Aza misahirana mihitsy ianareo miaramila, polisy na zandary haka ahy aty fa izaho no ho avy any hoy ny filoha Ravalomanana.

Magro 21 sept 11 (17)

 

Dikan-teny malalaka ny antso mivantana  ny filoha Marc RAVALOMANANA, 22 septambra 2011.

Miresaka aminareo mivantana avy aty Afrika Atsimo aho.Misaotra an’Andriamanitra isika raha afaka milaza ny hevitsika ankahalahana sy  tena manao ampamoaka toy ny nataon’ny « prezida profesora Zafy Albert » teo. Misaotra azy koa aho mijoro amin’ny fahamarinana ary milaza ny zavatra misy marina mba hafahan’ny vahoaka Malagasy misafidy sy mandinika tsara.

Amin’izao miresaka aminareo izao aho dia ao anatin’ny fivoriana nefa afaka miresaka aminareo ihany mba hampangina sy hilazana ny vahoaka malagasy fa dia tena manaonao foana ary mahamenatra ireo tsy ara-dalana ireo, ampian’ireo miaramila manohana azy, izay vitsy an’isa ; mahamenatra dia tena mahamenatra satria mila mahafantatra izay tokony atao aloha, tokony mahafantatra tsara ny dingana hatongavana , ny antony dia tsotra. Misy resaka “protocole” io ary raha ohatra ianareo te hahalala ny momba izany ianareo dia antsoy ny ambasadaoro Afrikana Tatsimo. Tsy misy mihitsy fomba afahanareo hakaty fa dia “intimidation” ho any ny vahoaka fotsiny ary ny maro an’isa miandry ny fahatongavako ary tena ho avy aho tena hijoro. Fa tsy izay zavatra ketrehina etsy sy eroa no hampatahotra fa aza matahotra izany ianareo fa mahalala ny zavatra atao koa izahay aty ary mivory miaraka amin’ireo Afrikana Tatsimo ato aho fa tsy misy any izany re olona a. Aza mino an’izany ianareo hoe ho avy aty izany, asaivo miantso ny ambasadoro izy ireo ary efa fantatra amin’izao fotoana izao iza no nanao an’ io, fantatr’izy ireo aty nefa nanao sonia, mahamenatra ary afa-baraka ilay vahoaka raha izany no fandehana ny olona nanao sonia ary tsy vao indray mandeha fa matetika. Tsy ireo no tompon’ny fitaovana sy ny aiko. Aza makaty fa izaho no ho avy any. Tsy ho ela aho diatonga. Tamin’ireny mandat d’arrêt ireny dia nanatitatra ny Vondrona Eoropeana  hoe mba  olona misaina sy mahalala ny tokony ataony ve ary mahavita ve ireo olona ireo, dia mifona aho eto anetrehanareo fa ny fandriampahalemenana any aza tsy vitany ka ho aty ve ? Ary nanamafy ireo fa tsy hahazo fakatoavana mihitsy ireo raha tsy manomboaka tsara ny tetezamita tena marina ka izao no teniko amin’ny vahoaka malagasy araho tsara ny tenin’ny filoha Zafy Albert ary efa misy fitoriana nampetrany any ary hamafisoko izany dia ho hitan’ny havany eo iza no nanao izao na izao. Gisa mangalan-ketsa, izy nanao indray no avo vava. Aza manahy amin’ireny fa misaotra anareo mitsinjo sy miantso ahy aty fa ny “enquête indépendante” efa mandroso hahitana hoe iza no tena mpanongam-panjakana sy ireo nanohana izy. Ao anaty ny fandaminana isika no nisy ireny didy ireo, ianao no maika handeha any amin’ny tany izay mahamaika anao any ka dia mampitahotra ny olona rehetra. Mahafatatra tsara ny Afrikana, ny Eoropeana sy ny Amerikana fa tsy azo antokisana, mora mivadika ary raha mandeha ny fivoriana aty dia izao no teny aty : fa ahoana loatra ny firenenareo no sendra ny olona tsy nahalala ny tokony ataony sy tsy mahita ny lalana alehany dia hoy aho hoe fangalarana fahefana ka dia tsy mahagaga izany. Hampahery anareo no hiresako androany sy ny vahoaka malagasy rehetra, aza matahotra ianareo, mahafantatra ny ataonay izahay aty ary tsy izaho irery fa miaraka amin’ny firenena Sadc sy ny firenena afrikana. Zao lazaina amin’ireo maniry ho aty, tsy maintsy mandalo amin’ny ambasadora ny Sud afrika, ny UA ary avy eo ny NU, dia azo atao ve izany sa tsia, tsy misomonga aho miteny fa ho avy any aho, mijaly ny vahoaka sy ny fireneko ka malahelo loatra aho. Misaotra ry vahoaka mihahiahy ary ao anatin’ny fivoriana aza dia mila makahery sy manala ny tebitebinareo be loatra satria dia ampitahorina hatrany ilay vahoaka. Zay no afarako ary hoe vy tsy ho ela tena tsy ho ela mihitsy. Fotoana manahirana izao ho any ny vahoaka ary efa hatao ny rehetra hivoahana mbola misy manondrana ihany ny sasany, fantatra ny nanome baiko, ny hanatanteraka ka hoy zareo aty hoe inona no atao dia ho aho eo efa vonona aho hiverina fa aza misahirana ianareo ary hizaka ny zavatra misy any ka ho avy aho.

 

14 pensées sur “Aza misahirana mihitsy ianareo miaramila, polisy na zandary haka ahy aty fa izaho no ho avy any hoy ny filoha Ravalomanana.”

  1. Henon’ny lava-tsofin’i foza tsara angamba izay !!!!!!
    Ho ela velona i dada e!!!!!!! izany ny anay fa tsy soavaly maty efa MANTSINA! voky loto hatsany @
    hatedoha!!! faly be aho ry dada fa hainao mihintsy ny namaly azy!!!!!!izay no tsy ahafoizako anao!! sady maneso no manindrona
    fa kosa @ RARINY! mety tsara ny fanazavanao ry dada malala!!!
    Tsy mahay manaja tena rehefa voky TAIMBORAKA any !azon’i dada t@ FARATONY mihintsy izay!!!!TIKO BE DADA!!!!!!!!

  2. vovon’amboa ny an’ireo e!tsy hery fa tahotra,mampalahelo le fomba fisainana saingy tsy atao mahagaga satria sambany nahazo fahefana ka manao zay saim-patatra fotsiny,ataony toy ny tokatranony angaha i madagasikara ka hoe oy a oy!manao sonia fahatany fa tsy hay avy hoe inona no engagement entin’izany sonia izany sy ny hoe inona moa lay nosoniavina teo.za manokana de manantena ary miandrandra fa ho rava tsy ho ela io fanjakan’ny baroa io,miara-mitolona amin’ny maro aho mba hialan’i madagasikara amin’izao rahona mainty manarona azy izao.

  3. Aleo iry ireo ho any Afrika Atsimo hisambontra an’i Dada fa isika miandry eny Ivato mitsena an’i Dada e!
    Tena any amin’ny fitombenana no misaina, f’angaha izy ity firenena tantanana jiolahimboto ohatran’ny an’i richard bombe be panda ka azo idikidirampotsiny sahala amin’zany. Milaza fa mpahay lalàna nefa hay tena AOTRA – ZERO BORIBORY.
    Sambory aloha ny mpanondrana bois de rose sy ny mpanao kidnaping ary ny dahalo e! zay vao miresaka hisambotra an’i Dada

  4. Fitondrana tena vendrana, tena mahamenatra mihintsy ity eto Dago ity ka!
    Dia tena manao ny malagasy ho « tsinontsinona, badrahodra, tsy misy fahalalàna!! Tena manambany antsika ry vahoaka malagasy manontolo a!!!!
    Mbola ny fombam-jiolahimboto hatrany!
    Dia heverin-drizareo ho tsy mahalala ny satan’ny diplomatie ny ankabezan’ny malagasy, hany ka hanaovany vono-vorona.
    Ô ry vahoaka…?? AV7 a! mba tongava saina e!!!!
    Mamono-lolo amin’ny fampiratina hery.
    Dia tena lany henatra sy mandady amin’ny tany mihintsy ny toe-tsain’ireo! Tena lany fanahy tanteraka.
    AVELAO NY PRESIDENT-NAY RAVALOMANANa HODY! DIA ALEO HIFAMPITANA AMIN’NY FIFIDIANANA MARINA SY MADIO ISIKA E!!!
    Saina sy fahendrena ampiasaina fa tsy ny hery famoretana hanasaronan-keloka!! eisy e!!!

  5. Efa fantany ny ho valin’ilay fifidianana ka izany no hanaovany amboletra fa hatao izao
    dia izao dia ny mbola tsy eo i DADA hi!hi!hi!!!!efa fantany fa tsy hisy hifidy jiolahy eo
    fantany tsara ny RATSY VITANY nefa dia HATAO ihany.Tsy misy olona hankahala azy fotsiny eo raha tsy misy ny antony,
    nefa inona no mba ezaka nataony efa ho 3 taona izao ????vao maika MIVANDRAVANDRA MAPITAHOTRA.
    rehefa tonga ny hiraka dia mody manao mampalahelo,dia izay koa dia tsy misy mba mijoro fa CINEMA ireny,dia ahoana
    no mbola hanekena fa mbola i domelina no ho filoha ??????dia tsy maintsy novitaina koa ilay sonia fa raha tsy izany dia » ho
    samborina i dada raha vao tonga eo  » dia manaiky ny rehetra !!! mahazendana!!!! dia io izy mbola miseho ho milay io e!!!! mbola
    izy no filoha koh!!!! Raprezy!!!!mampalahelo ilay izy ry Neninoro nefa ha atao ahoana ???izay no maha domelina an’i domelina!!!
    kapoakany tsara ny tetika ratsy rehetra mba hibodoana io toerana nangalarina tsy zakan’i tsenany akory anefa, fa tsy maninona!
    tsy fahaizana tsy fahamatorana tsy fahatsorana 0 boribory …………tsy voatanisa

  6. Marina ny anao neninoro fa ny saina sy ny fahendrena hampiasaina fa tsy sandry na basy , amiko io fitondrana io dia tsy misy olona na iray aza manam-pahaizana fa « basy » no ananany dia iny no heriny , mampalahelo o

  7. Tsy hoe tonga lafatra akory ravalo t@ teo @ fitondrana, za tsy de mmba olon be fahatany @ fo , fa tsaraiko @ zavatra nataony ny olona iray.
    nisy tys nety kley nataony Ravalo fa aleoko lavitra izy toy izay I foza orana, raha tafaverina eo Ravalo zay vao tena ho paradisa eto, tsy hanao ny tsy mety intsony izy.
    Ny mampalahelo ahy indrindra de ny fananany nosombain’ ireto tsy mataho tody be fialonana ireto.
    Zahay eto Antsirabe aloha de mbola hifidy foana andravalo e!

  8. I domelina izao dia handeha hiteny hoe:tsy ilaintsika ny fankatoavana rehefa tafaverina any satria toa nahazo tehamaina indray tany new-york.Sady mino aho fa nangataka ny hamoahana ny « robinet » dia tsy nahazo valiny.Rehefa tonga dia pepona na asaina miala, na atsangana ny governemanta sy ny parlemanta vaovao.

  9. Efa naheno na nahita ve ianareo vahoaka mitaky ny hijanonaí domelina amin´ny fitondrana,

    efa nisy manifestation ve na olona nametaka petan-drindrina sy banderole fa mitaky ny foza hijanona.
    misy vahoka ve nilaza hoe ; Vive Rajoelina hatraminízay nagalarany fitondrana izao.
    Olona noterena na vahoaka novidiana no misy olona sy vahoaka voakarama hanohana azy ireo.

    fa izao, i domelina, lasa nanaiga any New York anie, ka ny andro nialana teto amin´ny firenena, io andro io efa lasa nody daholo ny filoham-pirenena nivory.

    fihaonana aminí sarkozy no tena diany fa tsy handeha hivory izany,
    fa entina mandresy lahatra antsika vahoaka indray izao hoe nahazo reconnaissance, efa ekenízao tontolo izao ny tenany.

    bitro lavanify mpandainga ve tsy fantatrareo?

  10. Nifanohitra ity no nitranga ray olona fa toa namoaka gadra fa tsy nampiditra?????
    tsy vazivazy anie io ray olona fa efa lasa any Afrika atsimo anie hono ireo olona
    hiraka hanambotra an’i dada e! fa visa mpizahan-tany no nandehanany any,comando daholo hono izy ireo.
    Voapotsitra mafy any Amerika any angaha i domelina dia nikoropaka namoaka ireo Gadra politika fa tsy izy
    rehetra kosa aloha.

  11. zavatra tsara notenen’ny ra8 aloha dia hoe: « Misaotra an’Andriamanitra isika raha afaka milaza ny hevitsika ankahalahana » satria tsy mba nisy an’izany tam androny ra8 fa raha mba mahasahy miteny izany gadraina.
    « tsy misomonga aho miteny fa ho avy any aho »,tsy efa leo an’izany ve nareo e, isan’andro hoavy..hoavy aho..nefa tsy sahy akory fa te hanao sorona anareo fotsiny, te hanadio tena amin’ny ratsy vita, dia ianareo ireo no ataony fitaovana indray. tongava saina fa mahaontsa ahy ianareo.

  12. Manaintaina be angaha ilay filazana ny fiavian’ny dadanay ??? izay mihintsy no
    hanaovanay hirahira azy!!!! mba hampiorooro anareo !!!! fanainiana mihintsy kah!
    Tanora a! tadidio fa voafitaka ianao koa any @ izay namitaka anao manala azy fa vao maika anie ianao
    manome tohatra hiakaran’i dadanay satria  » sa,batra hono izay henjeana noho ny FAHAMARINANA ».
    Aza manome vahana ny devoly toy izao na dia KARAMA aza izao famahanan-dalitra hataonao izao mba
    asivo fetrany ihany !efa ampy anao angamba ny fanohananao ny foza nefa inona no VOKANY IZAO??????
    dia mijereva fitaratra JEREO FA FENO FANKAHALANA @ tsy marina ao aminao,ary MANDAINGA ianao!!!
    ny fanaratsianao an’i dadanay dia vao maika MAMY BE !!! ary izahay mahalala ny rariny sy ny MARINA ka
    reraka eo ianao !! nefa vola ny anao ka tsy maninona fa HARATSIO DADA FA IZAY nO nanaramana anao
    toy ny nanaramana anao hanongana azy dia eo no mody GISA fa voan’i domelina t@ KELY FOANA.

  13. Ranavalona a, zava-marina no resahiko, mba teneno hoe raha misy diso no noresahiko,
    tsy manohana ny FAT aho fa manohana ny tolom-bahoaka, ary tsy voavidy n’iza ny hevitro, raha i ra8 manome vola ahy dia tena raisoko satria adala tompo, fa tsy ho afaka ato an-tsaiko velively ny olona maty sy nigadra noho ny fiarovana seza sy volabe.
    tadidin’ny Ranaval ve ny volabe nomen’ra8 ny FFKM tamzany,dia milaza ve ianao fa voavidin’ny ra8 ny Kristianina.ary ilay automobile nomena an Pety dia tsy noraisiny, menatra ra8 tam’iny o. satria ny olona rehetra dia tsy voavidy fa mba manana ny hasiny na dia foza aza. sokafy ny maso dia aza fanatika be loatra

  14. Tsy nandray petinao satria @ alatr’omby indray alina dia efa mahazo ilay tomabila izy.
    Voadakan’i domelina ianao fa vitany ny nilany anao dia  » HADINONY INAO oeeeee!!!!
    Dia firy nyolona MATINAO sy domelina ?ary firy no MATY t@ andron’i dada???i dada anie tsy nila sorona fa ny
    franc-macon naniraka anareo hanilika an’i dada no mila sorona e!! ianao ihany no nilaza ny tsy hanontaniana fa
    nanongana an’i dada niaraka t@ ireo orange voavidy dimiarivo ar nefa aiza izao koa ilay lehibean’i FAVORI ary?
    tsy irery oah ianao fa aza malahelo! Diso be ianao ry TANORA a! tsy momba an’i domelina ary ianao koa maninona
    no dadanay ihany no hasianao sira nefa iza nanao ratsy teto ambonin’i tany ohatra an’i domelina?????? iza ????
    dia aiza izay mba vita ???? efa tsy voatanisa ny ratsy,ny dadanay tsy tiafin-dalitra foana no lotoina !!! soa fa rano
    potaka indray mitete manondraka ny ony ny anao sy TGV!!!!!aiza moa ianao no ho tafavoaka koa i pety no mba
    modelinao sy TGV!!!! efa fantatra hoe izy ianareo !!!! samy mandeha samy mitady e!! dia ho hita eo !!!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *