho tombotsoan’ny vahoaka malagasy rehetra sady tsy nahomby mihitsy ny “lobby” nataony.

O ry TVM sy RNM izao ihany no nanondorana anareo ka mba miova filamatra. »

Guy Maxime : « Naverina najoro indray ny Raiamandreny mijoro satria mafana i Madagasikara mba hafahan’ny FAT miaina kely indray.

Mijoro amin’ny heviny ny V6 ka niala an-daharana satria Sandton ihany no vahaolana ary heno ankehitriny fa hametra-pialana hono, tsara tokoa izany kanefa aza afindra amin’ny manondidina anao. Aza miheritreritra zavatra hafa mihitsy ary aza ahondikondina ny resaka fa tsy ampy andihizanay ianareo, aza hampitahorina amin’ny “liste noire” izahay. »

Leriva Manahirana : « Misaotra an’Andriamanitra isika tsy nihondrana tao anatin’ny sambo ary ny ao anatiny izay mbola velona dia miala ao anatiny satria ratsy ilay sambo. Na tsara tahaka inona ihany koa ilay sambo, ny ankolafy telo tsy hiditra anatin’ny sambo FAT mihitsy fa miandry ny Troika sy ny fiverenan’ny “exilés politiques”..

 

 

Edouard : « Hoatran’ny efa miseho daholo ny “indice extreme” rehetra. Tamin’ny afrobasket no ohatra voalohany, misy mpitondra ve eto sa matahotra indice extrême ?

Tantely amam-bahona ny fiainana nefa mbola misy mikiry mivory sy misakafo be any Ivato. Mamoaka indice ny Seces, ny mpianatra ary hoy i tompokovavy izay « hampoakako ». Vita ny momba i Andry. »

9 pensées sur “Mialà ao anaty sambo rendrika ry FAT !”

  1. tsy sambo rendrika fotsiny io fa sady nivadika dia nipoaka.Mampalahelo ilay « zazavavy maty an-drano » saika hanapoaka ê!Indrisy.Fa mino aho fa misy volabe mikoriana indray zao @ zao alina izao an! Avy any amin’ny rajabaly,akbaraly,barday sy izay miafara amin’ny ay comme t ay rehetra y!

  2. Les rats quittent le bateau tout comme le lapin.Mais savent-ils nager?Peut-être les premiers (Ratsirahonana et autres) mais le second, j’en doute fort.

  3. taiza no nisy olona nilaza azy ho filoham-prenena ka any an-tanin’olona no hiasa???? tokony antsoiny any @izay misy azy any ny vahoaka iaray tokotany ao @ magro hifidy azy sady ireo ihany no ampy voavidin’ny volany @ 25000fmg
    ry le koto sisa no voafahana @ miliara fa ny hafa rehefa tsy vohafahana intsony vao tonga saina ka namonjy ny sambo HAT.

  4. Ny sambo HAT izao mety hirendrika fa be matavy afa-ts’i bitrodia.Ny jiolahimboto mameno ny ponts rehefa avy nijapy avokoa na ny miaramila 3v na ny karana na ny menasofina.DJ tsy manana BEPC no mitondra an’io izany hoe :une droite est constituée par deux points,dia tsy hainy fa ny droite fantany dia ny extreme:dictature—>fissure—->mésaventure—>ordure(navire coulé ou accidenté).

  5. Taranam-POUZ Andry Rajoelina itony Foza2 itony: be tarona tsisy dikany.

    Mba HoAiza hono itony santionam-poza tsy misy valera …

  6. ary ny mpivaro-dronono moa mba inona ny diploma ananany????efa fatatra ny halatra sy ny lalana nandalovany aohan’ny naha-filoam-pirenena azy!na t@ 2002 aza mbola ala-bato koa no natongavany teo!
    Ambany saina loatra ny discussion miaraka @ zanak’i Dada.
    Ndroooo ‘reto vahokan’ny Magro dia tena manahaka mihintsy an’ireo mpanjaka eh!…..

  7. Ho an’ilay FOZA : anontanio ny ray aman-dreny anti-dahy tota-kely loharanon’ny 2.000 FOZA ny amin’ny hoe « ny Asa Vita no Ifampitsaràna »

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *