Hamaha krizy ny fiverenan-dRavalomanana eto.

 

Tamin’ny Kabary nataon’ny solombavambahoaka Zafilahy androany tetsy amin’ny kianjan’ny Magro no nilazany fa  mafy ny fitiavana seza, vola ary voninahitra, jereo hoy izy i Emile Ratefinanahary na i Vazaha, olona tena niady tany Lafrantsa.Ankehitriny anefa lasa  niova tonon-kira ilay namana rehefa tafara-dia tamin’i Naivokely, ny tantara anefa efa ho vita ary ho sarotra ny hiova tampoka satria ho  hitam-bahoaka ny fihetsika ary tsy navelan’ny Tompo hiafinkafina tany ivelany tany fa nasaina niverina an-tanindrazana.

Ny fikambanambe ny Sadc, tsy afaka omena ultimatum hoy hatrany izy, feille de route nasian’i Salamao fanitsiana iray ihany : famitahana vahoaka ary miteny izay tiany tenenina. Mazava ny tenin’ny filoha Ravalomanana fa hamaha krizy ny fiverenany eto. Tsy telina ange ny nametrahana any i Andry ho filoha fa iny no nanararoatin’ny sasany ka dia tonga saina fa tsy lasa intsony i Andry ary tsy handefitra ny Troika ny Sadc.

Nanamafy Zafilahy, amin’ny maha malagasy antsika no hijanonantsika tsy ho eto an-kianja  rahampitso na dia tsy mitovy aza ny firehana satria  isika no hampianatra ary ny mahery tsy mody, tsy ela velona.

7 pensées sur “Hamaha krizy ny fiverenan-dRavalomanana eto.”

  1. Misolelaka ny HAT koa izao i Tantely Andrianarivo.Raha mba fantatrao moa ry tanindrazako malala hoe ny zanakao dia manankalo anao amin’ny vato mafana.

  2. Toa midika FANOPANA ho an’ny fatin’alika anie izany « famahana ny olana izany e! »
    very fihinana izy ireo raha vao mivaha eo ny olana ,hiariary ohatry ny vay an-
    kandrna eo daholo ny ratsy koboniny ,koa tsy hitako izay hidradradradraina izany lava eo fa tsy izany
    velively no hamelan’ireo hidiran’i dada moramora eto.Heverinao fa tsotra sy mahitsy toa anao daholo
    angaha ny olona ry Zafilahy?na ireo mpiara-dia aminao ireo aza misy efa voavidy tsy hankasitraka izany.
    Mampalahelo ahy ianao ry Zafilahy indraindray fa tena diso HENDRY loatra,mino anefa aho fa maro ny
    olona mitovy fijery anao ho @ tsara ka handray ny zavatra tsara rehetra tianao ho hampitaina isanandro eo,
    ary ny finoana hanananao dia mitombona daholo fa saingy tsy mora fa miady mafy koa ny devoly etsy andaniny.

  3. toa hoe: tsy hanao politika intsony i Tantely f’angaha niverina indray ry Bemafohy?
    efa nanifinify angaha ilay saosy koh! aiza ary izany ?anio hafa !rahampitso ahafa!
    izay mahafalifaly ny foko anio dia izay,mijaly sy maharary marina ilay FIRENEKO! fa dia inona loatra re e?
    dia tsy misy fiatadiavam-bola hafa ankoatra ny fanaovana politika maloto intsony ve @’io tanintsika io e??

  4. Hitako tamin’ny midi io zavatra io Ranavalona.Ny tena mampalahelo ahy dia ireny manam-pahaizana sy avara-pianarana malaza, afaka mivelona amin’ny fahaizany dia mivaralila mirefarefa amin’ny tany.Lasa tia vola loatra ohatry ny manampahaizana sasany.Tondrona molotra amin’izao fotoana izao ireo avara-pianarana miaina amin’ny haitaony ka somary eo ho eo ihany raha resaka fananana.Ny zavatra lehibe ankehitriny dia ny fampisehoana ny trano 2 na 3 vita sy ny isan’ny 4 x 4 ananan’ny tena.Rehefa voaroba avy eo dia mikaikaika nefa ianao koa mety nangalatra vao nahavita trano 2 na 3.Ny 4×4 an-dravalomanana dia lasan’i Ramaroson.Ho aiza ihany isika e?

  5. Mampalahelo ilay toe-tsaina fa asa izay hiafarantsika ity ry Bemafohy?
    Dia tsy tahotra tsy henatra anie ity Alin @’ity tomabilin’i dadanay e!mba lehilahy lehibe ny tena
    fa dia manao toetsain’i domelina hoe: « te ho filoha aho  » dia bodoina ilay toerana nefa ny fahaizana tsy ampy,
    tsy misy akory aza.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *