Ambohidratrimo an’Ala : malahelo ny filoha Ravalomanana

P000-352-256-295-00101

Nihaona  tamin’ny  vahoakan’ Ambohidratrimo an’Ala, distrika  Manjakandriana ireo avy amin’ny birao politika   foibe ny antoko Tiako  i Madagasikara, notarihan’ny depioté Mamitiana Ravelonanosy, omaly no nanatanterahana ny hetsika lehibe tany an-toerana.

Nambaran’ny solontenan’ ny mponina, izay sady mpiandraikitra nyTIM Ambohidratrimo  An’ala,  Razafindramiary, fa mbola be ireo tantsaha any no mbola malahelo ny asa fampandrosoana nataon’ ny filoha Ravalomanana ao amin’ity kaominina ity.

“Haverina ny hasin’ny antoko TIM, izay tena manana ny heriny eto amin’ny distrika Manjakandriana, ka hiasa hiaraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana ny Antoko”. Izay no nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenenan’ Atoa Gaby solontenan’ny Depiote voafidy tao amin’ny distrika Manjakandriana.

Nisy ihany koa ny fanentanana ny vahoaka mikasika ny fitsenana ny Filoha Ravalomanana nentin’ny  solontenan’ny vehivavy TIM. Nanome toromarika izy , ary nanafatrafatra mba tsy ho voarebireby, sy voasarik’ireo TIM sandoka ny mponina, rehefa ho avy ny  vanim-potoanan’ny fifidianana.

Tamin’ny laha-teny nentin’ny Solombavambahoaka Mamitiana Ravelonanosy,nyfiomanana amin’ny fitsenana  ny Filoha Ravalomanana.”Mila miomana isika”  hoy izy. Tsy fotoanan’ny tahotra intsony izao, fa ny fiaraha-mientana manomboka eny amin’ny fiaraha-monina no tokony ezahina. Raha ny tokony ho izy, hoy ny Depiote Mamitiana Ravelonanosy, dia tokony ho avy ao amin’ny ankolafy telo izay praiminisitra hipetraka eo. Ny momba ireo gadra politika koa, dia nampita teny sy hafatra ny  depiote Ravelonanosy tamin’ireo vahoaka tongabetsaka teo amin’ny kianja, fa ny fivoahan’ireo gadra politika no tokony imasoan’ireo miseho ho tomponandraikitra eo anivon’ny fitondrana avo ny tetezamita.

2 pensées sur “Ambohidratrimo an’Ala : malahelo ny filoha Ravalomanana”

  1. Izahay vahoaka tratry ny trindrihazolena koa malahelo ny DADANAY,
    soa fa efa tsy ho ela intsony izy dia ho avy fa aza malahelo daholo e!
    dada tsy maintsy tonga ! na faly donto na tsy faly,ny marina tsy maintsy mandresy,MINOA FOTSINY IHANY!!!
    homba antsika ANDRIAMANITRA!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *