Isika no hanoratra ny tantara !

IMAG0388
Tsy toy ny mahatra fa nihamaro hatrany ny vahoaka tonga nihaino ny kabary tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka tamin’ity Alatsinainy ity.
I Lydia, solontenan’ny vehivavy TIM dia nanambara fa adidin’ny vilany no miharitra ny afo, mila miharitra
isika raha te hahazo sy tonga amin’ny tanjonahoy izy
I Guy Roger  indray dia namaly ilay fanambaran’i Christine Razanamahasoa izay nanambara fahosamborina ny filoha Ravalomanana : ianao Razanamahasoa no ho samborin’ny vahoaka ary
hifampitady isika satria izahay hiaro ny filoha Ravalomanana hatramin’ny farany. Nampahery ny mbola any am-ponja ihany koa i Guy Roger.
Ingahy Ignace indray dia nilaza fa daty sy ora sisa no isaina.Fomba hampitonina ny olony no ataon’ny FAT izao satria ireo olony ireo ihany no ho lasa fahavalony toy ny AV7 hoy hatrany izy.
Tongava eny Anosy fa tsaraina rahampitso ny radion’ny gasy hoy kosa i Manoela.
Mila mivoaka ireo toy izany koa ny gadra politika rehetra. Sonia no vita fa tsy ny tolona hoy hatrany izy.
Mahakasika izay ihany dia nolazain’i Tsianihy fa tsy misy valaka tamin’ny nahazo azy ny nahazo ny radion’ny gasy ka tokony ho afaka madiodio izy ireo. Aoka mba hitsara tsara ianareo mpitsara fa Christine
efa hiala. Aoka tsy handrasana ny tetezamita vaovao ny famoahana ny gadra politika rehetra, iretsy aza gadra navotrotra, nomena toerana mbola mangalatra
ihany hoy ity tokobetelo ity.
I Mektoub dia nilaza fa nangidy tamin’ i Pety ny fanaovana sonia satria nampitondra
faisana azy sy ny fianakaviny ny fitondrana Ravalomanana, fanontaniana ho an’ i Pety
moa ve ny nataon’i Rajoelina tsy nitondra faisana ny hafa ary maro kokoa ?
Isika no hanoratra ny tantara fa tsy atao akademika intsony. Maro ny olona sy miaramila « sud est » novonon’i Pety ary nanaovany fosse commune. T-shirt nisy sary Ravalomanana no tsy nahafaty anay tamin’ny 2002 tany Fianarantsoa. Maro ny olona
nogadrain’i Pety tamin’ny anaran’i Ravalomanana, betsaka ny kamboty sy maty vady nohon’i
Pety, ankoatra izany dia mpangalatra omby sy mpanao vola sandoka i Pety hoy hatrany i Mektoub.
Ny depiote Zafilahy indray dia nanambara fa tena mpitolona io lavo io, olona sahirana kanefa tsy namela ny tolona irery mihitsy.Dingana ny fiverenan’i Ravalomanana fa tsy tanjona satria be loatra ny zavatra simba teto.
Efa tany Aloatra sahady izahay hanazava ny sonia fa lainga ny zavatra hahelin’ny sasany fa tezitra i Guy Maxime sy Zafilahy noho ny sonia ka dia nandao ny
tolona. Lainga izany. Nizara vaovao sy nanentana ben’ny tanana sy vahoaka tany Aloatra izahay.
Tetika fotsiny iny any i Andry iny hoe hanao sonia ny an’ i Simao sy Salomao fa nitifitra lanitra izy, hitazomany ny toerana filoha. Tsy mampatahotra anefa izany satria ny Praiministra no tena miasa ary i Andry efa saribakoly hatramin’zay.
Raha ny faniriko dia tsy andray anjara amin’ny tetezamita aho ary efa niteny an’ io
tamin’i Ravalomanana ary mbola hanamafy fa aleoko mitety an’ i Madagasikara manentana ary
tandremo ry hahazo seza, soa variana amin’ny seza malemy eo ka ho voavidy vola hoy i Zafilahy.

5 pensées sur “Isika no hanoratra ny tantara !”

  1. Aiza ny kabary nataony Tabera azafady o?

    tnisy fotaona hoe aminy 16h30 no mirava satria maro no mody lavitra
    Izao miverina aminy 17 h mahery indray

    Maro no tsy maheno ny kabary farany
    misaotra tsy manadino an’ireo mody lavitra

  2. Ho tahian’Andriamanitra anie ianareo mody lavitra! Misaotra e!
    Rehefa tsy hiditra ao ianao Zafilahy dia mitadiava olona toa anao hisolo anao fa toa
    mampanahy izany ! aza hatao an’izany fa ianao no mpiandry ondry tsara ,ary mbola azo hatokisana
    koa azy hialozanao mandehandeha any aloha! na ianao manao asa 2.Tena mba miangavy Zafilahy a!
    Na dia hanara-maso fotsiny ireo sisa mbola tsy matotra ohatra???

  3. Reny malala a utilisé la manière forte(manu-militari) pour évincer Ravalomanana.Un choix tactique qu’elle n’utiliserait pas chez elle pour éjecter son président.Osons lui faire comprendre qu’elle ne fait pas la loi chez nous en lui promettant que MR retrouvera le chemin d’ambohitsirohitra et en faisant pression sur TGV pour qu’il applique la FDR.Sinon, l’option militaire évoquée par le vice-ministre sud-africain serait à envisager.Alors, ce serait oeil pour oeil et dent pour dent.A chacun d’en juger.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *