« Union des Associations Zanak’i Dada » : Efa vonona amin’ny fitsenana ny filoha Ravalomanana

Nanao valandresaka hoan’ny mpanao gazety tao amin’ny foibe toeran’i Tiako Madagasikara Ampandrana androany  ny « Union des Associations zanak’i Dada » ivondronan’ireo : very asa, VMTT, AFDL , FVOTM, MATITA .Nambaran’izy ireo tamin’izany  ny fanohanany tanteraka ny fiverenan-d Ravalomanana sy mbola hametrahana azy indray  ho Filoham-pirenena amin’ny fifidianana manaraka eo.Araka ny hevitr’izy ireo dia tokony hampiharina haingana ny tondrozotra izay natao sonia , manambara fa miverina tsy fepetra ny filoha  Ravalomana.Ny vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao hoy izy ireto dia fametrahana fahatoniana eto amin’ny firenena, isan’izany ny fampodiana ny filoha roalahy, ny famoahana ireo gadra politika rehetra.Mahatsiaro mijaly tanteraka manko ny vahoaka hoy izy ireo.Nambaran’i  Feno, mpitarika ny fikambanana fa vonona sy efa manomana ny fitsenena ny Filoha Ravalomanana amin’ny fomba manetriketrika ny fikambanana.Ny fitondrana ankehitriny mantsy tsy hanome asa anay velively ka izany no handraisanay  anjara amin’ny fampodiana sy fanohanana ny fampodiana ny filoha Ravalomanana.Nohamafisiny fa  raha tena tia tanindrazana marina ireo mpanao politiaka ireo dia tokony hanaja ny sonia izay nataony fa tsy andrangaranga fisamborana sy fanagadrana .Efa  miparitaka eran’ny lafy valo moa ny fikambanana araka ny fanambaran’izy ireto ihany.

1 pensée sur “« Union des Associations Zanak’i Dada » : Efa vonona amin’ny fitsenana ny filoha Ravalomanana”

  1. salama! tsara ilay hetsiky ny association fa i feno aloa dia tsy eken’ny saiko mihitsy satria tsy nitolona nefa tonga dia lasa ct
    tandremo fa ny MATITA efa tsy association intsony a! sao dia mba hampisy disadisa amin’i Pdt Aina eo nareo! izay fa izay tonga soa ihany no arabaina

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *