Tanora TIM : Voin-kava mahatratra !

Tonga nitondra fanampiana hoan’ireo traboina tetsy Ankorondrano Andranomahery ny fikambanan’ny Tanora TIM, notarihan’i Mme Fanja.Marihana fa nahatratra dimy no namoy ny ainy tamin’ity loza ity ary an_jatony no tsy manan-kialofana.

Tonga nitondra ny voatsirambin’ny tanana ho an’ireo fianakaviana tsy manan-kialofana sy namangy fahoriana ireo mana-manjo ny tanora Tiako I Madagasikara androany.

Fisaorana mitafotafo no nasetrin’ireto niaram-boina ireto ny malala-tanana ary nilaza izy ireo fa tsy hionona amin’ny fandraisana fanampiana fotsiny fa hiezaka hitady vahaolana maharitra.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *