Miaramila sa vahoaka ?

Ny hery tsy mahaleo ny fanahy, aleo halam-bahoaka toy izay halan’andriana,  hoy ny Ntaolo.Samy nametraka fanontaniana momba ireto « hery famoretana » ireto daholo ny mpanara-baovao, mandray baiko amin’ny FAT hamoretana ny vahoaka ny Tafika malagasy.Raha natao teny filamatra ny demokrasia tany amin’ny 2009, ankehitriny « ny miaramila sy ny forongony » no mahazo maneho hevitra.Tsy azo idirana ilay kianja nahosotra fa kianjan’ny fanehoan-kevitra, lasa kianjan’ny bebaoty sy mpahazo tombotsoa.

12 pensées sur “Miaramila sa vahoaka ?”

  1. Tena mampalahelo marina ny mahazo ny miaramila gasy , tena hita hoe « SARIM-BAVY » sao dia mba tsy fantany aza hoe miaramila izy , fa h@ zao ve tsy mahalala hoe « Tanindrazana »-ko ity Mcar ity , soloy hafa ny anaran’ireo fa mahamenatra raha ireo no atao hoe « miaramila »

  2. Nisy tokoa ny fireharehana sy ny hafaliana fa voaray ho
    mpianatra manamboninahitra ao amin ‘ny Tafika Malagasy.
    Septembre 1963 aho no tsaraina iditra ao amin ‘ny Tafika.
    Ary octobre 1963 ka hatramin ‘ny août 1970 aho no nianatra ho mpitsabo ary nanao ireo stages nilain ‘ny mpitsabo izay hiasa aty Afrika sy izay hilain ‘ny Tafika .
    Fony izahay mbola any am-pianarana ( Bordeaux ) dia tonga isan-taona ny Général RAMANANTSOA nisafo raha mandeha tsara ny fianarana ary dia ny lehibean « ny école no milaza aminay ny valin « ny fisafoana..Misy naoty nomen ‘ny Général ny tsirairay.
    Niezaka tokoa ny Général mba ho olo-mendrika sy ho olon-kendry ny manamboninahitra eo am-piofanana !
    Ny asan ‘ny miaramila ( fiarovana sy fampandrosoana ny Firenena ) no
    niezahany iainan ‘ny Tafika..
    Nataorana ny inspections (toetran ‘ny camp ,ny casernes , ny automobile , ny fitafian ‘ny miaramila , ny fitondrana sy fampiarana ny bugget , ny toe-pahasalamana sy ny sakafo !
    Ireo manamboninahitra ( lieutenants , capitaines , commandants )dia nana devoirs écrits isan -taona mikasika ny toe-javarta eran « izao tontolo :économie , politique , géopolitique , conflits…, développement de Madagscar..).Noheverin’ny Général RAMANANTSOA GABRIEL fa tsy maintsy miezaka ny mpitarika ary tsy mila badokahy eo ambany fahefany izy !!
    Indrisy fa nisy ny Gouvernement Militaire , iay natao namonjena ny Firenena..!
    Nivaha ny fitondrana ny Tafika , tsy nanaraka na tsy naharaka ny discipline
    nitondran ‘ny Général RAMANANTSOA GABRIEL ireo nandiby azy..!
    Niditra teo amin « ny sehatra politique ny manamboninahitra , ny vata miaramila dia naùpanaovina izao hetsika tsy mendrika rehetra izao ; faux étudiants pour csser lzs grêves..!
    Rsy nisy intsony ny discipline ary ireny fa mihamikorosy fahana ny miaramila !
    Nitombo ny chèques sans provision , nitombo ireo vady miaramila nitaraina tao amin ‘ny service social fa tsy mampidi – bola an-trano ny vadinn (ny enquêtes nampanaoviko ny assistantses sociales tao amin ‘ny camp minkina amin ‘ ny service – ko dia nahitana 40 lahy tsy nampidi-bola..!)
    Toa ny fotaka apoetraka eo amin ‘ny tanana ny miaramila :
    -apetrakao eo tsy fehezina izy dia tsy tana fa raraka amin ‘ny tany , tsy hay anarina intsony
    -raha mitady hifehy azy amin’ny famokonana ny ratsan-tanana ianao dia miporisaka izy !
    Nilomano tao anatin ‘ny vola azo mora iey ireo dia mitambezo ary mangataka ny bebe kokoa !
    TSY MISY DIKANY AMIN’ IZY IREO IZANY FIAROVANA NY TANINDRAZANA IZANY !
    ARY SAHIKO NY MILAZA FA EFA TAFIDITRA AO AMIN ‘NY TAFIKA NY RONGONY , IZAY MIARAKA AMIN ‘NY ADI – POKO !
    NY MPITONDRA NY FIRENENA NANDIMY NY GOUVERNEMENT MILITAIRE NO TOMPON ‘ ANDRAIKITRA AMIN ‘ ITY ADI – POKO AO AMIN ‘NY TAFIKA ITY !

  3. Efa zatra nahazo ny sasany amin’ireo miaramila ary ny tsy nahazo dia tsy sahy manohitra na be no vitsy aza satria ny fitaovam-piadiana any amin’iretsy mahazo vola.Ao amin-dry zareo ihany anefa ny vahaolana ny ho avin’ny tafika satria ho lany ihany ny vola.

  4. izao no tena ahitana fa manao politika ny miaramila gasy! dia ho hita eo ny ataony rehefa tonga indray i R8! mihevitra mantsy izy ireo fa dia ho ohatra an’izao foana ny zavatra hisy eto Dago?… Aleo fa ho hitany eo izany!

  5. Ireo no fahavalon’ny vahoaka malagasy rahatoa ka mbola tsy fantatrareo. Aza manantena na inona na inona amin’ireo ianareo.
    Iza no tena mibaiko azy ? Ny ankabeazan’izireo dia tsy nandia fianarana firy, ka ny tenue ny ny filanjàna basy no hizestiavana toy ny diplôma !
    Mahazo manao an’izay tiany atao ry zareo dia manararaotra.
    Hanaiky an’izao toe-javatra izao foana ve isika malagasy ? Mbola betsaka ny tsy tonga saina hoe : Heloka be vava eo anatrehan’ny firenena sy ny vahoaka malagasy izao ataony izao.
    Fanjakan’ny baroa mandrak’izay no hiainan-dramalagasy noho ny FITIAVAM-BOLA SY FITIAVAN-TENA, NY FANAOVANA HAVANA RAHA MISY PATSA ARY NY FISEKOSEKOANA !!!!
    Izany rehetra izany dia fonosina amin’ny FIATSARAM-BELATSIA !!!

  6. Ianareo aza mety hiditra @ vovon’i foza ! izao no nataony dia nymba hankahalanareo ny
    foloalindahy,tsy izy ireo fa vatatay ,gindro tsipazana akondro fotsiny ireo izay tarihin’i
    MPITANTY RAKENA.Ny tena miaramila tsy mahazo fitaova-piadiana ary tsy hanao ireny ,ary efa hainareo fa olona efa
    fahanana zava-mahadomelina ireo mba hamono heritreritra,hanao izao tsy fanao rehetra izao,sady hitany taiza ary
    ahoana no halalany fa tsy azo hatao ?ny tena lehibe maniraka azy aza tsy mahay na inona na inona momba izay
    tokony na tsy tokony hatao(i domelina io).Dia raha izay fahaizana indray ???olona azo lazaina ho tapi-pahaizana aza
    voajono sy voa vidin’ny foza,MIVARO-TENA MIHINTSY aza maika fa izay olona tsy nadia fianarana toy ny ankabeazan’ireo?
    Tsy afa mihetsika ny tena miaramila satria @’ireo foza daholo ny fiataova-piadiana,koa aoka re mba tsy ny miaramila
    rehetra no HOSORA-potaka fa ao dia ao ary misy ireo tena miaramila fa na izy ireo aza dia mipitrapitra indraindray @
    filibana hataon’ireo GIDRO tapoany ireo.

  7. Ireo miaramila ireo dia nanao voady, hanompo ny vahoaka sy ny firenena malagasy, ary koa hiaro azy ireo !
    Na dia misy aza zavtra tsy dia mety ataon’ny paolisy sy zandary, mba hita ihany hoe misy tena manao ny asany ny akamaroan-dry zareo !
    Fa ireto miaramila ê !
    Omen’ny vahoaka karama sy sakafo, dia miakatra girady eo am-pandriana !!! Fa dia mba inona no tena asa vitany ????
    Mbola averiko eto indray : Mbola misy ve izany Cour martiale izany, fitsaràna an’ireo izay nandika fitsipika sy lalàna rehetra misahana ny fiainan’ny miaramila, sa dia efa fiainan-jiolahy sisa no mitoetra ao ?
    Rehefa tsy misy manàja intsony izany, inona moa no manakana an’ireo izay mbola mahatsiaro tena hoe TIA TANINDRAZANA, sy manaja ny asa sy ny tenany, hitonon-tena sady maneho ny tsy fankasitrahiny an’izao zava-misy izao, ary hiala amin’ny maha miaramila azy.
    Dia ireo jeneraly BE DIA BE ireo no manome ohatra voalohany mba ho arahin’ny sasany !!! Rehefa tsy hiady amin’ireo mpanongana ihany, zavatra tsotra anie izany ê !
    Raha misy jeneraly mba mandalo ato, dia izao no mbola lazaiko aminy koa :
    QUI NE DIT RIEN, CONSENT !!!!!!

  8. Ny namako ihany io e , ao @ miaramila ao izy mbola colonel fa ny frantay no mandoa ny karamany fa tsy ny malagasy mihintsy hoy izy ary izaho tsy mbola nitifitra izany na iray aza fa ny vola no fantatro , fa izaho anie rama : tena marina (hiozonako @ zanako) misimisy ihany izahay no ato fa raha vao hafahafa dia any amin’i domelina ny vavabasy no mitodika

  9. Tsy mpanao pôlitika ny miaramila !!
    Inona ny antony nanaovan’ny miaramila fanambaràna indray hoe tokony tsy mbola mahazo miverina ny Prezidà Ravalomanana ?
    SANS CONDITIONS NY FIVERENANY !!! REHEFA TE HIADY AMIN’NY VAHOAKA MALAGASY SY NY FIVONDRONANA IRAISAM-PIRENENA IANAREO, DIA LAZAO TSOTRA IZAO NY TENA TIANAREO ATAO Ê !!!!

  10. Efa hita miharihary be zao kosa fa voavim-bola ny MIARAMILA é,mampijaly vahoaka mpivarotra tanindrazana,iza ary no mbola sahy milaza fa rariny zao mahazo ny gasy zao?MIARAMILA ARIO NY BASINAO RAHA TSY IHAROVANAO NY VAHOAKA .

  11. FA INONA NEFA NO ATAHORANAREO FOZA RAHA MODY RA8 E!AVELAO IZY HODY DIA HO HITA EO NY TOHINY,MATAHOTRA MAFY AN-DRAVALO MINTSY AN!HIHIHIHIHIH!!!!!

  12. Nangalatra ny fananany sy nanao ratsy tsy nahalala natahotra azy na mba nanontany tena
    kely akory hoe: dia ahoana ny valin’izao??Hay ny aina any ampitombenana daholo ihany?
    Dia mody ireo vatatay ireo no mba atao biby fatahorana eo foana,reo anie ka fako zara raha mahazo ho anina anio fa ireo
    be kintana MPIBAIKO no mandray MILIARA E!Ary mino aho fa bizina no mbola maha eo an’ireo ,ary tsy ny fanjakana no
    maniraka ireo eo fa ireo KARANA sy vazaha sns…… ireo te hanjakazaka eto sisa ,dia ny kary rehetra no voatapa-drambo.
    Soa fa efa misy ireo foloalin-dahy tena izy efa mijoro manoana ny ARADALANA.Aza miasa loha @ ‘ireo intsony fa ny antsika
    efa manome toky ary MARO anisa no avara-pianarana.Maro koa ireo voan’ny tsindriazolena ka tsy hanaiky lembenana .

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *