Entinay hankafy an-tsary ny hetsika tetsy amin’ny Magro androany ianao.Araka ny nambaran’ny mpandahan-teny dia tafiditra ho isan’ireo tolona naharitra ela indrindra eran-tany , Guiness des records, ity tolon’ny mpandala ny ara-dalana ity.

Tsy azo ampiasaina  fa fananan’ny MyDago.com manokana ny sary rehetra eto.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

27 Comments

  • elas dit :

    merci Mydago, et cela fait chaud ô coeur de voir tout ce monde
    Fidèlement vôtre

  • ranavalona dit :

    Misaotra @ foraisan-kina tompoko o! ho tahin’Atra daholo e!
    Mahanana faharetana fa tsy ho very maina ny niaretantsika izay ela izay,
    aza manary toky fa mbola hoa avy ilay maraina.

  • lilinoi dit :

    merci Mydago, le seul site qui nous fait connaitre par image ce qui se passe réellement non seulement au Magro mais aussi dans les différentes régions de Madagascar. Que Dieu vous bénisse dans tout ce vous fassiez. Veuillez toujours garder la bonne foi. Ny marina tsy mba maty.

    m

  • peuples Malgaches dit :

    Na hitaninandro mandrapahatapitr’izao tontolo izao dia ataovy eo fa tsy misy mihaino!!!!! misy mihaino???????

  • ranavalona dit :

    Manodiava anao ry pm izao faniratsiranao ireo olona mitaky sy mitady
    ny marina ireo dia izao no mba vavanao!rehefa mba voky ny halatra sy
    ny halahelom-bahoaka aloha dia mionona fa aza mba manao olona toy izao fa tsy mety! sao dia
    mba hanenenanao izao vavanao izao ?malahelo aho milaza aminao fa efa tena tafahoatra loatra
    ity ianao! sao dia tsy rariny e! mandinia tena ihany !
    Mitondra ny tsy eran’ny aina ireo olona ireo mba HANAVOTANA an’io tany masina io dia izao no
    mba fitsaranao azy ireo? mitady loza ianao io fa manao an’Atra tsy ho misy loatra ianareo foza
    ireo !!!!!!Ho avy aminareo ireo ny tsy mety !

  • Ziry Onésime dit :

    Dia misaotra antsika rehetra e!… Ary mba iza hono io « pseudo » milaza ho « peuples malgaches » io e? Mba ovay r’ise ny toe-tsaina sy ny pseudo fa azamitonona ho solontenanay a!.. Olona « sans qualité » ohatra an’ny sefonareo ve dia ho ekenay?

  • Foza foza dit :

    ory l koto a!!!!efa antitra manjoko otran ‘io v enao d bola mandany andro mampiesona ireto olona 1 tokotany ho ataonao fitadiavambola fotsin !!!! ba nanana n maha iz azy iany
    ny MFM f d tarihinao any @ kizo !!! zan tko n oé antoko Mitsinjo n Fahateran’i Manandafy ef hatramin’ny 1972 no mtol mitad toerana k na mandrapahafatinao az d ts ahazo toerana miits satri d ita eny fona n tetik maizina netinao atongavana @ izan!!!!! d reto ol iray tokotany ééé 25000 n azo nenao 1 miliara!!! mampalaelo f alao rovitra patalo eo iandry n dadany eo!!! enao voky!!!

  • Bemafohy dit :

    Foza foza!Manandafy efa nahazo seza:CSR,mpanolontsaina an-Dravalomanana ka tsy mola seza ohatran’ny foza fa fitiavan-tanindrazana no alehan’eo.

  • ranavalona dit :

    Ziry a! faly aho fa tonga ianao ! ary taiza foana ?? feno foza ny tanana ato! maimbo ! maimbo!

  • Foza foza dit :

    tsy mahagaga raha latsaka an-katerena ohatra izao ny firenena.ny toerana mba azon’i Lekoto tsy nihoatra ny conseiller izay v no nitolomany nadritry ny 40 taona? rehefa tsy nahazo ny tadiaviny izy dia conseiller-ny ny mpitondra eo ho any @ ny varalila fa ny poche-ny feno ihany.
    mba manahaka an-dRanavalona mihintsy kosa ny endrin’ny vahoaka iray tokotanin’ny Magro anh!!!!???……

  • KintanaMananDrambo dit :

    ranavalona angaha tsy mba namaky ny tantaran’i Tintin taloha ?
    Fony izaho dimy taona dia efa nahafantatra fa rehefa misy loza hitranga toy ny horohoron-tany, dia mivaoka daholo ny biby rehetra mipetraka any anaty lavaka ! Mivaoka ny voalavo, ny bibilava sy ny sisa.
    Matoa mivaoka daholo ny foza, dia ao raha !
    Efa lazaiko foana, fa proportionnel na arakaraky ny fatahorany no hivazavazàny ato ; koa aza dia taitra, fa mety amin-tsika io baromètre io ê !
    Ny olana fotsiny dia ny hoe mandoto rivotra, satria toa tsy manana papiezenika intsony ry zareo fa lanin’ilay domelina daholo, atramin’ny gazety ! Zoron-drindrina sisa !
    MDR !!

  • Foza foza dit :

    dia hita ny maha ambany saina fa ny papaierzenika sy ny loha no mitovy laharana,sady tsy mahagaga fa tsy mahataka-davitra ny resaka atao akory.Ny saina any ambany foatra.

  • lilinoi dit :

    Tsy ny toerana azo anie ry foza2 no mampiakatra ny Firenena e. Hita izao amin’ny toe-tsainao izao ianareo fa olona tsy mpanao politika fa miresaka politika atolotry ny mpanjanaka. Tsy mahay na inona na inona ianareo fa ambakain’ny frantsay ka lasa latsaka an-katerena izao ny Firenena Malagasy izay tokony manana ny maha izy azy. Olona tsy mana-kambo ianareo fa aleonareo ny voanjo no mpanakarena fa mialona ianareo raha Vahoaka Malagasy no manan-karena. Ory hava-manana ianareo. I Dada ihany no mpanao politika nanana tanjona hampanakarena ny Vahoaka Malagasy.

  • Foza foza dit :

    d oe dada ve no tena mahay politika?????aleo aho ihomehy!!!!
    raha mahay politika izy tsy nitsaoka zany mihintsy fa nijanona nihary ny vahokany teo!!!
    on va dire que sa politique est la fuite…..

  • KintanaMananDrambo dit :

    Inona no mba zavatra hain’ny foza ? Mamotika firenena, mangalatra sy mamono olona !!!
    Manoratra teny gasy fotsiny aza, dia efa tsy ao mihintsy !!!
    Mirediredy rehefa hoainina sy tsy mahita ho lazaina !! Tena foza mantsina ; mifangaro ny ati-doha sy ny tainy !!

  • Foza foza dit :

    atao aon eeh!!!si je le suis vous vous êtes bien pire,alors stp épargne moi tes commentaires débiles kintana je sais pas quoi!!!
    za rty mbola minan-kanina d efa ampy ah zay ah!!ra za koa nareo tsy minana na inona na inona intsony fa ‘reo entana amidy rehetra reo nge ka an’ny foza doholy eh!!

  • lilinoi dit :

    Mbola mampiseho ihany ianao Foza2 fa tsy mahazo resaka. I Dada no mpanao politika sy tia Tanindrazana ka atahoran’ny mena sofina hampanan-karena ny Malagasy ka lasa tsy manaiky intsony no ho zanahina. Fa aza ovana ny resaka, ka mampiteny ahy ny zavatra tsy nolazaiko. Tsy voatery hijanona eo izy no afahany iaro ny vahoakany, izay no tena maha dadany azy. Porofo izao, ny foza no eo amin’ny fitondrana nefa mbola tsy mahazo reconnaissance internaionale ihany hatramin’izao. Dada lavitra + vahoaka = mbola maharesy ny foza + mpanjanaka milaza azy matanjaka. Ka 0 ianareo koa. Porofo ny maha dondrona anareo izany. Alefa eto daholo ny entana rehetra tsy misy kalitao avy any ivelany, fa izahay tsy mividy an’ireny fa betsaka ny zava-bitan’ny vahoaka tia Tanindrazana azonay vidiana. Mbola misy koa ny entana an’i Dada azo vidiana tsara. Ho ela velona anie i Dada.

  • KintanaMananDrambo dit :

    Commentaires-n’iza no débiles ? Tssssssssssss !!!!!!!!
    « reo entana amidy rehetra reo ange ka an’ny foza daholo eh » !!
    Foza mpivarotra menaka sandoka, nahafaty olona maro !! Tena mpamosavy tsy misy hilavan’azy !!
    Mirehareha ery amin’izany ; mandehana ento any amin’izay mahafaty anareo any ny entanareo !!!
    Vakio ny gazety ! Mby aiza ny menak’i dada ??

  • Foza foza dit :

    ra tena mpanao politika oa izy tsy ntsaoka zany!!!!ary raha tena manara-dalana marina izy d tsy nitsaoka koa!!!!il devait faire face à ses problèmes!!!!or il s’est enfuit en vous laissant pourrir la vie par nous les foza!!!et vous dites qu’il aime son pays et ses concitoyens???
    aza tsy dia misaina lotra oa fa fakafakao sy alalino ny zava-drehetra!
    ay tandremo ary asaina manala bac na bepc na cepe ny zanakareo fa diploma-poza sy tsy ara-dalana daholo nge ireny eh!!!mijanona miasa sy aza asaina mianatra ny ankizy fa tanim-poza eto ka manelingelina!!
    ny fiananay mantsy ho tohizanay ihany fa nareo mijanona eny @ Magro miandry an’i Dada….ho antitra eo ihany ianareo fa miteny aho izay

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ndryyyyyyy !!!!!!!!!!!!
    Dia tena any am-paladian’ny vitsika ity fomba fisainana !!! Tsy mahita fomba hilazan’azy ny tenako, raha tsy dia hoe, any anty tinety ! Mampalahelo, satria mbola eritreretina ihany hoe mpiray tanin-drazana amin’ny tena !!!
    Omeko scoop ilay Foza foza be, na Foza foza kely ! Ny pseudo moa dia efa tssssss!
    Raha niketrika ny fanonganam-panjakàna i domelina tamin’ny 2008 indra indrindra, dia naniraka ny Conseillers-ny rehetra, nandondom-baravarana eran’ny vaza-mototra, nitady olona hanampy satria nivaky hoe : Zéro manatody amin’ny lafin’ny pôlitika, fitondràna ary ekônômika !
    Mba nisy nanantona ihany ny olona, fa raha vao nandre hoe fanonganam-panjakàna no hatao, na dia miafara amin’ny famonoana ny Filoha Ravalomanana aza izany, dia nitsaoka daholo ny olona !
    Mba inona izany karazan’olona izany ???? Fahaizana pôlitika ve izany ???
    Anontanio ireo tarin’ny Hetsika diaspora ireo !!!
    Efa fantatra hatry ny ela fa zéro, ‘lay domelina !!! Fandrebirebena vahoaka lava izao no mba atao.
    Izao ity trano mora, nanaovana piblisite tahaky ny inona, kanefa dia kaomiberaka no atao ! Ny tsena mora moa dia sady nampiady ny mahantra no toan’ny afon-jozoro !
    Entan’ny TIKO sy vary masiso efa narian’ny olona avy any ivelany mba amidy amin’ny vahoaka. Izao indray menaka tsy fantatra na inona na inona no ao anatiny no amidy amin’ny vahoaka !
    Ity koa mbola misy mahatsikaiky no dia mahamenatra. Likida vesela no amidin’ny foza, izay lazaina fa krema solera !!!! Raha nandeha naka dosy ilay mpividy, nandraotra toy ny kiveta nofenoina rano sy klina !
    Tsy MDR mihintsy !!!

  • ranavalona dit :

    Aoka izay ry Kintana fa ianao koa no miara milatsaka amin’ireo a!
    Ny zavatra lazainao teo aloha io aza tsy voavaliny fa izay hataony ihany no ahtaony
    HIRAHIRA eo fa mavesatra mafy amin’izy ireo ny mitondra ilay ratsy HIAINANY isanandro ,dia ahiliny aty @ olona
    tsy misy hidiran’izay zavatra lazainy akory, dia MODY NY AZY NO HATAONY TONGA ALOHA! izay momba azy rehetra io!
    Izany hoe : ny tenany ihany no tiany lazaina eo dia mody ahiliny @ olona ,fa na izy aza efa mahatsapa fa MAIMBO anie e!
    dia io manilika @ hafa io fa izay sisa azony hatao, sao mba manamaivana ilay enta-mavesatra hiainany isan’andro. Tsy mora
    ny hananan’olona HALAHELO ka izao no mba fomba ho entina miady sisa ,miezaka manadio tena fa MAIMBO LOATRA!
    Na hamahan-dalitra handahatra eo aza! na hiodina havia !na hiodina havanana ny foza ! maimbo ! maimbo! tsy misy manao
    azafady! fakon’olona !tsy faka taranaka !fanetry be ny firenena !mpivarotra taranaka! mpivarotra tanindrazana!

  • HoAiza dit :

    ha ha ha… marin’ê: « Likida vesela no amidin’ny foza, izay lazaina fa krema solera »
    __

    Mba te-hitovy laharana @ karana importateur kou zany itony FOZA?!
    Miseho tompony ve ny jiolahim-boto sy kisoa vavy isany ê!
    __
    Mitsolatsolàna aty @ quartier misy anay anie miaraka amin’ny ATIDOHA MI-TOURNE BE TAHAK’IO ê: dakan’ny olona any an-dava-piringa

  • KintanaMananDrambo dit :

    Omena fitaratra izy mba ahitany ny tavany ry ranavalona â !!
    Oila solera moa no tena izy fa tsy krema ê ! Somary diso ny tenako teo ! Tany an-tsiraka ( toerana mafana be, andrefana ) no nisian’ny famitahana !!

  • HoAiza dit :

    Diso aho ve: fa i Ra-Naval tsy i BabyF ihany?

  • KintanaMananDrambo dit :

    Dia tsy haiko ny hamaly anao ry HoAiza ! Angamba tsy izy !

  • lilinoi dit :

    Ny mpanjanaka no tompoinareo fa tsy ny tombontsoa ny Malagasy. Mandehana mody any amin’ny tomponareo ianareo fa maninona eto? mampahantra ny vahoaka fotsiny. Hay moa ianareo ry foza valalan’amboho ka ny tompony aza tsy tia azy. Sa tsy Malagasy ianao miteny io?Aoka ho fantatrao fa risoriso daholo izay aleha rehetra ,hopitaly rehefa tsy manam-bola dia maty, ny ministera anaovana taratasy rehefa tsy misy ny tsolotra dia miverimberina ets….Rehefa tsy mahay na inona na inona dia mialà. ny nitovy fisainana taminareo aza niala taminareo. Ary valio ny tena zava-dehibe fa tsy Dada nodarohanareo tank ka lasa tsy fidiny no mba resahina. Lasa lavitra izy fa mbola tsy resinareo, mba menatra. Aiza moa izao ireo foza teo amin’ny 13 Mai? Tokan-trano -poza dimy be izao no mitalao amin’ny olon’ny Dada anankiray mba hanome asa azy ireo. Mba aiza ianareo foza nanome toky azy ireo. Tia tena mameno paosy fotsiny. Fisainana colon

  • ranavalona dit :

    Aza gaga ianao fa tetika famonoana an-kolaka ny Gasy daholo ireny fomba rehetra ,
    na hopitaly na fatifaty etsy sy eroa, sady fanaovana SORONA etsy an-daniny mba
    hijanonana eo @’io fitondrana NANGALARINA sy azo t@’ RAN’i MALAGASY teny Ambohitsiroatra io.
    Atao daholo izay fomba ahafaty ny MALAGASY mba ahafahan’ny mpanjanaka MANJAKA @ harem-pirenena ihany koa.
    Ny risoriso dia fampandaniana andro sy fandemena, fanaovana tsinontsinona daholo ireny handrebirebena dia tsy afaka
    mifantoka @ asa ratsin’izy ireo ianao, no tsy afaka hivoatra mba hanao zavatra fa VOAGEJAN’izy ireo izay hatao rehetra,
    Dia mazava ho azy fa tsy ho lasa lavitra ianao, fa raha kely saina moa dia KIVY avy hatrany, tsy mahavita inona intsony,
    izay no tanjon’ireto mpanjanaka, dia hitsahiny fotsiny @’izay,manao izay tiany hatao izyyyyyyyy!Dia eo ianao no ho raisina!!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site