GMMR : « Groupement Mpamadika an’i Marc Ravalomanana »

G M M R 05 sept 11  (9)

Tsy ilay zava-pisotro misy PM sy GM no resaka fa ry zanak’anabavy nandefona ivoho.Ratsy  tarehy mangata-bady ka ny anaran-dRay no enti-mangataka.Hanao sonia ilay « tondro-zotra », hono, ny tariky Mémé (“Groupement Mpamadika an’i Marc Ravalomanana na GMmr”).Mba finiavana tsara tokoa aloha ny namoronana anarana vaovao, tsy toy ny nataon’ny « vakitampona » izay ny anaran’ny antoko noforon’ny filoha Ravalomanana no nampiasaina, fa ny mampalahelo dia ny fampiasana ny anaran-dRavalomanana amin’ity vondrona ity . « Raha mba manakambo dia tokony ny anaran-d Rakotoarisoa no nampiasaina » hoy ny tetsy amin’ny Magro fa tsy ny anaran’i Dada .

 

Maro ny milaza fa tetika avy etsy Ambohitsirohitra ity paik’ady vaovaon-ndRy Mémé sy Raharisaina ary Riana ity.Hanao sonia tonjo-zotra an-jambany, manaotao foana tokoa rehefa lasa minisitra, minia mikipy fa  mahazo seza sy tombontsoa ary satry ho eo akaikin’ny volabe sy voninahitra hatrany hatrany.

20 pensées sur “GMMR : « Groupement Mpamadika an’i Marc Ravalomanana »”

  1. Ataoko fa misy havan’ilay tsy vanona io ato mba mamaky ny resaka mandeha rehetra : ataoko angamba fa efa samy mahalala daholo fa ireo Gmmr izany hoe ireo « JODASY » rehetra dia tsy maintsy haza voalohany nohon’i domelina , ny fiomanana atao betsaka fa kely sisa e

  2. inona moa izany fa irreo ao anaty arato ireo daholo ny amalom-bandana,

    efa hay tsara izao ny manavaka ny vary sy ny ahin-draty.

    Ndryyyyy!!! dia ho aiza hono zareo rehetra ireo raha tafaverina amin´ny toerany i dada.

    Toa kely saina sy maivan-doha daholo.

    Asa raha nahatsikaritra isika ,fa t@ fatiní nadine ramaroson, anie ka ireo TIM Jodasy mpamadika ireo no tena loha laharana, nanatrika ny faty tany toamasina, no nikarakara tahakan-dry mémé nilanja ny vatam-paty.

    tena manompo foza mafy sy misolelaka maka 19 ,fa sao tsy mahazo vola na very seza eo.

    Ny namadihana ny antokoní dada izany izao, aleo manompo lasa andevon´ny foza.

    ha! ha! ha!,

    tsy menatra ,maivan-doa matim-bola daholo ka tsy mahatakatra ny tokony hatao sy ny ampitso

  3. Azo toriana fa mampiasa ny anarana tsy nahazo alalana akory te hanao fifangaroana sy fisavorovoana TORIO FA MANAONAO FOANA!

  4. Izao no natao mba hanakonakonana ny foza raha tsy arakareo!
    Dia amin’izay variana @’ireo indray ny olona dia hadino ny foza
    IRINGIRINY,ary ireo no ho TRATRA FARANY eo fa ny foza efa miala tsikelikely ary ambadika ihany koa,
    ireo ilay basin’arifito no tena izy, tsy tian’i foza fa mangalatra ny sezany ,dia ny vahoaka moa dia efa
    miaoka andry zareo rahateo,dia ho hitany havany eo ireo ! ireo izao no hatao fitaovana koa inona moa??
    Ary tsy maintsy ireo no hiangonan’ny riatra.Ireo izany ilay tena FANETRY BE lavitra ,domelina noho i
    domelina.

  5. Misimisy kosa izany a! sao dia mbola misy te mbola handeha fa manimba ny tolona fotsiny??
    Mandehana daholo izay tsy tamana dia mahereza @ ratsy rehetra kotrehinareo any ry ilay
    tsy mataho-tody isany a! tsy misy fankatoavana eo na hitrotrongy @ tany (ny fitombenana no ambony ) aza ianareo
    ireo fa manan-tena TAITSOKONA hoy ny zanak’i dada.
    Ho tsarain’ny tantara ianareo ary tsy HAMPIHETRY ny dadanay velively ny FAMADIANAREO azy fa vao maika aza
    HERY sy FAHASOAVANA be dia be hirotsaka aminy noho ny tsy RARINY nataonareo azy. Fa kosa ho avy aminareo
    ny tsy mety tompoko o! efa fantatra ny NIAFARAN’I JODASY e!NAMATOTENA!
    Mahasoava @ halahelom-bahoaka e!

  6. Tsy azon-dry zareo atao ny mampiasa anaran’olona toy izao, rahatoa ka tsy nahazo fanomezan-dalàna avy amin’ilay tompon’anarana !
    Afaka mitory ny Président Ravalomanana, satria dia fisolokina no dikan’izao !
    Soatoavina malagasy ve izao fisandohana izao ?

  7. Miarahaba,

    Olona tsy manana azondamosina, ohatran’ny alika kely antsipazana taolana kely na/sy sezan’ny mpiandry ministera dia manary voninahitra, tsy mahatsapa henatra sy fahafahambaraka hanaraka azy sy ny ankohonany…..

    Ny tena gravy dia ny fiheveran’ireo fa dondrona toa azy ny vahoaka Malagasy sy ny vahiny mpanelanelana sy mpamatsy vola ka tsy maharaka ny fanodikodinana ny sainy ataon’ny patron-any Ratsirahonana sy ny reny malalany lafrantsa. Ny hany mba takatrin’ny sain’ireo mako , satria ny famafana ao antsain’ny vahoaka Malagasy ny Anarana Marc Ravalomanana, ny Asa Vitany ho an’ny Firenena Malagasy hatr’izay toin’ny fanoronana ny orinasa TIKO, dia ny tetika « fitia »/gmmr !!!!

    Eisy eeeee! Inona re ny fiteny azy re : tsy hoe kely saina ?

    Kely saina, zaza aina ? Fa inona moa ny efa fanambarana nataon’i Tomas Salomao (The executive secretary of the Southern African Development Community (SADC)) 8 Septembre 2009 fa tsy izao :

    « The mediators did not go to Madagascar, Maputo, Addis Ababa, New York and Paris just for tourism ». « This whole process has intellectual and financial costs, and costs in time which could have been used for other important things, but which was used to bring the Madagascar parties to Maputo ». »We started from the principle that we are dealing with people who, when they sign documents and give undertakings, are mature, adult and responsible ».

    Ka hay tsy ireo noresahany tamin’izany ihany no « mametrapetram-poana sonia etsy sy eroa, tsy matotra, zaza-tsy vory saina, sy mahatsapa andraikitra » fa ny zatra nialokaloka , nihaingo ambony tsokoko, nivelona tao andamosin’ny Filoha voafidy Marc Ravalomanana koa? Dia ireo tsy menatra mampiasa ny ANARANY ireo e !

    Kitana

  8. loza sady ny tena no menatra maita anzao fihetsika izao!!!tsy tahotra tsy henatra (izan oe ny foza rehetra mo efa lany henatra dôl hono ka na i mialy radomelina ar tsy menatry ny hiboriadana mandd eny andalana ouz ilay ranamana izay) ka dia ny anaran’dada no entina iseo²na sa ve oe rehefa misy anaran’dada d oe hanaraka anzareo ny oul? ny kentrina sy ny tsy misaina lavitra noho ny ambany toa anzareo foza retra no manao fisainana toy izao!!! aleo marina hivôka dôl avany andavaka any ny foza rehetra sad efa mitsikafina tsikel² dôl ny maloto @zao miandry kel alo i dada mijer ze maloto mbol hivoka fa efa itapoko itampirenena dôl zao

  9. Ary vondrabondraka daholo izy izany a! ny TAPIKANDRINA sy ny TAKOLAK’I Mėmė
    efa mitovy ny FIBONTSINY,ny tapon-doha miavosa ,ny takolaka mitarozaka! VOKY e!
    Voky ny karaman’ireo mpisa !4- bolana be izao ny mpiasa tsy nahazo karama! natavitavy mihintsy mėmė!
    Dia tsy nisy ve iray t@’ireo BOLOKY kely fisainana ireo mba nahatsapa fa tsy azo hatao ny mampiasa ny
    anaran’olona fahatany toy izao??????dia hanaparan’i domelina ny maha DOMELINA azy dia manaraka
    koa ny alika fa notsipazana taolana.Dia hita mihintsy fa Hatao fitaovana MALOTO no NIVIDIANAN’i
    foza azy ireo fa tsy mendrika ny fahaizany sy ny mba fahalalana mba azony taty @’i DADA ny zavatra mba
    hampanaovina azy dia HATAO IHANY!!hatao satria SAOSY io!

  10. Tena sahy ihany ireto mpamadika an’i PFREZIDA RAVALOMANANA ireto marina mafy, tena inona marina aza ny tena « CLEF  » any ry zalahy ireto, dikanizao zany dia woe: manaiky an’i TGV koa zany i PREZIDA RAVALOMANANA fa aminy endrika afakely( STYLE INDIRECT) araka ilay fiteniny mena sofina. Ilay fitondràna ny anaran’i RAVALOMANANA aloha dia milaza fa tsy manana ny maha izy azy ry zareo ireto no sady tsy manana hazon-damosina, zao zany ilay hoe: mihidin-droa, ny antsasany PREZIDA RAVALOMANANA, ny antsasany TGV, sao dia manantena aza hoe:rehefa tsy mahavoa atsy aminy TGV dia mahavoa atsy aminy PREZIDA RAVALOMANANA, aiza no tsy ahafantaran’ny olona anareo ireo é na hitsoaka aiza aza.Ny ahy tsotra ihany ny teniko aminareo misalotra ny anarany i PREZIDA RAVALOMANANA ireo:MBA MENATRA E, MAHANANA HAZON-DAMOSINA, MAHANANA indrindraindrindra ambo fa hiomezan’ny olona, sanatriavina woa hianareo mitovy aminireny olona miboridana tsy mahalala menatra ireny, ity Mémé ity moa dia mbola mivanitika ihany i leiry nefa efa tsy hasian’ny olona maodiny intsony, torakizany koa ity rangahy eo akaikiny Mémé mangol manao solomaso mitovy aminy « SINOA » voky sira ity(MPIANGONA ao aminy KATEDRALY ANALAKELY ITY), tsy hita nivavaka tao intsony i leiry fa matahotra sao dia vita matavy tratry ny olona( aiza no tsy ahitan’ny olona anao é) ary farany mitandrema ihany hianareo mpamadika ireo fa efa kely sisa ny mombanareo ireo.

  11. Tena sahy ihany ireto mpamadika an’i PFREZIDA RAVALOMANANA ireto marina mafy, tena inona marina aza ny tena « CLEF  » any ry zalahy ireto, dikanizao zany dia woe: manaiky an’i TGV koa zany i PREZIDA RAVALOMANANA fa aminy endrika afakely( STYLE INDIRECT) araka ilay fiteniny mena sofina. Ilay fitondràna ny anaran’i RAVALOMANANA aloha dia milaza fa tsy manana ny maha izy azy ry zareo ireto no sady tsy manana hazon-damosina, zao zany ilay hoe: mihidin-droa, ny antsasany PREZIDA RAVALOMANANA, ny antsasany TGV, sao dia manantena aza hoe:rehefa tsy mahavoa atsy aminy TGV dia mahavoa atsy aminy PREZIDA RAVALOMANANA, aiza no tsy ahafantaran’ny olona anareo ireo é na hitsoaka aiza aza.Ny ahy tsotra ihany ny teniko aminareo misalotra ny anarany i PREZIDA RAVALOMANANA ireo:MBA MENATRA E, MAHANANA HAZON-DAMOSINA, MAHANANA indrindraindrindra ambo fa hiomezan’ny olona, sanatriavina woa hianareo mitovy aminireny olona miboridana tsy mahalala menatra ireny, ity Mémé ity moa dia mbola mivanitika ihany i leiry nefa efa tsy hasian’ny olona maodiny intsony, torakizany koa ity rangahy eo akaikiny Mémé mangol manao solomaso mitovy aminy « SINOA » voky sira ity(MPIANGONA ao aminy KATEDRALY ANALAKELY ITY), tsy hita nivavaka tao intsony i leiry fa matahotra sao dia vita matavy tratry ny olona( aiza no tsy ahitan’ny olona anao é) ary farany mitandrema ihany hianareo mpamadika ireo fa efa kely sisa ny mombanareo ireo.

    Misy HAKAMANTATRA kely ity ka izay mahay dia omeo ny VALINY?

    Misy karazany firy aza ny « FOZA »? dia iza aminireo FOZA ireo no hametrahana an’i Mémé Mangol sy ny tariny

  12. Aleo ihany misabaka eo ireo vendrana ireo fa rehefa tratran’ny tsofa ny elakelany dia rovitra ka hizara roa. Dia vita eo ny amin’ireo.

  13. mampalahelo raha tahaka ireo daholo ny akama!tsy mena mivadika,ary de lany henatra ka mbola mampiasa ny etiquette n-ny sasany ihany,mba manàna hambo hoe rehefa tsy hiaraka amin’ny mpitolona mitaky ny fiverenan-dRavalo de manangana antoko hafa na anarana hafa e!tena tsy azoko mihitsy izy ireto,tsy tia fotsy nefa mihinan-dronono,mankato an-dra8 kanefa mandika ny teniny?fohy fisainana loatra,tsisy hazon-damosina,TSY MENA MIVADIKA.

  14. Ka io anarana VOLAMENA io no nividianana ireo ry fanatika a! raha vao miala io dia vita ny
    @’ireo koa ho soloina hoy ianao?? fa ny tena loza dia mbola tsy azo ihany ilay zavatra?????
    ilay fifankatoavana e! dia mitonantonana ! ataon’i domelina ohatry ny alika sisa fa efa nandray ny saosiny,dia izao no mba
    hiafarana ,tsy efa nasainy nilelaka ny kirarony koa izao ireo???tsy maintsy satria efa an’azy ,efa nanaiky azy.
    Eh! ny an’i dada ho vita ihany fa ny mba hiafaran’ireo no tsy mba noheverina dia ny mialoha ve????Dia mahasahy miseo
    masoandro ve ry zareo ireo e! dia mba inona anefa ny vokatr’ilay fisitahana ankoatra ny mbola vao maika manampy trotraka
    ny ratsy vitan’ny foza??Mpitaty ra-kena e!

  15. Miarahaba,

    Fanambarana fohifohy :

    APENJIKY 06-SEPT-2011 : RAVATOMANGA ROLAND

    « Tsy nahazo alalana avy amin’ny Filoha Ravalomanana ny GMMR. Tsy manaiky ny fampiasana ny anaran’ny Filoha Ravalomanana ny Mpitarika ao Bel Air. Tsy misy fifandraisana amin’Atoa Fetison Rakoto Andrianirina ihany koa ny mpitarika ao Bel Air »
    Lolot Ratsimba – Tiana Maharavo

    Ka dia atao daholo izay mba takatrin’ny saina hahazahoana seza kely e !

    – nanao fanambarana satria hoe « miteny amin’ny maha solo-tena ary lohan’ny « mouvance Ravalomanana » raha vao nivoaka ny fivoriana tao Carlton Hotel(Fetison Rakoto Andrianirina) , fa hehehe !!!
    – netina ny hoe « indreto izahay mouvance Ravalomanana » (nahazahoana seza mora ao amin’ny kaogiresy reraka)fa hehehe !!!
    – ampiasaina mihintsy indray ny anarana « Marc Ravalomanana » (FMMR =fikambanan’ny mpamadika….)mba hampateza ireo seza mora azo fa heheeeee !

    – rahampitso dia hamoaka olona nanaovana chirurgie esthetique tanteraka hitovy amin’ny Filoha Marc Ravalomanana, ka hotronona sy hiarahana amin’ny fotoana fanaovantsonia – hihihiiii!!!

    Izany ka takitika avo lenta nianaran’ireo taranakin’ny tsy mifady fanonganampanjakana sy ny botokeliny toy ry Norbert Lala Ratsrahonana an !

    Kitana

  16. « Tsy ampy ketsa mivezivezy ,very ondry manara-morona  » fa ny an’ireto dia
    FANANDEVOZAN’i domelina no dikany,ataon’i volan’i domelina miapanampana
    fa tsy mety fay e! Mbola aiza ny hamahanana’i foza maloto an’ireo e! fa angaha homeny maimaim-poana eo
    fotsiny ity volabe NIVIDIANANY an’ireo????dia izao no vokany.
    Mampihomehy ilay voalazanao fa » hamoaka olona hitovy @ dada ry zareo no hiafarany  » nefa tena marina io
    ry Kitana etc …..ary zavatra azo heritreretina mihintsy raha izao fandehan-javatra sy FANAPORETAN’i foza azy
    ireo izao no mitohy.Hataony miakapokapoka etsy sy eroa fa tsy fay e! mbola misy foana aza ny te hanatevin-daharana
    no tena loza anie e! Mafy ity andevozin’ity fitiavam-bola ity ray olona!!!!!

  17. Tena malaza ny Pdt Ravalomanana raha ny anarany aza ampiasain’ny mpamadika azy. Milaza izany fa mbola ho lany izy raha misy fifidianana. Maqtahotra azy ny FAT koa mody mampanangana an’io fikambanan’ny mpamadika io.

  18. Ny tena mampihomehy dia hatao daholo ny fanaratsiana rehetra nefa sady mitady hirika ihany
    hanakakaizana bebe kokoa hatrany an’i dadanay ,fa fantany mantsy fa MAMIM -BAHOAKA
    loatra i dada, TSY MANAN-kambo e! hatsiaka sisa no hitafiana lamba fa tsy henatra intsony oah! dia olona efa noviravirainy
    tery @ Magro no andeha ho HANAOVAKO an’i ilay mamim-bahoaka toy izao?????na dia hatao aza ny hamono heritreritra?
    ataoko fa tsy mety e! Fantany tsara koa anefa ny maha dada an’i dada na dia modian’izy ireo tsy hita aza izany ka mahatonga
    azy manao zavatra tsy am-piheverana toy izao, ny faneren’i domelina tsy mahalala na inona na inona izay momba ny lalana
    koa moa etsy andaniny ,dia izao no vikany, ny vola koa efa noraisina dia tsy maintsy manaiky na dia mifanohitra @ lalana misy
    aza ny fampiasana ny anaran’i dada toy izao .

  19. Misaotra an’Andriamanitra isika fa lasa ireny ny foza kely e! Raha ny ankabeazany aloha dia olona tsy nanana fatokisanan’Andriamanitra ka nanao jodasy, madio ny tanana e! Avelao andeha fat…y any daholo, 100 de perdus 1000 de retrouvés, sa ahoana? Izaho aloha faly eh, faly ary tena faly fa miasa Jesosy ka ireo no isany irak’i satana voaroaka tao rehefa miasa ny vondrom-bavaka e! Mahery ny Jesosy reharehantsika zanaky ny kianja ny finoana e!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *