TMR : tsy vahaolana io « fifidianam-poza » io;

Mihetsiketsika fatratra ny zanaky Dada ankehitriny, rehefa nanao ny azy nisesisesy ny antoko TIM sy ny KMFB, dia nampiseho ny heriny ihany koa ny TMR na ny Tiako Marc Ravalomanana ny Alahady lasa teo teny amin’ny tany malalaka Ambodimita no nanaovana ny hetsika.

Efa nahazo tso-drano tamin’i Dada ny TMR hamondrona ny tanora rehetra manohana ny filoha Ravalomanana ary tsy manavaka antoko sy fikambanana izy ireo hoy Manoela.Ny tanjon’ny TMR hoy ihany izy dia ny hampody ny filoha Ravalomanana ary hanao izay handany azy ho filohan’ny firenena indray, tsy manao valifaty ny tanoran’i Dada hoy hatrany ny kabariny.

Tsy mahamaika anefa ny fifidianana  fa ny fiaraha-mitantana ny tetezamita mizotra amin’ny fanatontosana ny  fifidianana malalaka, tsy misy hosoka, andraisan’ny rehetra anjara, eo ambany fiahian’ny fianakaviam-be iraisampirenena no vaha olana amin’ny krizy fa tsy io fifdianam-poza kasaina hatao io .

Nanentana ny vahoaka hamonjy ny kianjan’ny Behoririka isan’andro moa ny mpanentana tamin’ity fihaonana ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *