4 pensées sur “Tsy vonona hamaha olana i Rajoelina”

  1. Izany anie efa fantatra e!inona moa no mahatonga azy manambitamby ny fiangonana raha tsy izany.Tiany ny olona no hiteny aminy hoe :milatsaha ianao ho fidinay satria mantsy izy efa nanambara fa tsy hilatsaka nefa mamy ny saosy dia mitady izay fomba rehetra hijanonana eo.Dia satrin’i reny malala ihany koa.Efa naroso teto moa ny paik’ady mety hampihemotra ny foza, ny miaramila na reny malala.Mila asa goavana noho izao no mila masiaka kokoa (agrssifs) isika mba hisy vokany mivaigana izay atao rehetra.

  2. Aleoko aloha miala kely aty fa mahamay be ary! izao e! tsy misy azo hantenaina
    raha olona toa an’ny ‘i domelina fa izay hatao hatao sisa! mbola ho loza lavitra noho
    izao hita izao no hiainana eo raha mbola domelina no handrasana, dia manantena taitsokina!
    @ antsoin’i Raveloson  » mbola ho ampiany voatabia sy tongolo ny maloto dia izay no mbola ho
    harosony ho an’i Gasy ».Koa asak’asak’izay mbola hiandry ny maloto ho aroson’i domelina !!!!!

  3. Fa maninona moa « i rajoelina » no hanova na inona na inona? mety aminy tsara izao.

    Fa ny mahagaga ahy dia isika miady ho an’izao malagasy izao e! asiana mpisolo manolotra « i » angaha moa eo anoloan’ny anarana miantomboka amin’ny Ra-, Andria- ? Hatramin’ny oviana io? Sa moa rehefa malagasy dia tsy dia voatery loatra hanaja ny teny malagasy?

  4. Marina ny voalazanao ry Alidera.Teo akaikin’Ankatso dia nisy vehivavy avy any amin’ny nosy Tonga nipetraka.Tafaresaka taminy aho dia nilaza izy fa mitovitovy amin-dry zareo hono isika hatramin’ny fitenintsika (ao anatin’ny langues malayo-polynésiennes) dia mitovy amin’ny fitenin-dry zareo.Nambaranhy fa mora taminy ny niteny gasy ary niezaka izy nanaraka ny fitsipi-pitenenana malagasy izay tsy mifanalavitra amin-dry zareo.Manankarena ny tenintsika satria misy fomba filaza zavatra iray saika isaky ny farita ary raha hiteny fotsiny aho hoe:miaramila, tafika, foloalindahy, bodega dia milaza zavatra iray ireo.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *