Ravalomanana Marc : nanao antso hoan’ny Troika sy ny Sadc

Magro 28 sept 11 (3)

Aza manaiky ampitahorina, sy rahonana lava izao isika vahoaka Malagasy, satria izay foana no ataon’ny sasany entina tsy hanatanterahana ny fifanekena nanaovana rango-pohy. Nisy ny fihaonana nifanaovako tamin’ny Vondrona Eoropeana, ny SADC, sns…, ka fantatra izao fa tsy mifanaraka sy tsy mifanojo amin’ny tondrozotra niaraha-nanaovana sonia no ataon’ny hafa”.

Izay no nanombohan’ny Filoha Ravalomanana Marc ny lahateniny teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka io tolakandro io. “ Manantena fiovàna aho, ary efa mahafantatra tsara ny didy ho fampisamborana ahy aty Afrika Atsimo. Tsy mila samborina aty an-tanin’olona aho, fa haiko ny tonga any an-tanindrazana. Koa ny hafatra omeko anareo Vahoaka, dia aza manaiky atao fitaovana politika, satria nanam-paharetana ianareo, niharitra ny hafanàna, ny orana, ny hatsiaka, sy ny fahasahiranana samihafa. Koa aza manaikinaiky foana, ka handeha sy hizotra any amin’ny lalana tsy izy. Averiko eto ihany, fa nivadika ny nifanekena vita sonia ny sasany, ary efa fantatry ny firaisambe iraisam-pirenena avokoa ny zava-misy”, hoy ihany ny Filoha Ravalomanana Marc, ary nohamafisiny fa miantso ny SADC, sy ny TROIKA ny tenany, handray fepetra mifandraika amin’izany toe-javatra tsy nifanarahana izany. “Miantso ny vahoaka ihany koa ny tenako, mba ho tony, sy tsy hanaiky ireo fandraviravizana isan-karazany, toy izay hitranga amin’ny alakamisy ho avy izao eny Ivato. Tambazana 5000 Ar isan’olona mantsy ireo izay handeha hitsena ny filohan’ny tetezamita eny Ivato. Koa tsy tokony hahazo anareo izany hakiviana sy haketrahana izany, na dia eo aza ny herisetra sy fandrahonana ataon’ireo mpitandro ny filaminana, indrindra fa ireo zandary.  Be ireo lainga afafy etsy sy eroa, nefa nanana faharetana, sy fikirizana ianareo vahoaka Malagasy, mba hiverenana amin’ny ara-dalàna. Andriamanitra anie homba antsika mianakavy. Dia ho amin’ny manaraka indray e!!!”  Izay no namaranan’ny  Filoha Ravalomanana Marc ny kabariny nivantana io tolakandro io.

 


 

19 pensées sur “Ravalomanana Marc : nanao antso hoan’ny Troika sy ny Sadc”

  1. Relisons le titre de cette feuill de route de SANDTON :
    -FEUILLE DE ROUTE POUR LA SORTIE DE CRISE A MADAGASCAR
    -ENGAGEMENT DES ACTEURS POLITIQUES MALGACHES
    Le Préambule de cette feuille de route dit et rappelle que :
    « Les ActeursPolitiques Malgaches parties prenantes de cette feuille de route se sont convenues de prendre les engagements ci-après…
    Onze entités politiques dont les mouvances Zafy et Ravalomanana Marcont signé cette feuille de route.., sauf la mouvance Ratsiraka..!
    Il bien évident et clair que cette feuille de route n’est qu’un canevas , un cadre de ravail à suivre pour la mise en place de la Transition consensuelle et inclusive..!
    rajoelina par mégalomanie ou par naïvité ou manipulé par ses conseillers français  » s’est cru avoir été  » désigné  » président de la nouvelle transition ,qui n’est pas encore mise en place..
    Ce raccorci de rajoelina ,lerengaines sur l’arrestation du Président Ravalomanana marc ,avec mence de le capturer en Afrique du Sud par des gendarmes consitue faux et usade de faux avec usurpation de titre que rajoelina a utilisé pour se faire admettre à l’Assemblée générale des Nations Unies.
    rajoelina et ses amis ont ont trangressé les articles 21 ,22 ,,24 et 30 juste après la signature de la feuille de route le 17 septembre 2011.

    Ces entorses caractérisées , sciemment commises par rajoelina et ses amis provoque un conflit ouvert entre rajoelina et la mouvance RAVALOMANANA tout au moins et justifie la plainte du Président RAVALOMANANA MARC devant la Médiation et la SADC en application de l’article 32 de cette feuille de route pour la sortie de crise à MADAGASCAR

  2. Na dia somary nitohana ny arabe, voasakan’ireo fiara voakaràma manao ramassage ny eny ambanitanàna isany (arak’io voalaza etsy ambony)
    Aleo koa ho any hoy ity receveur, @ izay mba milamindamina ny rivotra eto @ tanàna…
    __
    Efa henonao ve Andriamatoa filoha ireto olom-boafidy (11) naneho ny fisintahany tanteraka @ ilay vondraka Yves Aimé nohon’ny hevitra mivoana be tohizan’ity farany?

  3. Na i Ban Ki-moon Secrétaire général de l’ONU
    Na i Barroso président de la Commission européenne,
    efa folo hafatra fa TANTERAHO NY HEVI-DEHIBE voasoratra ao anaty Feuille de route

    Efa hoe ny « transition = gestion des affaires courantes »

    ==> mbola resa-bola foana no hifantohan’ireto marary SAINA domelina sy mpitavana « 3V » isany

  4. Hoaiza! ka vola no nahatonga azy teo!vola no nanaovany izao! vola no manosika azy ireo!!
    inona no tokony ahagaga anao fa mbola vola!vola!vola! no mahafatifaty azy ireo @izao???
    Paris!
    La frantsa mihintsy no efa miala aina fa « ela notoratorahana ka nahavoa VOAMASON’ANGATRA » ka hitsako tsy misy
    eo!voajono tsara domelina! rehefa midoboka domelina dia mazava ho azy fa tsy maintsy midoboka miaraka aminy
    la frantsa,tsy maintsy hanilika mantsy laikely fa nisy tompon’andraikitra tao! manana tetika efa voahomana koa anefa
    la frantsa fa hoe:HAJEDANY DOMELINA DIA HO HAILIKA aty amintsika ,dia hitady olona hafa fotsiny izy ireo avy eo
    hisolo an’i domelina,efa fantany matsy ny hafetsen’i domelina sady tsy mamely, koa mailo koa la frantsa,samy kapotsaka!!
    Mbola tsy fay ity veta sy domelina fa mbola mianakendry!!!! hi! hi! hi!!! hampianaro @ tsara ny zaza dia ny mbola kely!!

  5. rajoelina a attendu le 17 septembre 2011 pour prendre des initiatives u’il a cru découlées de  » son titre de président de la transition « ..
    Ce titre même ne lui est pas acquis car , il le sait , cette feuille de route ne sert que comme cadre de travail , c’est le protocole à suivre pour la sortie de crise
    à MADAGASCAR .
    Mais se conseillers français ont enclenché ce jeu stupide pour permettre à rajoelina de faire le pied de nez à l’Assemblée générale des Nations Unies au vu et à la barbe de Tous..!
    Mais ce jeu stupide n’est du goût de tout le monde..et rajoelina et ses conseillers ont été piégés ,car la SADC ne peut admettre une telle usurpation de titre en utilisant frauduleusement un traité international signé par 14 Chefx d’Etat et de Gouvernement des Pays membres de la SADC…!
    Ce traité international doit être encore signé par les Chefs des mouvances malgaches et la Troika , représentant la SADC pour être finalisé !

    rajoelina est né fraudeur , s’enrichit en fraudeur et reste toujours fraudeur dans ce qu’il entreprend…!
    Le comble c’est qu’il croit avoir réalisé un exploit !

  6. Midinika ny momba ny fampiharana ny tondro zotra izao ny troïka ao afrika atsimo.Tsara mihintsy raha mijanona eto Mada ry zareo rehefa tonga eo mba hanatrika ny fananganana ny governemanta vaovao.Tsy mody ry zareo raha tsy efa tafapetraka daholo ny andrim-panjakana rehetra.Afaka miara-mody amindry zareo eto ny filoha Ravalomanana.

  7. rajoelina a fait fi des dispositions de la feuille de route qui a été paraphée/signée par les mouvances Zafy et RAVALOMANANA MARC et les partis politiques pro-rajoelina..Seule la mouvance Ratsiraka n’ a pas paraphé/ signé cette feuille de route..!

    rajoelina docile , obéit à tous les ordres de ses conseillers français..et semble se foutre des Malgaches du moment que l’éxécution de ces ordres ne sont de son initiative..!Il ne peut pas avoir d’initiative car il ne pense un instant à se préoccuper des problèmes malgaches..!
    rajoelina durant ces trente derniers mois a assez montré que la sortie de crise à M.car est le cader de ses soucis..Ses préoccupations sont l’exploitation des richesses du Pays par ses amis , qui lui retrocèdent des dividentes..Mais la vie de Rakoto , de Rabe et des petits Mlgaches ne l’intéresse guère !
    Cette disposition d’esprit de rajoelina le disqualifie d’être président de la transition ..!
    En plus , la plainte contre lui déposée auprès du Procureur de la République d’ANTANANARIVO le plombe complètement..

    ET TOUT LE PROBLEME DE LA MISE EN OEUVRE DE CETTE FEUILLE DE ROUTE RISQUE D’ETRE BLOQUEE SI LA SADC , LA TROIKA ET LES TROIS MOUVANCES MALGACHES NE PRENAIENT PAS LES DIRECTIVES AVEC FERMETE , SANS AUCUN ETAT D’AME…!

    VIVEMENT LA SEANCE DE MISE EN OEUVRE DE LA FEUILLE DE ROUTE PAR LA SADC A ANTANANARIVO ET QUE LA MISE EN PLACE LE PLUS RAPIDEMENT DE LA NOUVELLE TRANSITION
    SE FASSE…SANS RAJOELINA..POUR LE RESPECT DES MALGACHES !

  8. Asaina mivory tsy tonga fa miavonavona, nefa avy eo miantso vonjy am Troika sy SADEC indray ry ra8. MAMPIHOMEHY, tara sambo eo indray refa mitsangana ny governemanta, Tokony mba tsy manaiky hataon’ny Ravalo sy ireo vazaha ireo saribakoly ry Mamy Rakotoarivelo fa dia mampalahelo, baikon’ny olona sesi-tany sy tsy mahatoky gasy hoatran’ny ra8 foana ve, ento ny antokonao dia miadiva hevitra hampandrosoana ny vahoaka e, efa hita izao ny haratsian-toetrany fa dia sahy manaratsy ny gasy any am CI, ARY na ianao io aza tsy hatokisany.

  9. F’angaha moa gasy TGVendrana, na i Vital tsy te hahalala afa tsy ny sezany fa tsy mieritreritra ny tombon-ntsoa ny gasy fa saribakoli’ny frantsay.Efa hitam-poko hitam-pirenena anie izany.Tsy misokatra koa ny robinet amin’ny fanampiana raha tsy mampihatra ny tondro zotra e.Raha te hampandroso ny firenena dia atsangano ny governemanta vaovao, raha tiana hahantra dia aleo ireo hijanona eo.Zavatra tsotra izany.

  10. Marina mihintsy izany ry Bema a, fa efa mba misy mivory ihany anie, fa ny sasany dia tsy mety indray fa mbola mila ireo Afrikanina indray hono amin’ny fizarana seza, mila Olom-baovao isika ry Bema a, efa tena lo tanteraka ireo Filoha teo Aloha ireo, Tsy mety an’izany alternance izany mihitsy fa dia manakorotana foana, nefa mba tokony hipetraka ho ray aman-dreny hanoro sy ho filamatra.

  11. mbola mitaky ny hiverenan’i Ravalo ny ankabeazan’ny olona.Izy koa tsy antitra rahateo.Tsy misy anarana hafa tadiavin’ny vahoaka ary raha tiana ny hanamarina izany dia aleo hirotsaka ho fidina daholo hatramin’i Ravalomanana dia izay lany lanim-bahoaka.Tsotra izany

  12. Bema a, nisy zavatra tsara ange nataon’ra8 tam resaka lalana sy fampandrosoana hafa e, fa tsy hainy ra8 no nanaja ny toerany sy nanaja ny vahoaka nifidy azy ary nampangina ny fitiava tena sy ny fiatiavambola sy fiativantseza. dia nanaonao foana sy namono olona mihintsy aza. olona mpitarika betsaka ao am tim io ve ry Bema dia hifikitra aminy efa naloam-bahoaka ianareo a.

  13. Vola ihany no mahatonga an’ireo ho namadika palitao.Hita anie izany.Ary izaho tsy naheno oharan’izao mihintsy hoe namono olona i Ravalo.

  14. Aiza ity naloam-bahoaka ity ry tanora a! aza dia mirediredy la eo e! ianao ve dia vahoaka??
    Avelao izy hody sy hilatsaka ho fidina miaraka amin’ny hafa sy ny dj-nareo, izay lany eo no voafidim-bahoaka!!! Izay tsy lany eo naloam-bahoaka e!!!!
    mahasaky ve nareo eeee!!!!
    Tandremo kosa anefa an!! Hiraha-mandamina ny fitantanana ny fifidianana!

  15. Vahoaka Marobe no nanongana azy, MIaramila zana-bahoaka marobe no nanongana azy. Vahoaka vitsikely no mba niaro azy, sy mangataka ny hiverenany. izao ary izy miantso Afrikanina mba hiaro azy fa tsy matoky anareo vahoka manantsaina fa vitsy kely ireo hiaro azy sy ny volabeny.
    Ahirato ny maso neninoro fa tsy olona voaozona ianareo ka hanompo an’iny a.

  16. Mampalahelo ity Tanora. Efa azon’ody ngamba ny masony ka tsy mahita intsony ny fijalian’ny olona @ zao. Sa nahazoazo kely t@ aferana bois de rose de mitady ny hijanonan’i Boay kely? Raha hendry izy dia takio aminy ny vary 500 AR ny kilao sy menaka 2000 AR ny litatra izay nampanantenainy anareo foza mora fitahina.
    Raha tena mamim-bahoaka ve Rajoelina dia hanakarama 5000 ar izay olona hitsena azy de mody hoe solon-tsakafo. odoy e.

  17. ts ny vary 500 ar sy menaka 2000ar no nanongananay an’dadanareo fa ny haratsiandohany: mpanagadra² @ ts antony,mpanao ampihimamba ny menaka, vary…,mpangalatra tanin’olona izay mba hifaninana ara-barotra aminy dia mahita faisana amoronana dossier (4frères)
    ny harenany mitombo andro aman’alina nefa ny vahoaka nihanahantra. fampanantenana nipoaka2 t@ 2002 nefa inona eo?? hahazo 4L daholo e!!nefa inona no teo???zay efa leo ny mpitondra mpamahandalitra,aleo haanovan’hafa in-1 fa efa teo ny dadanareo nefa tsy nahita ny vahoak sahirana fa lanay andro nanangon-karena fotsin ka nony in-1 voadaka teo zay vao hoe « DOMY AHO RANAOTRA!!!! » tsara hoazy iny nahazo azy iny e

  18. Fa inona no ataon’i tgv-nareo amin’izao fotoana, sa tsy tenenina fa hoe : avelao koa izy mba hanao ?
    Ny 4L efa saika afaka nividy tokoa ny gasy raha tsy tonga teo ny vozongo nafaranareo.
    Aza faly mamoaka, fa mba tantarao izay vitan’i Domelina hatramin’izao, mba ho vakianay e !

    Nisy zavatra na iray aza mba tsara ve vitany ? Sa faly manaratsy ny fitondràna Ravalo no betsaka ? Tena miasa aminareo ny publicité ataon’ny vendrana ka ! Inoana daholo io an-tsanga tsy aman’orana rehtra io. Mba mijery TV sy mihaino radio ve ianareo e ?!!! inona no hita : publicité fivarotana ataon’i Domelina no betsaka, dia faly ery ny tsy mitsinjo vodi-andro merika satria, misotroa toaka thb isan’andro, hetsho ny vody,mivarota tena dia manao tokoa. Ny mozika ireny hira fanaovana basesa ireny no mampihetsi-body ka ireny no atao betsaka hivarinan’ny ankizy amin’ny tsy mety sy hivarotany tena. Manao tsara ny Domelinareo ka !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *