Vehivavy TIM : Renim-pianakaviana mandray andraikitra !03 Aogostra 11

Nanao fivoriam-be teo amin’ny foibe toerana misy azy etsy Ampandrana Bel’air ny fikambanan’ny vehivavy Tiako i Madagasikara, notronon’ireo Birao politika Foibe.

Nivoitra tamin’ny fihaonana ny mampantanjaka ny antoko TIM ao anatin’izao fitakiana ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana izao.Eo am-pametrahana ny rafitra isan-tokony any anaty faritra eran’ny Nosy ny antoko ary tsy diso anjara amin’izany ny « vehivavy zanak’i Dada ».Nambaran’ny solontenan’ny vehivavy tamin’ny kabary fa na ao anaty ny krizy aza ny renim-pianakaviana dia mandray anjara birika lehibe tokoa amin’izao tolona hatrehina izao : efa vonona ny amin’ny fitsenana ny filoha Ravalomanana izahay hoy Mbolatiana , isan’ny renim-pianakaviana tonga teto ary ho avo telo heny noho ny tamin’ny 19 Febroary ny isan’ny vehivavy hitsena an’i Dada.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *