5 pensées sur “Tsy tokony ho voavidim-bola ny mpitandrina .”

  1. Ireny ilay hoe: » nantenain-kaniry kinanjo vao maika nampivandravandra » iza intsony
    no mba azo hametrahana fitokisana?ireo olona voahosotra aza manao ny hataony?
    Voajono sy voavidy hanao ny tsy mety ! izany eo ihany fa mba hataony aiza ny vola azony @’izany toy
    ny relijiozy katolika ireo mantsy tsy manam-bady? dia hatao inona hono ilay vola??ilay vola maloto??

  2. Mivavaha ary mibebaha fa efa miharatsy izao fiainana izao , pasitera lasa jiolahy sy ny sisa sy ny sisa e , efa ho akaiky marina ve ny farany dia hita miharihary daholo izay tena ao anatin’ny sain’ny tsirairay , hihavaka eo izany ny tena pasitera sy ny mpiatsara-velatsihy

  3. ny vola no maha rangahy, ka mba te ho rangahy koa i pasitera sy ny relijiosy.
    ny vola no hozatry ny fiainana, matahotra izy ireo fa sao lasa nofo eo ny fiainany raha tsy eo ilay vola be.hihihi

  4. Marina ny anao Ranavalona, Andriamanitra mivantana, izay nahary an’izao tontolo izao ary inoan’ny razantsika ihany sisa, no azo ametrahana fitokisana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *