Fampihavanam-pirenena : Tsy azo isandohana sy atao peta-toko

My beautiful picture

Nanao fanazavan-kevitra teo anatrehan’ny mpampahalala vaovao ny ankolafy Zafy Albert mahakasika indrindra ny fampihavanam-pirenena, izay efa nahafantarana azy ireo hatramin’izay, izay niatomboka hatramin’ny nanaganan’ny Profesora Zafy ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena hatramin’ny taona 2002 no mankaty.

Nanambara àry ny  Mektoub Camille avy ao amin’ity Ankolafy Zafy ity, fa misy misolokiloky amin’ny tsy antony ny resaka fampihavanana. Ho fananganana ny firenena malagasy ny fampihavanam-pirenena fa tsy natao ho fitaovana hanonganana fanjakana , na koa handrombahana fahefana. Tsy mazava amin’ny rehetra ny fototra tokony hitondrana izany ka misy ny mampiasa izany mba hiarovany ny fahefana eo an-tanany.

Anisan’ny filozofiam-pianinana mihitsy ny fampihavanana, ary tsy hanavahana fihaviana sy faritra fa mila hatsangana ny firenen’ny Gasy ho ami’izay mahaizy azy. Ny mpanjanaka sy ny zaza navelany hatrany no mitady  ny fampizarazana eto ka mampitsiry ny fahasamihafana any anatin’ny ady hevitra politika. Raha ny mpisoloky hevitra no mihambo hanao ny fampihavanan dia tsy hanana ny fahombiazany izany. Ilain’ny Gasy ny mampijoro indray ny fireneny  mba hananay ny fanjakana tena hifandimbiasan sady manaraka ny fenitra hifanajan’ny samy gasy.

3 pensées sur “Fampihavanam-pirenena : Tsy azo isandohana sy atao peta-toko”

  1. Raharaisiko io tenin’Atoa Mektoub io « raha ny mpisoloky hevitra no miambo hanao fampihavanana dia tsy hahita fahombiazana… »
    Ny slogan vohizin’i Jouelina kely mantsy dia ataony fotsiny hi-défier-na ny hevitry ny sasany,ary dia tsy ahomby velively satria tsy ho takatry ny sainy mihitsy ny anton-javatra fonosin’ilay teny.
    Ohatra roa fotsiny :
    1- io fampihavanam-pirenena io (réconciliation nationale) , dia inona no nasetriny an’io ?  » FITIAVANA  » (ary dia nanalàny mihitsy aza moa ilay teny filamatry ny repoblika hoe : FAHAFAHANA) Défi izany ! Izao izy indray no miresaka réconciliation !!! toy ny any Côte d Ivoire koa e !
    2- ilay hoe  » tohizo ny lalantsika « ,dia inona indray no nasetriny an’io ?
    « INY LALAN’INY »,ny fotok’hevitra tsy takan’ny sainy fa dia copiage,défi…
    Ny tena ratsy dia ity : ilay tanjona hitondrany ny tany sy ny fanjakana dia tsy misy izany hoe fitsinjovana ny firenena izany mihitsy na kely aza fa :
    ny hanatanterahany fotsiny ihany na ino-kidina na ino-kiantra,ny tsy fitiavana an’i filoha Ravalomanana ao anatin’izany ny fialonana,ny valifaty (VIVA nakatona),ny toetsaina feno eboebo,izay tohanan’ny reny malalany sy ireto gasy collabo tsy miraharaha mihitsy izany hoe mizotra ho any amin’ny fanjanahana ny fandehan-javatra !
    Dia hita manaraka ao daholo ireto gasy snobinards tsy mivonona mihitsy na iray segondra aza hamakafaka izay tsy mety ataon’iret putschistes.
    Raha ny frantay indray dia mazava fa ny 2è mandat an’i Ra8 mihitsy no efa NOKENDRNY ho « sauter-na » Mazava be !

  2. Ity conférence nomena ity dia toa fampifangaroana zavatra maro tsy misy ifandraisany ; inona no ifandraisany ny fampihavanana sy ny halatra ( bois de rose..) ,ary nahoana moa no tokony hampihavanana ny Malagasy ? ny jiolahiboto nokaramain’ny frantsay ,rjoelina sy ny namany miampy ireo mpanao paolitika nanohitra ny fito,drana RAVALOMANANA MARC ve dia azo heverina fa tena tambatra ilaina fampihavanana..!
    Ity fampihavanana ity dia fakana tahaka ny famindranana ny Firenena tao AFRIKA ATSIMO , IZAY TENA ROVITRA , NISARA-MAZANA , ARY NITSITOKOTOKO..NISY NY FOTSY NITAZONA NY HARENA SY NY NITANTANA NY FIRENENA , NISY NY MAINTY IZAY MARO ANISA NO SADY MAHANTRA , NISY NY METISY..IZAY TSY MANAN-KARENA NEFA TY DIA MAHANTRA BE KOA..

    TSY MISY ITOVIZANA AMIN ‘NY ZAVA MISY ETO AMINTSIKA IZANY..
    ARY IREO IZAY MIHEVITRA FA MISY FITOVIZANA NY ZAVA-MISY AO AFRIKA ATSIMO SY NY SEHO-JAVATRA ETO AMINTSIKA DIA MPANDAINGA …!

    NY ZVA – MISY TO AMINTSIKA DIA NY FAHANTRANA SY NY HARENA TSY VOAFEHINTSIKA SATRIA MARO IREO MAMBA MITADY HAKA IZANY..

    KOA AVERENO HAINGANA NY DEMOCRATIE , NY FIFIDIANANA MBA HANDRAISAN ‘NY VAHOAKA NY TENY SY NY FAHEFANA..
    MIFIDY AM-PAHALALAHANA NY MALAGASY
    MANDRAY ANJARA EO AMIN ‘NY FAMPANDROSOANA NY MALAGASY REHETRA INDRINDRA IREO HEVERINA HO KELY TSY MAMINDRO..
    EFA NATAONTSIKA IZANY TAO ANATIN ‘NY FITO TAONA ( 2002 – 2009)FA IZA MOA IREO NANIMBA IZANY TANY AMBOALOHANY KA NIHAFARA TAMIN ‘NY FANONGANAM-PANJAKANA , RAJOELINA VE NIKOTRIKA NY FANONGANAM-PANJAKANA ATRAMIN’NY 2002 ?
    NY FAHATSIARONATSIKA IREO ASAN ‘NY MPANOHITRA TAMIN ‘IZANY DIA TENA FANAZAVANA IO FOTOANA 2002-2009 IO !
    INONA NO NIATOMBOHAN ‘NY DISADISA ? TSY NY FANIDIANA NY RADIO -DRAJOELINA IZAY NAMOKA NY FANAMBARANA NATAON – DRATSIRAKA VE ?
    ARY IZA AMIN ‘IZAO FOTOANA IZAO NO MIZIRIZIRY MANOHITRA NY FEUILLE DE ROUTE ,
    ARY NAHOANA I RATSIRAKA NO TSY MITENY NA MANOME NY HEVINY AMIN ‘IZAO FOTOANA IZAO ?

    NY SADC NO NANAVOTRA ANTSIKA ARY ISAORANTSIKA IZZ AMIN’IZANY FANAMPIANA ANTSIKA IZANY..
    FA TSY MAINTSY HEFANA TSARA NY ASA NATOMBOKA DIA NY MANAPAKA TARANGANA IREO FAKAN ‘NY FANJANAHANANA ANTSIKA INDRINDRA NY FAMONGORANA IREO TST MATY VOALAVO AN-KIBO KA MAMORINA ANTSANGA TSY AMAN ‘ORANA EO AMIN ‘NY FIARAHA- MONINA MALAGASY IZAY MIANKINA AMIN ‘NY FIHAVANANA SY NY TENY IERANA !TSY VELONA NY MALAGASY RAHA SIMBA NY FIHAVANANA ! MOLA VELONA TSARA NY FIHAVANAN’NY SAMY MALAGASY
    KOA ESORY ARY ADINOY ANY IZANY FAMPIHAVANANA IZANY.!SATRIA TSY MARARY ARY TSY ROVITRA NY FIRAISAN ‘ NY MALAGASY !.TSY MISY ILANA IZANY !

    AVELAO NY MALAGASY HIAINA HAFAKA , HO VELONA AMIN ‘NY FIFANKATIAVANA ARY HIRAY HAMPANDROSO NY FIRENENA MALAGASY !
    IZAY HAMPIVAOTRA ANTSIKA ARA-TOEKARENA , ARA -BATANA , ARAN -TSAINA
    NO TSY MAINTSY HIEZANA MAFY MBA HITOVY FENITRA SY HO SAHALA ISIKA NA TSY MITOVY HEVITRA AZA : IZAY NO HAREM-PANAHINTSIKA OLOMBEMONA MALAGASY !

  3. Marina daholo ireo voalazanao ry antenaina !
    Ny Viva nakatona dia fandranitana na pure provocation, nitadiavana hirika mba « hanamarinana » ny fanonganam-panjakàna ; fanonganam-panjakàna izay nikotrohana hatry ny ela, ary voavolavola efa tamin’ny 2005. Anjaran’ny rehetra no mieritreritra fa tsy ny Filoha Ravalomanana irery ihany, no lasibatra tamin’io heloka be vava io !
    Nisy tanjona maro, hafa dia hafa koa !
    Tsy hisy izany fihavanam-pirenena izany, rahatoa ka mbola tsy misy manaja ny Lalàna sy izay zavatra rehetra natao teny hieràna sy nifanarahana ! Anisan’izany io FDR io !
    Hitondra soa ho an’ny vahoaka sy ny Firenena ve io Fanonganam-panjakàna io, satria toa manaiky an’io daholo, na sitraky ny fo sy ny saina izany na tsia ?
    Ny mahazo an’ny Grika amin’izao fotoana izao, dia tsy inona akory fa vokatry ny fanonganam-panjakàna nataon’ny miaramila taloha !
    Il faut savoir tirer des leçons, à partir des erreurs commises par les autres !
    Un peuple sans mémoire est un peuple sans avenir !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *