« tsy hanao sonia izany sori-dalana aho raha tsy tonga any Madagasikara  » hoy ny filoha Ravalomanana

TIM Sabotsy Namehana (1)

Nitohy teny Avaradrano, Sabotsy Namehana, indray ny fihaonan’ny mpitarika foibe ao anatin’ny TIM sy ny mpomba azy ireo teny an-toerana ny Sabotsy 13 Aogostra 2011.Nahitany ny solombavambahoaka  isany : Rodin Rakotomanjato, Etienne, Ravelonanosy Mamitiana ;  ny senatera Robert, tao ihany koa ny Ben’ny tanana Guy Maxime Ralaiseheno sy ny Pasitera Edouard

Nohamafisin’ny filoha Ravalomanana tamin’ny antso an-tariby fa tsy hisy fankatoavana iraisam-pirenena izany mihitsy eo raha tsy tafaverina an-tanindrazana ny tenany, « tsy hanao sonia izany sori-dalana izany aho raha tsy tonga any Madagasikara  » hoy izy.Nomarihany ihany koa fa mbola maro be ireo voafonja noho ny tsy amin’antony, nampatsiahiviny ihany koa fa mbola tsy misy fahalalahana eto, mbola mikatona avokoa ireo haino aman-jery teo aloha hoy izy.

Natsidiny teto ihany koa fa efa manomana ny antontan-taratasy ho entina  amin’ny fivoriana atsy  Luanda  amin’ny alarobia izao ny tenany  : »tsy misy atahorana ny zava-hitranga ao amin’izany fivoriana izany,  samia mivavaka fa mitondra vahaolana hoan’ny firenena izany »  hoy izy.

Nambarany filoha teto koa ny fisaorana ireo  mpanao politika manao ezaka eo amin’ny fifanantonana , « mila mifandefitra  isika hoy hatrany ny kabariny.

11 pensées sur “« tsy hanao sonia izany sori-dalana aho raha tsy tonga any Madagasikara  » hoy ny filoha Ravalomanana”

  1. Mahafaly ny mahare ny tanjan-tsaina hasehony filoha Ravalomanana ka antsika mpanohana azy no tsy maintsy maka ny andraikitra rehetra ahatomombana ny ho avy ny firenena:
    – FIAROVANA AVO indrindra ny filoha, mba aleo re arahana asa ny vavaka e!
    – Fikarokarohana izay paika samihafa ilaina arahina arakaraky izay zava-miseho, indrindra mametraka ny fandinihana @ lafiny erantany foana fa ny fijery toy ny frantsay tokan ihany no maha very antsika toa izao.
    « Chinafrique » sy « Chinamérique » anie ka mandoto-rano any frantsay dia izao isika potika izao satria mavozo ka ataon-dry zareo matanjaka kilalao mba hangalaran-dry zareo mora foana ny harena ambany sy amboniny tanintsika.
    Dia ampio ny « crise financière » erantany dia fisavorivoriana mora hararaotiny izay mpangalatra rehetra e!

  2. Marina ny anao randria, tokony arahan’asa ny vavaka !
    Mitady hiverina indray ilay toe-tsaina, miandry ny tolorana fotsiny ! Fa mety ho diso fanantenàna, satria tsy sakafo no ho hatolotry ny sasany fa zavatra hafa !

  3. Ary ianao ity mahita volana alohan’ny biby mihintsy ry Kintana! sady manapa-tsinay foana!
    Tsy ny sakafo ihany anie no mahavelona e! ny anao izany rehefa tsy kaly dia tsy izy?

  4. Mahavelona sa, maha lava andro ??? MDR !!
    Ny généralité anie no resahiko eto ê ! Tsy marina ary ve izany ?
    Ilay gasy toa faly tolorana foana, fa tsy mba miezaka ! Ny hatsemboanao no hihinanao, hoy ny fitenenana !
    Izao lasa hoe : Ny maha krapilo anao no hihinananao !
    Tambazan’ny menasofina vola tsy mihiditra am-paosy akory, dia efa miazakazaka toy ny akoho mahita reh.ka ! tsy fantany akory ny ao ambadik’ilay fika be !
    Dominy tapany, dia faly mandoa erany ! Miverina ny tamin’ny andron’ny colonie !
    10 cl, honerana 100 cl, sinon plus !! Tsy hitafy intsony amin’ny farany, fa efa lany henatra ! Fahamenarana izany, toa tsy fantany intsony !

  5. Na tsy hiverina intsony aza elà ravalonandra tsy misy blème mitsy! mandehana milevina any afrika atsimo! tsy mila anao velively ny Malagasy!

  6. Ny nandra ihany no manandrananadrana olona!mipararetra ve e! efa tenenina foana fa
    hampidino io pinces io ry nandra a! minandranandrana be levendrana toa an’i lehibeny
    ihany.

  7. O ry reto a !
    Ka les pinces nge efa cramées e ! Tsy mety milefitra ntsony sady mavaivay beuuh ! Manao au sekouro fa miala any DADA

  8. he!he!aza manaiky diso mintsy ry tgviste raha tsy tapitra foana sy lafon’ ny tsy fihinanan-kanina ny entana ao an-trano a!rehefa tsy mety dia tsy mety ho aho eeeeeeee!!!!!!ALEOKO IHANY NY T@ANDRON’NY DADAVALONAY.Zao manjaka ny loham-boto ny fozaorana sisa sakafo fa miely ka mora vidy he!he!he!ry GASY VOAFITAKA OH!UNHAPPY!!!

  9. KA RAVALO IHANY NO DADANAY RY DONDRONA ISANY AH!EFA MIHINAN’NY AMAN……MINTSY@TSY FISIANA MBOLA FOZA E!FOZA.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *