Nohafahana Ralitera sy ny namany : inona no tambiny?

procès Ralitera 2

Rehefa avy nofonjaina nandritra ny 2 taona sy 37 andro, na 837 andro taorian’ny fisamborana azy (27 aprily 2009),  Atoa isany : Col Ralitera Andrianandraina , Capitaine Razafindrakoto Jean de Dieu, Adjudant Chef Rakotomanga Andrianarimanana, Agent FIP Fanomeza Razahadimby, Sergent Chef Raharinjatovo Georges,  raha voapanga higadra mandritra ny herintaona sazy mihatra, dia nahazo fahafahana soaman-tsara io takariva io.

Marihana fa ny fitazonana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana no vesatra niampangana azy ireo, araka ny tafa fohy nifanaovana tamin’ny vadin’Ihanta Randriamandranto teny amin’ny fivoahana ny fonja,  io hariva io dia nilaza Ralitera fa « tsy ekena mihitsy ny tsy maty manota » ary miombon-kevitra amin’i Andry Rajoelina izy ny amin’izany, na ho inona aloha fifanarahana miafina sy ny mety ho paik’adin’ny FAT amin’izao fanafahana azy dimy mirahalahy izao dia faly ny fianakaviana manontolo sy ny mpiara-mitolona.

12 pensées sur “Nohafahana Ralitera sy ny namany : inona no tambiny?”

  1. Voamariky ny tsirairay io ry Solo! Marina fa mafy ny nanjo ary entim-po faly fa nohafahana.
    Fa na dia izany aza fehezina ihany ny tena aloaky ny vava, fa toatoa ny MISOLELAKA izato izy…

  2. « Tsy ekena mihintsy ny tsy maty manota ». au premier de la liste = Andry Rajoelina!

    Mon Colonel: resaisissez-vous au plus vite!!!!

  3. F’inona koa ity ry ray olona ? manonofy ve aho ? sa ny sofiko sy ny masoko
    no misy fahavoazana?hataoko fa tsy hijery fotsiny izao i Madame Hanta!koa
    tsy ho raikitra ny ady raha avo tonga ao an-trano ao ry zareo?? tena tsy mapi-hino!
    Ilay fomba fiteny fa « MIOMBON-KEVITRA @ domelina » io dia fomba fitenin’ireo izay rehetra lasa any
    ary VIDIANY LAFO MIHINTSY IO fanomezana vahana an’i domelina io.Dinio tsara fa na dia tsy misy
    hidiran’io aza ilay resaka dia tsy maintsy havoaka io fa tena VOLA BE IZAY MITENY IO fomba fiteny
    io.
    Koa na dia hataoko aza hoe: nomeny valizy iray t@’ireo valizy feno vola noentiny t@ avion iny i Ralitera
    dia ho SANATRIA ve HISOLELAKA amin’i domelina @ fahoriana noentiny nafitsok’io fitondrana foza io??
    Sa tena miteny mihintsy ilay odin’i domelina FANDEMENA ?TENA fanina indray aho ray olona!!!!!!!!

  4. Sao dia niova fa tsy lehilahy intsony na miaramila intsony ianao Atoa Ralitera sa………….. tsy misy mahalala aloha izay nifanarahinareo tany e , anao manokana iny , filou an’ny tetezamitanareo angaha iny fa na ataoko hoe 4mi aza tsy hiteny ny anaran’iny akory fa ity IANAO e , tsara ho anao ny mbola miverina any

  5. Mafy ny zavatra nahazo azy rey olona â ! Tsy fanao ianao, ary tsy mendrika atao hoe olombelona no miseho ho eo amin’ny fitondràna !
    Ny zavatra rehetra re, nahazo an’ireo voasambotra ireo dia mahatsiravina !
    Tafavoak’izy, ary fantatry ny be sy maro ny zavatra nihatra taminy, dia tsara raha ho « borkena » eo angamba ny resaka ! Fantatra fa zavatra tsy mitombona no niampangana an’azy, fa dia ny « tantara no hitsara ».
    Ny tsara aminy dia misintaka kely, maka saina tsy mihiditra resaka pôlitika sy mitsabo tena aloha ! Fantatra fa misy chantage mahatsiravina ao ambadik’izao « famotsorana » izao ! Izy irery na izy mivady no mahafantatra izay tokony ataony, manombok’androany !

  6. Eny tsy lavina ny @’izany fa kosa : tsy nety ve raha tsy niteny fotsiny ohatra?
    Mino marimarina koa aho fa mbola ireto frantsay ireto no mbola ao ambadik’izao,
    Enga anie ka hiseho ny marina fa tena tsy rariny kosa izany raha izany no fandehany.
    Aoka isika mba hivavaka ho azy ray olona izay mba afaka manao izany fa mafy ny mahazo azy a!
    Mbola mankahery anao Madame Hanta fa tsy maintsy hipoitra ny marina ! mahereza ! courage!

  7. Marina ny azy e! Tsy mety izany tsy maty manota izany.
    Ny mahavoa antsika tsy tia HAT dia mankahala ambokony fotsiny.
    Misy ny sasany dia tsy mihaino ny resaky’ilay dj akory fa tonga dia manampitsofina fotsiny izao.Ahoana anefa no hanoherana azy raha tsy fantatrao akory izay lazainy?

    Tsy dia mety loatra ny fanatisme re olona ô

  8. HoAiza, « naona ‘zay lesy » angaha ? Naona marina ny vahoaka !!
    Izao ê ! Na niteny izy na tsy niteny, fantatra fa tsy vokatry ny fony ny zavatra navaokany ! Tsy misy dikany izay voalazany raha oharina amin’ny nataon’ny sasany ! Roa taoana mahery natao otage, miampy an’ny zavatra tsy fitantatara, sendra an’izay biby !

  9. Eo ny hoe noana
    fa MIAIM-POANA TSY MISY TANJONA

    Izay resaka henoina iray tsy misy dikany – TAY foana 3V&frivolité, no avoakan’itony manjaka eto amin’ny firenena

    ps kely ry km an: ilay armoiries mcar navadiky ny CENI ho TANINDRAZANA ilay FITIAVANA tao anaty annonce gazety midi androany

    Ny tena anefa (izay nahita fiainana tany ivelany) efa nahatsapa fahombiazana sy développement lehibe tokoa teo amin’ny fiainan’ny malagasy tao anelanelan’ny 2002 – 2008

  10. Amiko ny fiheverako iny no lazainy iny dia hoe « miombonkevitra amin’ny filohan’i FATY fa tsy ekena ny tsy maty manota » ka iza izao no tsy maty manota raha vao miverina ny filaminana eto amin’ny firenena ? tsy ry FATy mianakavy ? ny dikan’izany dia hoe valy figinka fingaka ka mahandrasa ny anjaranao! Izay no fahazoako azy fa dia ho hita eo ny tohiny sao manao ohatran’ndry Fetison ihany koa.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *