« Tsy milamina akory ny tany dia ianao mahasahy mandeha irery… »

« Manahirana ery, ny mitady ny lalan-kombana, ny mitady zay misy, hazavana.Hiankavanana sa hiankavia no hahitana ny lalan-kivoahana
no hahitana zay mety iarahana… »

Dia io tonon-kian’ny Mahaleo io no mby ao an-tsaina mahita ity fiovam-penitra mahery vaikan’ny zanak’i Dada ity. »Hijoro hanelanelana ny krizy aho, hampifanantona an’ireo mpanelanelana isan-tsokajiny avy eo hampiombona ireo mpifandrina politika iraika ambin’ny folo » hoy ny filoha mpiara-mitantana teo aloha, sady lehiben’ny delegasion’ ny ankolafy Ravalomanana, Atoa Fetison Rakoto Andrianirina.

Marary ny mpanelanelana?

Samy manana ny fijeriny ny sakana tsy ivoahana amin’izao krizy izao avokoa ny olom-pienena tsirairay.Ao no milaza fa i Andry Rajoelina sy ny filoha Ravalomanana no fototry ny krizy koa izy ireo no mila mifampiresaka, ao kosa no milaza fa ireo mpanao politika maro be nahazo tombontsoa amin’izao tetezamita FAT izao no manitatra sy té  hanalava ny tetezamita, hampitombo ny vola miditra any am-paosiny, i Fetison indray kosa dia mihevitra fa ny mpanelanelana isan-karazany toy ny SADC, ny FFKM, Orimbato, PSRI, SIDEM, sns… no mila « tsaboina » aloha fa tsy mahavaha olana sy tsy mahita ny fototr’aretina mahatonga an’i Madagasikara farofy lava izao.

Tsy resy lahatra !

Asa na voahilika? na tsy resy lahatra tamin’ny maha-ankolafy Ravalomanana azy? na tetika politika hafa? na nahatsapa ny tsy fetezana tao anatiny fa dia nivadika ho mpanelanelana ny tenany.Ohatra tsara hoan’ny mpanao politika Malagasy aloha ny tsy fitadiavany « seza », ny fandavan-tena atolony : « tsy handray anjara amin’ny rafitra tetezamita iaraha-mitantana izay hatsangana  » ary ny filazany fa « tsy miandany amin’ny atsy sy aroa » kanefa ny mahalasa saina ny mpanara-baovao ny nahatonga azy nandray izao fenitra vaovao izao.

Mandeha irery ?

« Tsy milamina akory ny tany, dia ianao mahasahy mandeha irery…« , hita tetsy amin’ny Carlton Anosy androany fa dia nandeha irery tokoa i Fetison, na dia notronin’ireo mpanao politika vitsivitsy aza.

Raha tsiahivina ny tantara dia saika efa lasa namonjy ny « sezan’ny Tetezamitan’i Andry Rajoelina » avokoa ireo mpiara-miasa akaiky tamin’ity filoha mpiara-mitantana teo aloha ity, raha tsy hitanisa afa-tsy VyVato Rakotovao, Ando Parson, Raharinaivo Andrianatoandro, ny solombavam-bahoaka  sy ny senatera maromaro, sns…

Hitondra aim-baovao hoan’ny famahana olana tokoa ve izao fanam-pahan-keviny izao ? ny am-pitso no hamaritra izany.

CONF-PRESS 10-08-2011 (1)

ANTSO 10-08-2011 (1)

LETTRE OUVERTE AUX CITOYENS DE CE PAYS

 

9 pensées sur “« Tsy milamina akory ny tany dia ianao mahasahy mandeha irery… »”

  1. Olon-kendry ianao ary mino aho fa tsy misy fanerena an-kolaka sanatria fa tena t@ fonao
    manontolo izao fanapaha-kevitra raisinao izao ry ingahy Fetison,efa ela no tsikaritro fa tsy
    dia miraika firy @ dada ianao ,ary matetika feno tsikera momba io eto,ny tiako ho lazaina dia :angaba tsy tokony ho
    taty @ tim Ravalomanana ianao no nandeha,ny mampalahelo dia ianao niaritra nefa efa fantatra fa tena tsy tao
    mihintsy , tsy somary diso aoriana loatra ve izao fanapahan-kevitra raisinao izao?
    Mba miangavy re raha miangavy mba ho tazoninao ny fahendrena hanananao ka aoka tsy ho SANATRIA ka ho toy
    ireo MPAMADIKA nanaraka ny foza ianao!!!Hifonana re Tompoko o! tsy ianao koa ry FETISON SANATRIA!!!!!!
    Olon-dehibe ianao ary manan ny safidinao MALALAKA fa aza mety ho rebireben’i sasany,manana ny maha anao anao
    ianao koa MAHAIZA MAMINDRA!!!Fitiavako anao manokana no hilazako izany ,ary tsy hadinoko mandrakizay ilay
    sarinao nigadra (tena ontsa ny foko!!!).

  2. Miala tsiny raha manome izao resaka izao mba ahafantaran’ny olona ny lafin’ny toetran’ingahy Fetison.
    Niray cellule izy sy ny depiote Zafilahy tany ampigadràna. Mahafantatra tsara izy fa tsy mihinan-kisoa ny depiote Zafilahy. Kanefa rehefa manafatra sakafo ingahy Fetison dia laoka misy henakisoa foana no angatahiny.
    Aza hadino fa ny depiote Zafilahy dia tsy mba nisy nanatitra sakafo isan’andro satria ny fianakaviany dia avy any Vavatenina. Noho izany dia matetika ingahy Fetison dia mihinan-drery.
    Samia mieritreritra.

  3. Ny fahatsapako dia matoa ianao miala mandeha irery toy izao kanefa mbola tonga amin’ny tanjona akory ny tolona izay efa natao niaraka t@ vahoaka, mbola tsy misy solution ny crise. Noho izany matoa Fetison mandeha irery dia efa hita soritra ihany koa fa iny lalana iny e! no hizoranao mazava ny tianao hatao.

  4. Mbola manamafy ihany ity voalazanao ry Galasam fa tsy tokony ho taty @’ny antoko
    Ravaomanana mihintsy no nisy an’i Fetison.Diso lalana izy dia manjary manao ny tsy
    fanao fa kosa ny fahendrena hananany kosa mba jereo ihany!

  5. Hiezak’aho hoy izy, hanao an’izay faran’ny heriko mba hiverenan’i Dada ; fa raha sanatria tsy afaka miverin’izy : Dia izaho no hilatsaka !!!
    Nitolon’izy ka nitolona, fa raha dinihina dia toa tena nitolona ho an’ny tenany aloha.
    Mandeha ho azy foana eny ny « ekremazy » ê !
    Tsy dia fahendrena laotra ny nilingilingy teo ambony seza, niaraka tamin’i domelina, kanefa ny namana rehetra tsy tafiditry ny trano ! Izany anisan’ny nahatonga an’ilay vato be, ho lasa graviô izay ho lasa fasika raha izao no mitohy !
    Mila olona madio saina, madio fo, vonona hiaro ny zon’ny vahoaka malagasy, hiezaka ampandroso ny mponina ary ny firenena, hiaro ny reharehan’i Madagasikara isika !
    Ny fahaizana sy hafetsena dia mba hanantanterahana an’ireo voatanisaka ireo, fa tsy hamenoana paosy fotsiny !
    Mibotsina ho azy ny paosin’ny rehetra, rehefa mandeha tsara ny toekarena ary koa milamina ny tany sy ny fanjakàna !!!
    Tsy mitondra lavitra ny mameno paosy irery ! Maha be dahalo fotsiny !!
    Fanontaniana mipetraka : Iza marina sisa no mbola azon’i dada hianteherana, rehefa tafaverin’izy ?

  6. Izay aho vao nandinika tsara ny voalazanao ry Galasam,araka io voalazanao io dia
    toa resaka fitiavan-tena ilay izy,satria tsy te hizara @ Zafilahy izy dia izay no hanafarany
    henakisoa foana? Mazava izany ilay resaka! voalaza ombieny2 eto fa TIA TENA I FETISON! atao ahoana fa
    izay izany! miady ho an’ny tenany irery marina izany lery! dia aleo fa ho hita eo ny adiny ary raha hatafavoaka
    ny baolina irery izy e! ho hita eo ny adiny!

  7. Mba hazavao kely hoe ny hevitrao ry pilokely azafady! mahaliana ahy ny momba
    an’i fetison io !izy tsy azo dia lazaina ratsy kosa aloha e!fa misy tetika hafa mihintsy
    ao, ka marina fa tena fetsy ihany izy,sao dia mba misy olona ambadik’izao ?vehivavy izy io?elaela tsy
    hita fa sao manomana filatsahana ho fidiana? hen !hen! misy rah hitako ao fa tsy hambarako sao
    miteniteny foana eto ka bedy, amiko tsy dia olana izay hataony fa andron’ny demokrasia izao Hi!hi! hi!
    Ny marina dia efa tsy nanantena n’inona n’inona taminy efa ela aho,raha resaka fodian’ny dada dia tsy
    misy fa toa hainy mihintsy ny mody fanina rehefa resaka dada sy manodina resaka tsara! azy ny azy!!!
    Dia ilay lainga be hanosora-potaka teo @ Magro iny no tena vao maika tsy izy mihintsy lery,ilay nosilahan’
    i dada avy hatrany hoe: » izaho olona tsy nihetsika teto koa hoe: » efa any anaty avion » asa izay tetiky lery
    @’ireny.Pov Fetison!aza manao an’izany fa tsy mety e! rehefa hiala dia miala bassy! mahitá izay tadiavina!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *