Tsy mandà ny fitadiavana vahaolana ny ankolafy Ravalomanana !

ravatomanga

Tsy fifandresen-dahatra intsony no atao amin’ny din
iky ny samy Malagasy iarahana amin’ny CNOSC fa fampiharana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Sadc tany Sandton no iaraha-midinika amin’izany”, hoy ny senatera Rolland Ravatomanga, mpikambana amin’ny birao politikan’ny antoko Tim sady avy amin’ny ankolafy Marc Ravalomanana.

Nosoritany fa ny pitsopitsony tsy itovizana amin’ny fampiharana ny fanapahan-kevitra sisa dinihana. Nisy  ny fihaonan’ny antoko politika rehetra tamin’ny CNOSC, antsoina hoe vondronasan’ireo antoko politika ireo. Nandray anjara tamin’izany ny ankolafy Ravalomanana, itadiavana ny vaha-olana amin’ny hady mangitsokitsoka mahazo ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Efa faninefany no nisian’ny fihaonana toy izao, “ ny ankolafy Ravalomanana tsy mandà na iza na iza mitady vaha-olana amin’izao krizy izao, hatrany am-boalohany no efa nikatsaka ny fitondrana tena iaraha-mitantana ny ankolafy”,hoy ihany ny senatera Rolland Ravatomanga. Nanambara koa izy mikasika ny hahatongavan’ny Troïka eto amintsika, “ lôjika raha ho avy eto ny Filoha Afrikana Tatsimo Jacob Zuma, ny filoha Zambiana ary ny filohan’ny Mozambika Armando Gebuza. Toy izany koa ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana sy Ratsiraka, satria efa notakian’ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy hatramin’izay izany ho firosoana marina amin’ny tena fampihavanam-pirenena”. Momba ny fizirizirian’ny mpiara-dia amin’ny fitondrana nilaza fa hanao sonia tondrozotra ny 16 septambra ho avy izao, nambarany fa misy olon-kendry ihany ao amin’ny FAT, ka raha fankatoavana iraisam-pirenena no tadiavina tsy maintsy manaraka ny fanapahan-kevitry ny filoham-panjakana ao amin’ny Sadc tany Sandton. Ny tondrozotra hosoniavina arak’izany dia tokana ihany, izay niainga tamin’ny fanapahan-kevitra tany Sandton fa tsy izay niainga teny Ivato tsy akory.

12 pensées sur “Tsy mandà ny fitadiavana vahaolana ny ankolafy Ravalomanana !”

  1. Dia asa indray izany izao izay ho fihetsiky ny FATn’alika e! Sady misisika be mihitsy ny reny malalan-drizalahy momba an’ilay tondrozotra nataony!

  2. Manana finoana fa fandrebirebena io! efa fantany fa tsy ho aiza eo izy!
    mba te hideaka koa fa may volotratra! tetika hampisavorovoroana ny olona io.
    mila mailo ihany anefa isika fa sao mifono tetika fanakorontanana io,ka eto no hilantsika ny fikambanam-be
    iraisampirenena mba tokony handray fepetra hentitra @’izay ry zareo.
    Mety hitondra vokatra ho antsika koa anefa ny hadalana toy itony mba hiariary ny asa ratsiny,ho hitan’izao tontolo
    izao fa tena tsy rariny intsony .
    Aoka fotsiny isika tsy hatahotra izay vono vorona rehetra eo fa hiatrika hatrany sy hiroso @’ilay fahafahana na inona
    hidona na inona hiantra.Homba antsika Andriamanitra! tsy maintsy mandresy ny tolona!

  3. Ie, misisika be mihitsy ny reny malalan-drizalahy momba an’ilay tondrozotra nataony satria matahotra mafy ny hiverenan’ny Président Marc Ravalomanana ny frantsay, Dada izay tena Tia Tanindrazana sy tena mahavita azy.
    Ie fandrebirebena fotsiny io izay heverin-dry vendrana fa ampiraviravi-tànana ny olon’ny ara-dalàna. Manonofy atoandro eo ry zareo. Tsy maintsy mandresy ny tolona.

  4. Efa hatry ny ela ny mpanaraka sy ny mpitandro’ny ara-dalàna no niady mba hiverenan’ny firenena tan-dalàna, fa ny TSY TIA TANINDRAZANA no manao amboletra !
    Mbola hitsara ny vahoaka !
    Tokony avaokany amin’ny gazety izao tondro-zotrany izao raha tena mafy sy mitsinjo ny vahoaka i domelina ! Tsara mba ho hitany ny vahoaka malagasy izao taratasy nokotrehiny niaraka tamin’ny frantsay izao !

  5. F’angaha tsy henonao ilay nolazain’i raharisaina (tsy misaina ) hoe:
    « ilay tondrozotran’i SADC hono » dia tapaka teo!Salamao anie izany
    SADCny izany e! ilay nosandohana efa nitsian’i SADC fa tsy mahalala io izy no ho hatao amboletra.
    Ilay hosoka natao t@ teny frantsay @ ‘io an! aza mba doma ihany ,fa izy indray no mba mitady hanambaka!

  6. Fa noheverin’ilay gamara kely fa hoe naninona ? Efa legaliste moa izany « ty zao, sa dia mbola mpanohana an’ireo tsy misy atidoha ireo ??
    Sa dia resaka fotsiny ilay indray mandeha iry ?

  7. Ny an’i Kintana no lasa aloha! izaho vao saika hanontany!
    Na izany na tsy izany manana ny safidiny izy ! izahay tsy sarotiny rahateo !
    izahay mahatanty demokrasy, sady andron’i demokrasy koa izao ha! ha! ha!
    Nivadian’i Lalatiana koa ary ny foza koh! ilay be vava be tao @ radio iny!

  8. Nisy nilaza anie taloha fa io Lalatiana resahinao io, io nadia ê !
    MDR !!!!
    Vaovaonao ry Baby â ? Aza dia manao tsidim-pahitra ê !

  9. Coucou Kintana sy ny akolita rehetra,
    Tsy manao tsidim-pahitra fa mihaino sy mandinika ny fanndehan-javatra e ! Voavakiko daholo ny posts rehetra hatramizay.
    Aleo aloha ho jerena ny fifidianan’ny frantsay hahitana izay ho lany eo. Mety hisy fiatraikany @ politika ivelany ny tohiny e !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *