Tsy voafehin’i Yves Aimé Rakotoarison ny minisiterany.

Mitokona ny Meri, 22 Août 11 (2)

Nikomy tamin’ingahy Yves Aimé ny mpiara-miasa aminy ao anatin’ny Ministeram-panjakana  misahana ny fifandraisana amin’ny Andrim-panjakana izay tantaniny, hita izany io maraina io tetsy Nanisana. »Tsy voaloha ny volan’ireto mitokona ireto », izay no fototra lehibe ny olana.Amin’ny maha lehibe azy ao anatin’ny minisitera dia anjarany ny miahy ny olona feheziny, sa tsy voahevitra hatrany ampiandohana ny mety ho tambin-karama sy ny vola hivoaka amin’izany? raha izay no zava-misy dia azo ambara fa tsy voafehin’Ingahy Mémé ny mitana andraikitra ambony. »Gouverner c’est prevoir » hoy ny vahiny koa ampisehoy amin’ny vahoaka mpandoa hetra, mpanakarama anareo ao anatin’io FAT io fa ilain’ny vahoaka ianareo sy ny asa ataonareo  fa tsy ho minisitera peta-toko sy mpandany volam-panjakana fotsiny.

Indroa nahita ny haizina ity zanaky Dada teo aloha ity, efa naloan’ny vahoaka mpomba ny ara-dalana izy, izao ireo olona ambany feheziny mihitsy no mikomy aminy.

 

2 pensées sur “Tsy voafehin’i Yves Aimé Rakotoarison ny minisiterany.”

  1. Pov Mėmė! dia ny tena no menatr’olona !hita mihintsy hoe « mamba reraka »!
    @’izay dia mba ho aiza ho no hiafarany avy eo? toa ho basin’arifito sisa raha
    izao no ho fandehany.F’inona daholo no ao anatin’iny loha be iny???tsy mba arakaraka ity fipetsapetsan’ny
    vava kay ny fomba fiasa.
    Hisaorana Atra fa nanavaka ireny voan’ahi-dratsy ireny niala taty @ dada.Aza hamelana mihitsy ry zareo a!
    Sady iza no hiaro azy eo?sady tsy an-tany no tsy am-parafara!

  2. fa manina no dia manaratsy olona toy izany!!!!!taloha t@ i Mémé mbola tao @ mouvance TIM ainareo ery ny manatsara azy!!!!!tsy mety izany!!!!ary samy manana ny safidiny ny tsirairay!!!!!aza mitsara mba tsy ho tsaraina

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *