Fanjakan’ny dahalo izao FAT izao hoy Raveloson Constant

Magro 29 sept 11 (6)

Tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon-dRaveloson Constant no nanambarany fa  raha sitrapon’ny tompony dia hatao toerana manana tantara ity kianjan’ny Magro ity, hoy izy, satria ity no kianjan’ny demokrasia noho ny fanakendana ny vahoaka. Mihetsi-jaza isika izao, hoy izy,  ary ianareo FAT miverena eto ambonin’ny tany fa sady efa tsy tafa ilay TGV, ilay sambo koa aza milingilingy, ho mpamily Boeing izany ianareo ary ho mafy ny fihanjerana .
Fanjakan’ny dahalo izao FAT izao hoy Raveloson Constant, tsy misy manana fitoavam-piadina maro tahaka izao ny dahalo hatrizay. Tsy mbola voavingavinga tahaka izao ny fanjakana iray . Mifamono ny olona eran’ny tanana noho ny zavatra tsy misy dikany, fanjakana sy firenena aiza no misy an’izany ? Tsy misy fitokonana maro tahaka tamin’ny andron’i Andry Rajoelina .Manaiky hono na ny Firenena Mikambana (NU)  na ny Vondrona Eoropeana (EU)  hanampy ara-bola sy ara-pitaovana ny fifidianana, eny manampy ireo raha fifidianana azo itokisana, iarahanan’ny rehetra ary crédible.  Rehefa rava ny fanjakana mpisoliky, mivoaka ny gadra politika, tsy misy fanenjehana intsony dia hisy ilay fankatoavana iraisam-pirenena hoy izy.

Nanipy teny hoan’ny Ratsirahonana ihany koa I Constant : “ raha mbola iny rangahy be tsy manaja ny volony fotsy iny no mampivorivory olona dia tsy hisy ilay fankatoavana iraisam-pirenena hoy izy.

Ny dingana manaraka indray hoy izy dia  ny fihaonanareo 4 miaralahy hoy hatrany ny tenany.

5 pensées sur “Fanjakan’ny dahalo izao FAT izao hoy Raveloson Constant”

  1. Izany ka olona !! misy hazondamosina fa tsy MISOLELAKA toy ny FOZA!!
    Ataovy henon’ny lavatsofin’ny foza tsara fa toa mitady hinankendry!!!!

    Aza mba tapoany ihany!! RAPREZY hono hi! hi! hi!!!!!!!
    mafy rehefa vendrana tompoko!!!tsy mbola nisy fanjakan’i dahalo toy izao teto.
    Olona mitondra LAPOASY mihintsy ireo ! tena mitondra vitan-dratsy ho an’i firenena.
    Fongory! fongory ! fongory!!!!!!foza maimbo! mantsina! RATSY VINTANA!

  2. Izany mihitsy ange no tolona natao tam 2009 ry Constant e, afaka maneho hevitra sy mitokona daholo fa tsy misy sakatsakana hoatran’ny tam ra8, hoe tsy maintsy Tim fanabeazana, na Tim fahasalamana dia izay maneho hevitra dia gadraina na voaroaka.
    Mipoitra daholo ny afera rehetra amin’izao satria malalaka ny fitoriana sy ny radio sy tele, io affaire BDR Io ange tena nande be tam ra8 e, fa tsy afaka miteny ny olona tam zany satria natahotra ny Andrimanitra Ra8. porofo mivaingana ireny BDR marobe nafenina sy tratra tam tranony ra8 teny Ambohimalaza ireny, indrindra moa fa ny gitara nomen’ny mme Obama an’i mme sarko izay BDR antsokosoko ny Madagasikara tam 2008 izay mbola ny Mpajaka dada8 no patron ny Madagasikara.

  3. O ry tanora a! aza mijapy eo fa: aiza izay fahafahana miteny lazainao eo???
    Nahoana no noterena ihidy sy hidina ao amin’ny Magro ny olona?? Nahoana no norobaina sy nidina ny radio Fahazavàna?? Nahoana no tsy misy onjam-peo mahazo miasa raha manohitra ny dj-nao?? Azo hatramin’ny ela anie ny paika e! mba ilazanareo fa mandeh daholo ny zavatra rehetra!?? Nefa famoretana, sy herisetra no hain’ny tohananao

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *