Mpisandoka iraka i Simao hoy ny ankolafy Ravalomanana.

Mouvance Ravalomanana, 18 Août 11 (6)

Tonga masiaka namaly an’ingahy Simao ny ankolafy Ravalomanana androany tetsy Bel’air.Natonatonan’ny zanak’i  Dada ingahy Simao teny Andraharo, raha nampiantso azy ireo tamin’ny sivy maraina dia naleon-dry Mamy Rakotoarivelo sy ry Manandafy niresaka tamin’ny mpanao gazety : « mpisandoka iraka i Simao satria tsy nahazo fahefana avy amin’ny SADC akory ny diany eto Dago  » hoy ny sekretera Jeneralin’ny antoko Tim. Tsy ny Ankolafy RAVALOMANANA irery no nandà ny fanasan’i Simao fa ny ankolafy telo mihitsy.

Tonga matsatso araka izany ity mpanelanelana  Mozambikana ity, porofon ‘izany ny horakoraka nahazo azy niaraka tamin’i Vital tetsy amin’ny fanokafana ny « Afrobasket Men » omaly. Dia tsy ahalalana henatra mihitsy re olona ity fitiavam-bola ity an !

6 pensées sur “Mpisandoka iraka i Simao hoy ny ankolafy Ravalomanana.”

  1. Ny horakoraka tsy mampiova zavatra na kely aza! Izany ve no fahafinaretanareo? Ho any ny matahotra ny horakoraka, milaza izany fa tsy ho andeha lavitra ny zanak’i dada, toa ny rainy!

  2. mba fantatrao ve alou ny dikan ‘ ilay hoe  » nandra », tsy nataoatao foana lay anarana fa hita mitsy enao hoe nadra

  3. Tsy maintsy horakorahanay rehefa lany henatra,Santoka sy lainga no mba mampalaza
    anareo dia miseho ho inona ery!mba manana hambo raha manak’atao !mahalala tsy
    tiana fa foza orana e! tsy lafo ariary fito ,sady tsy tian’i vahoaka no halohan’izao tontolo izao!

  4. Fa inona ihany ity filelafana an’i domelina ity ry Mamy a!
    Tsy mila mpanongam-panjakana !izao tontolo izao aza efa mandaha ka inona indray ity!
    Vao omaly no nidradradradra ny ankolafy Zafy fa tsy mila an’i domelina dia ianareo indray no HISOLELAKA azy toy izao?
    sao dia mba misy ambadika koa io fa tena mankaleo mihintsy ity fihetsika tsy hay na fahalemena na mifono FAMADIANA
    indray?tena mbola tsy ampy ve izao efa famahanana maloto ny Gasy izao fa mbola ho hampiana VOATABIA sy TONGOLO?
    Sa tianareo mihintsy ny fisavorovoroana fa efa mba milamina fa Hiandrandra ny fahatongavan’i dada sisa,sady toa vao maika
    haverimberina TOA HATAO FANAINIANA mihintsy ,sao dia mba misy RAH ambadik’izao???????????
    Ary izay lanin’ny vahoaka no hapetraka eo fa tsy izay HILELAKA an’i DOMELINA raha izao no fandehany,fa tena tsy mety ny
    kajikajy polotika sahady ,MAHAMENATRA fa handady ao aorian’i domelina izany ny zanaky dada ve?i dada ihany no niteny
    fa  » ALEO FARANY TOY IZAY FAHAROA « KA inona ity e! mila fanazavana sy fahatsorana tompoko o!

  5. Asaivo manao cérémonie de cloture Afrobasket Men radomelina raha mahasahy é!! Hita eo na mamin’ny olona na tsia!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *