Manome 48 ora ny FAT ireo gadra politika .

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Galery Kamoula ny Vondron’ny Olon-tsotra na VOT sy ny fikambanan’ireo Mahery fon’ny firenena  2009.Fantatra tamin’izany fa nikasa nihaona tamin’ny Razanamahasoa Christine, minisitry ny Fitsarana ao anatin’izao Fitondrana izao izy ireo .Tsy tontosa anefa izany  noho ny tsy fahatongavan’ny minisitra teny an-toerana, koa dia niala maina izy ireo na dia nanao sit—in manoloana ny birao fiasan’ny minisitra aza.

Hentitra kosa anefa izy ireo niteny fa manome 48 ora ny FAT hamoahana tsy misy fepetra ny gadra politika rehetra.Raha sanatria tsy tanteraka anefa izao fitakiany izao dia nilaza fa handray fepetra henjana izy ireo ary mbola « tsy ankiteniteny » aloha izay mety hataon’ireo havan’ny voafonja ireto fa manaitra ny sain’ireo tompon’andraikitra izy ireo. « Efa maharary loatra ny manjo ny havanay gadra politika » hoy  ny filohan’ny fikambanana, Soloarimanana Jean Louis koa izany no mahatonga azy ireo nametraka izao fe-potoana  48 ora izao.Nambarany ihany koa fa raha vao vita sonia ilay soridalana dia tokony navoaka haingana ny gadra politika rehetra, kanefa laozan’ireo mpitondra miady seza fotsiny hoy hatrany ny tenany.

13 pensées sur “Manome 48 ora ny FAT ireo gadra politika .”

  1. Misaotra Ra- Solo a! mahafinaritra ny fijoroanao toy izao,ary aiza daholo ny namanao
    ao @ tanana no miady irery toy izao ianao???tsy mba misy mba taitra akory ve???
    Hitako ny fijoroanao na dia t@ fotoana mbola navaivay ireny aza! faly aho mahita anao mahasahy mandray andraikitra
    toy izao.Mankasitraka e!

  2. ity vava e? iza no omen’ialahy 48h?handray fepetra henjana? eo ampelatanan’ialahy angah ny fahefana? sa manana aina firy taona zato izy le? vavan’ny maty andrano ny anialahy isany. tsetsemo paraky refa ts mahita ho tenenina f’aza mirediredy!!!

  3. Izany mba fatahorana ireto Gadra PILITIKA e! matahotra ny HIFOTERAN’
    ny rambony ve tgv a! ie! ao anatin’izany koa i Charls sy KOTITI! » hay ?maty
    marina ! hay tokoa moa????? dia ahoana???? »te hanao aminy eo koh!!!!!!

  4. refa mandika lalàna r’ty de sazy(gadra)no sahaza azy fa ts hialokaloka any @ feuille de route any.ohatrinona aloha no nomen’dadanareo andry charl sy kotit nanao an’iny hetsika votany teny @ BANI iny e?

  5. Ndryyyyyyy! aza mba mampiana-dratsy e! tsy mahay an’izany izahay fa FIAROVANA ny tanindrazana
    tsy VIDIM-BOLA ry se a!Mba misy Fanahy masina miasa ihany anie ao ,fa tsy ny franc-macon ihany e!
    Fiarovana tanindrazana = fandikana lalana!!!! FIVAROTANA TANINDRAZANA= OK!!!!!! izany an! varoty @ frantsay oah ny
    taranakareo fa izahay tsy maintsy MIARO ny TANINDRAZANAY!!!!!! asa raha mazava!!!

  6. Ho an-dRanavalona: aza manambany tena mampitovy tena amin’io TGV io ianao, avelao izy ho any, fa efa azy anie hono ny fahefana e! efa NOVIDIANY tamin’ANDRIAMANITRA, aza mifamaly amin’izay foza hoy aho. Manajà tena

  7. Izao izany ilay hoe mampitandrina aho an! ataoko mamahay eo ianareo fa tazomy aho sao miakatra eo?

    Ny alika hanaikitra tsy mivovo intsony e! Izao rajoelina efa prezida ary any Etazonia.
    Ny antsika Ravalo mbola any Afrika Atsimo.

  8. Misaotra anao Manjaka! Mbola mitohy ny tantara fa aza misy miala ary tsy maintsy mino symanantena isika
    ary miankina mafy @ Zanahary.Tsy misy resy tsy miady eto! nisy fifanarahana matoa domelina nahazo niteny
    koa avelao hibitaka fa eto vao tena ho TANTARA!!!!!!!!voajono tsara aloha domelina ny fahitako azy satria ?manara-maso azy izao tontolo
    izao indrindra ity resaka FANDAVANA SONIA lava ity. Ny fahotana mahafaty ihany koa dia ny mbola NAMETRAHANA FAHATOKISANA
    olona efa miharihary ny haratsiany sy ny FITONDRA-TENANY koa izao no vokany ! MBOLA misy hantenaina anefa oah!Mbola manana
    safidy isika ,aza mety rangitin’ny foza fa mbola mandeha ny tantara.Ny fitoriana ihany koa izay tsy maintsy HAMAFISINA indrindra ilay
    iraisampirenena fa raha ny eto an-toerana aloha dia mety mbola tsy azo antoka.Raha vao ny minisitry ny fitsarana fotsiny no azontsika
    dia efa vita ny FOZA ! fa tsy maintsy miady isika mba olona tsy voavidy intsony no hiditra @’io fitantanana iombonana io.
    Tsy misy miala eto fa hifanjevo e! vao manomboka ny lalao!!!!

  9. Alidera AR : »Izao izany ilay hoe mampitandrina aho an! ataoko mahamay eo ianareo fa tazomy aho sao miakatra eo?

    Ny alika hanaikitra tsy mivovo intsony e! Izao rajoelina efa prezida ary any Etazonia.
    Ny antsika Ravalo mbola any Afrika Atsimo. »


    Tapitra ity ilay 48 heures, ka hanao ahoana izany ny tohiny ?

  10. Andray kosa ry Njara e!mba masiaka kosa ianao???ilay » week end » anie tsy ao anatiny e!
    sady manana hevitra hafa angaha ianao?? efa vita anie ilay sonia e!!!! ka izay no ahasahiany
    mitaky io 48h io angamba???dia ny tohiny ?ho handray fepetra izy ka mbola tsy lazaina fa efa mba misy azo mba
    hanarahana anie izao fa efa nisy SONIA e! te hidedaka hanao sonia teo daholo koh! rariny raha misy ny FITAKIANA
    ny @ FAMPIARANA izany ,sa ahoana hoy Njara????

  11. Hita oah ry Paris!!! » pipi kiloty  » mihintsy !!! te hanao aminy eo koh!
    Dia sady efa voky kosa ve no mbola hiadana tsy maty antoka ny
    firenena ???miasa Atra fa hadalan’izay te hanao ts’inonts’inona azy foana ,ary mbola maka bahana izy.
    fa tandremo fa rehefa mikapoka izy tsy azo tohanana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *