Fikambanan’ny zanaky ny Faritra : “avereno Dadanay”

My beautiful picture

Manoloana ny  fisavorovorana ara-politika, niteraka ny krizy eto amin’ny firenena izao,  dia nihaona tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny foibe toeran’ny TIM  Ampandrana,  ny Unions des Associations Zanak’i Dada (UAZD) avy any amin’ny faritany .

Nambarany fa tsy miova ny tanjona izay kinendrin’izy ireo dia ny famerenana ny filoha  Marc Ravalomanana  ary  ho fampandaniana azy indray eo amin’ny fifidianana ho avy.Tsy misy olona afaka  hampandroso haingana ny Dago raha tsy Ravalomanana hoy izy ireo, hanantanteraka ny fampandrosoana sy fanarenana izao fiainam-bahoaka izay nitotongana izao .Marihana moa fa nahitana ireo mpikambana avy amin’ny lafivalo no niatrika ny mpanao gazety teto, « ny vahoaka madinika  ankehitriny dia ataon’ireo mpitondra  sy mpanao politika anjorom-bala satria izahay vahoaka any amin’ny faritany dia mahatsapa fa tena lasa tany lavitr’andriana izahay » hoy ny fanambarany hatrany.Mampitandrina ny mpitondra tetezamita ankehitriny ny UAZD avy any amin’ny faritra Toliary mba hametram-pialana rehefa tsy mahavita toy ny tamin’ny fitondrana Ramanantsoa satria tena mahatsiaro latsaka an-katerena  lalina ny fiainam-bahoaka ankehitriny koa mila harenina haingana izany, hoy hatrany ireto Zanak’i Dada avy any amin’ny faritra ireto .

4 pensées sur “Fikambanan’ny zanaky ny Faritra : “avereno Dadanay””

  1. aza menamenatra mihitsy,isika rehetra no miaraka mitaky!tsy maintsy tonga izy ary hotohanantsika hatramin’ny farany raha mbola vonona hampandroso an’i Gasikara.mahereza ry longo aby e!hafa avao ty olo mahay ty mahasoa an-tegna,reto henaniky ireto raha hangoron-karena sy hitantavana ny an’ny hafa ro tetiny.courage koay tika iaby!!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *