Ravao ny FAT ka omeo olon-kendry hoy ny Orimbato

orimbato

Nanao fanambarana lehibe ny Ampanjaka, Andriana sy ny Tangalamena mivondrona ao anatin’ny Orimbato io maraina io, ary nilaza tamin’ny mpanao gazety fa :

-Tsy nahomby ny fitondrana baolina irery ataon’ny FAT

-Tsy nahomby ny fampihavanana rehetra nataon’ny mpanelanelana

-Tsy nahomby ny fifampidinihina sy ny vahaolan’ireo Mpanao politika

-Tsy nahomby ny fandraisanandraikitr’ireo Tafika

Nambaran’izy ireo ihany koa fa nandritra izay telo taona nitondran’i Andry Rajoelina izay dia fitadiavam-bola sy fitiavan-tena ary fitadiavan-tseza fotsiny no nanjaka teto.Ny vazaha , sinoa, karana no manjakazaka eto amin’ny firenentsika Malagasy.

Noho ireo hoy ny Orimbato dia :

-Votsory tsy misy fe-petra ny gadra politika rehetra.

-Hatsaharo miaraka amin’ny vava ny hamarotana ny tahirin’andramena.

-Hatsangano ny tetezamita tena izy, hiaraha-mitantana sy entin’olo-marina

-Ndao harafitra ny lalam-panorenana tena izy

-Ataovy ny fifidianana filoham-pirenena mangarahara eo ambany fiahian’ny Firenena Mikambana.Ary aoka tsy hisy hilkatsaka intsony ny filoham-pirenena  rehetra teo aloha hoy izy ireo

Ireo no nivoitra tamin’ny valandresaka nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety io maraina io.

 

10 pensées sur “Ravao ny FAT ka omeo olon-kendry hoy ny Orimbato”

  1. Ka ahoana ary e!Naheno aho hoe:efa nihetsika ny any amin’ny faritra fa miandry an’ilay RODOBE NASIONALY (the BIG ONE) hoy ny anglisy.Araraoty amin’ny fahatongavan’ny TROÏKA.Handrasana ho tonga eto ry zareo hahita ny fitakiantsika ny ara-dalàna sy ny fiverenan’i Ravalomanana.Aza avela insony fa efa tapin-dalan-kaleha ny bitro.

  2. Ny hoe : tsy mahazo milatsaka ny filoham-pirenena teo aloha dia lavinay tanteraka fa tsy hisy ary tsy misy olona hafa afaka hitondra ny firenena afa tsy i DADA , tsy misy hoy aho ary tsy hisy , raha olona ankaotran’i DADA dia izay no « vita i madagasikara » tena marina io

  3. Avelao ny mpanao politika rehetra izay maharaka ny fepetra rehetra takiana amin’ny filatsahana fidiana ho filoham-pirenena hilatsaka satria isika dia Firenena mandala ny démocratie. Eo no ahalalana izay tena tian’ny vahoaka. Ny fanakanana an’ireo tsy hilatsaka aza no mety hitarika korontana eto amin’ny tanintsika. Ary ahoana no hamaritana ny hoe olo-marina? Tsy misy olona hiseho olon-dratsy sy saribakolin’ny mpanjanaka eo rehefa te handray ny fitondrana.

  4. Iza moa no tiany ho lazaina eto fa tsy i dada??
    Dia iza no ao ambadika fa tsy frantsay sy karaka sy ny voanjo
    mpanjanaka rehetra,dia ilay solon’i domelina azo vidiany indray no ho hipetraka eo!
    Efa voakarama koa ireo e! mpamahan-dalitra !
    Efa voalaza teo @ magro fa niara nikonokonona t@ foza ireo ,nisy nahita t@ toerana
    fisakafoanana iray.
    Mpivarotra tanindrazana sy mpamadika koa ireo fa aza mahatoky anireo,MPITATY RAKENA!
    MAMBA RERAKA! « miala foza dia miditra foza orana » raha ireo no harahana.

  5. Inona koa ireto misalotra lamba be fihetsiketsehana nefa sarimbakoly, menatra anareo ny ntaolo.Te hatao hoe izao nefa voavidy amin’ny vetsikirobo.Tsy misy hajany ianareo.Mpiatsaravelatsihy fotsiny.

  6. Ireo no azo atao hoe fatritran’olona ! Tsy misy fisainana na dia kely aza, fa dia araky ny efa nolazaiko tamin’ny post-ko omaly, dia ny fisekosekoana sy ny fitadiavana dera sy laza no masaka ao an-dohan’ny sasany, fa tsy mitsinjo velevely ny hoavin’ny vahoaka sy ny firenena malagasy !!!
    Fa dia iza izy ireo no handrara ny vahoaka tsy hifidy izay olona maminy ? Ny fandraràna ny Prezidà Ravalomanana tsy hilatsaka dia FANATANTERAHANA AMIN’NY FOMBA ANKOLAKA NY FANONGANAM-PANJAKANA !!!
    Dia mbola azo lazaina ve fa hitoeran’ny fahendrena izy ireo ???
    Izahay koa mba afaka hilaza eto hoe taranaka mpanjaka ( angamba sady MDR ), kanefa tsy hirediredy toy ireo tsy misy ati-doha ireo !!!!

  7. Dia tsy tahotra tsy henatra mahasahy misalotra ity lamban-drazana!
    MBA MANAJA TENA ARY MAHALALA MENATRA TOMPOKO O!
    TSY MENDRIKA ANAREO NY HISALOTRA IRENY LAMBA IRENY FA MPIVAROTRA TANINDRAZANA
    ianareo ary MPAMADIKA ny RAZAMBENAREO. Midika faniratsirana ny razamb-benareo ny hataonareo izao
    ka mandinia tena ihany fa efa maty hasina i GASIKARA nefa ianareo dia miezaka ny manampitrotraka indray
    fa tsy mba mitady vahaolana MARINA sy MAHITSY ary ho @ RARINY sy tokony.
    DIA MANAJA TENA FA HO VERY ASINA IANAREO RAHA IZAO NO MITOHY TOMPOKO O!
    Na dia mamy aza ny vola, ny HASINA izay nolovanareo t@ razambenareo mba jereo ihany sao ho tratry ny
    tsinon’ireo ianareo ka ho SAHIRANA!!!!!!!!!

  8. L’habit ne fait pas le moine !!!
    Tena tsy hitako akory anie ny anton’ireny lamba ireny ê ! Midika inona ireny ? Aiza moa ry domelina tsy hanaonao foana !
    Maro amin’ireo vazaha, taranaka mpanjaka niaina tamin’ny 12e siècle. Tsy hiverina na hanao fitafy tamin’izany andro izany ry zareo !
    15e siècle mbola salàka, koa maninona no tsy lamba sy salàka koa no tafiana ?
    Iza(ha)y taranak’andevo taloha koa izany tsy misy valera ? Dia hiverina indray ny 26 janvier !
    Avec des imbéciles tels que ces gens-là, on s’éloigne de plus en plus de la démocratie, de la vraie. Ils n’ont aucune honnêteté intellectuelle !!! Alors là, pas du tout !!!

  9. Manaraka ny fandehan-javatra izaho na tsy manoratra isan’ando aza.
    Io indray izany ny plan n’i tsotsoka !!! I DJ izany hoy izy tsy hilatsaka satria efa misy hasolony azy efa voaomana ! Ha ha ha ha !

    Un point positif cependant : Matoa mitady hirika atsy sy aroa toy izao dia tsy niady ny baolina nataony hatrizay. Un point supplémentaire pour DADA et les légalistes hi hi hi hi !!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *