Vaky vava amin’ny ataon’i Simao ny Sadc ary milaza handray andraikitra, hoy ny filoha Ravalomanana.

dada

Niditra mivantana tetsy amin’ny kianjan’ny Magro, io tolakandro io ny filoha Ravalomanana, inty entinay aminao ity ny dika teny malalaka nataony tamin’izany :

“Ento am-bavaka ny fivoriana izay hatao any Luanda fa zavatra lehibe ho an’ny firenena no dinihana ao. Enga anie ny fivoriana hitondra vahaolana manaraka ny hetahetan’ny vahaoka malagasy fa tsy izay tian’ny milaza ho mpanenlanelana atao. Manantena sy mino aho fa homba antsika Andriamanitra.

Vita soa aman-tsara ny antotan- taratasy misy pejy  36 ary efa any an-tanan’  ny filoha ny firenena Sadc tsirairay avy izany . Tsy maintsy natao ireo antotan- taratasy ireo satria tsy rariny ny mahazo ny firenena ary misy mitondra ny resaka amin’izay  itiavany azy. Mitovy ny hevitrin’ny filoha rehetra. Tokony ho any Luanda ianao ry Simao ary tsy mifanaraka  amin’ny fijerin’ny vahoaka no ataonao ary efa ela ianao no tsy tonga teto ka tsy mahalala ny zavatra misy marina.

Ny mpiombon’antoka koa dia mahita fa tsy mety ny ataony, tsy rariny loatra  ka ho hitantsika izany rahampitso. Inona no iantsoanao ny ankolafy raha tsy misy dinika intsony ? Tsy ilaina ny “arbitrage” ary vaky vava amin’ny  ataonao ny Sadc ary milaza handray andraikitra. Izaho koa tsy hanaiky lembenana mihitsy fa matokia. Fa tokony ary tsy maintsy miray hina isika ary tsy ilaina ny mahalala fomba rehetra tsy rariny, aza manaiky ny tsy rariny toy ny “amendement” nolazaina fa iray ihany. Aoka re isika  mpanao politika mba tsy any an-trano ihany no mimenomenona fa mila miray hina satria fiainam-pirenena io. Nisy izao ny vola famantsiana rano fisotro ho an’ i Madagasikara, firenena iza no nahazo izany ? Raha nampiharina ny sazy efa ela dia nivaha ny krizy fa misy ny miolakolana. Ianao no miaraka amin’ny mpitam-basy ka iza no mitetika hamono anao eo? Tany tsy misy lalana i Madagasikara ary henoko ihany koa ny tenin’ny “eveques”, tsara ireny satria ianareo no mpitarika ary mpanambe. Ny soa atao levenam-bola ka aza maika hanao sonia ary tsy hanaiky fifidianana eo mihitsy ny USA, UE sy ny UA. Averiko ihany fa tsy nampamono olona aho ary tsy namono. Tsy hanelingelina ny tetezamita koa aho, izany no tsy nidirako amin’ny io satria i Madagasikara no jereko, izaho tsy hanampotika ny fireneko fa mila mifanatona isika mpanao politika.

inty ny feo : Prm 17 Août 11

9 pensées sur “Vaky vava amin’ny ataon’i Simao ny Sadc ary milaza handray andraikitra, hoy ny filoha Ravalomanana.”

  1. Dia tena manalika mihintsy anie ratalonety sarko sy simao e!
    Ka raha tsy asahy ampiseho azy ireo hoe tsy ilaintsika ry zareo dia hitohy hatrany ny paika ratsy efa fanaony françafrique: samy nahita ilay documentaire françafrique volana lasa iny ve e???
    Avadibadiky ry zareo ny olona sy toerana fa ny drafitra fanalikana mba hangalarany antsika mora foana, dia « matrice » efa voasedra ela.
    Antsika ny masahy mijoro milaza izay tadiavintsika: ka inona ary no tena ilainy malagasy ?

  2. Hitako iny film documentaire iny Randria a!Romotra mihintsy izaho sy ny vadiko nahita an’iny.Ireo miaraka amin-dry zareo « mpanaotrano » koa no tena loza koa.Tena vongany mihintsy ilay TGVendrana raha ireny no fandehany.I norbera lala moa tsy lazaiko intsony.Amboary ny sambon’i bolloré e!

  3. Marina ny voalazanareo roa lahy ê!

    Vao tonga i Sima nilaza hoe: ho fanatanterahina ny tapaky ny CPS (au pluriel), androany miverina @ hoe Salomao non négotiable (au singulier)

    Senegaly nahazo baiko, mpanakorontana saim-bahoaka, MAHATSIRAVINA ny mijery azy isaky ny mipoitra…

  4. Fa inona ihany no tena tadiavy n’i ra8. Tsy mitsahatra mandainga! Tsy nivarotra an’ny daewoo aho, ny avion, tsy ho ahy irery, izao tsy namono olona!
    Rahoviana ianao r’i dada no hialatsiny?
    @ 2049, rehefa hiverina?
    Mba serieux lahy fa tsy ny resadresaka miaraka @ olona tsy mihaotra ny 150 etsy magro, no hahafahanao hiverina eo @ pouvoir!
    Mba serieux!

  5. nandra , nandra ,vokisany foza vola maloto de na manitsa tay aza tsy mahare maimbo , fa ina mihitsy no tsy haritrareo @ ra8 e ! olona tsy ao antoerana , no enjehina lava sy tsikeraina , hita mitsy hoe matahotra , ra hendry ny djkelinao tsy zay atavoaka ny baolina atao , fa lany andro manaratsy andra8 eo , izy ary mampande tsara ny orinasany any ivelany , ianareo ao faly mandripaka ny bois de rose hampidiram bola , hahaha ! diavolan kolava , lalao mbola ho ela , izay ray maharitra hatr@ farany ,ty tena nandra mitsy

  6. Ary nitombo 100 indray ilay 50 ry nandra a!f’angaha tsy olona dimapolo indray sisa eo @ Magro?
    Mba efa nivoatra kely kosa t@’ilay lainga an!satria nahilika @ dadanay indray ny riatra an! soa fa
    tsy nandra ohatra anao daholo ny olona ka hino ilay TALENTA MANAVANANA anareo dia ity LAINGA marivo tototra.
    Mba mijereva fitaratra alohan’ny hamoahana itony zavatra mampihomehy be itony fa efa ela no rovitra io disc io e!
    Raha taratasy io efa nifirana efa ela .Hafa indray mba lazaina,ohatra izay vitan’i dadanay indray dia mba hampitahao
    @ vitan’i DOMELINA mba hisy HIGAGANA Sy hihomehezana hi! hi!hi………..!

  7. Nandrason nanova pseudo fa ilay iray iany io !!!
    Na ny différence entre 50 personnes sy ny 3 millions teny Ivato aza tsy ao an-dohany satria voky ranom-poza e ! Sao dia ho tsentsin’ny kolesterola eo ny lalan-drà no atahorako.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *