Mpiambina ny mpitondra FAT : manao didin’ny be sandry hatrany

Taorian’ny namonoan’ny mpiambina ny milaza ho  » mpitondra ambony » ilay mpamily fiara Taxi, nampangaina ho nitoraka  flesy ny kortezin’ny mpanongam-panjakana, dia nampiseho ny habibiany indray ireto « mafy be » ireto androany.

Notifiriny ankitsirano indray ny fiara Taxibe iray, ary novonoiny sy nampijaliany ilay mpamily , tetsy amin’ny fidirana makeny amin’ny lapan’ny Iavoloha no nisehoan’izany,  ary nambarany fa mibahan-dalana sy tsy ahafahany mandeha migalabona amin’ilay lalana tsara tarehy namboarin’ny filoha Ravalomanana.

Nanaitra ny maro ny vaovao ary samy mahatsapa ny Malagasy fa « midingin-drambo ny miaramila besandrin’ny mpanongam-panjakana », ary ny vahoaka tsy manantsiny hatrany no lasibatra. »Tsy manaja ny lalana velona’ amin’ny fampiasana ny basy » ny mpambina an’ingahy Jeneraly  Vital androany araka ny nambaran’ny Jeneraly Ramakavelo.Tsy tokony ho nitifitra ilay taxibe mihitsy hoy izy ny mpiambina fa mety hiteraka loza hoan’ny mpandeha sy ny olon-tsotra izany.

Porofo mitohoka amin’ny tendany izao fa manao didin’ny be sandry ny ekipan’ny Andry TGV ary mihevitra fa ny basy sy ny tafondro no hampihorohoroana ny vahoaka hitazonana ny fahefana.

 

3 pensées sur “Mpiambina ny mpitondra FAT : manao didin’ny be sandry hatrany”

  1. Mbola ho avy ny fotoana hivadihan’izany fihetsika mamoafady ataon’ireo FATn’alika ireo! Ary ty ho ela izany, satria ny alahelom-bahoaka dia tsy ho faty mandrakizay!
    Ataovy ihany ny tsy maha-maty manota anareo, fa mahaiza kosa miharitra rehefa tonga ny fotoana hitsarana anareo!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *