Gal Rabotoarison Sylvain : nanome toky ny miaramila fa tsy hamerina an-dRavalo eto !

resize_image

Araka ny angom-baovao marim-pototra voaray dia nihaona tamin’ireo « mpibaiko ara-tafika »  ny Jeneraly Rabotoarison Sylvain afak’omaly.Nodinihina tao fa raha izy ny voatendry ho praiminisitra dia nanome toky ny « tafika » fa tsy hamerina an-dRavalomanana velively ny tenany.Taorian’io fihaonana io moa dia nihaona tamin-dRajoelina ireo « begalona » ireto nitatitra sy naka toky ny amin’ny fanendrena .

Araka izany dia mirona amin’ity jeneraly ity ny sain’ny « mpanongam-panjakana » na dia efa fantatra aza fa tsy hahazo ny marimaritra iraisana amin’ny « mpanohitra »  sy tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena velively raha lalan-tokan-jotra hatrany no ataon-dRajoelina sy ny forongony.

21 pensées sur “Gal Rabotoarison Sylvain : nanome toky ny miaramila fa tsy hamerina an-dRavalo eto !”

  1. Ne commentons pas cette prise de position qui n’est qu » etotra alika  »
    Je ne pense pas que ce zandary ,que je connais ,car j’ai été médecin-chef de la gendarmerie , qu’il fait l’unanimité au sein de la gendarmerie…, alors au de l’armée.
    Croyant comme tsimandrava , après avoir été ministre de l’intérieur ,il va bénéficier de  » affection des gens de la police  »

    Seulement , sa déclaration intempestive et irresponsable aura l’inconvénient d’incommoder la SADC , qui pourrait ne pas accepter un tel défi à la feuille de route..
    Ce gendarme doit savoir ce qu’est une loi , un traité international signé par les Nations – Unies !
    Ce gendarme dispose de combien de divisions et de dollards..
    Il a manqué l’occasion de se taire..!

    NB IL ME SEMBLE QUE CE ZANDARY A DES LIENS DE PARENTE AVEC LES ZAFY !

  2. Zandary ohatran-dry Risara baomba ihany tony…

    Sao hoe efa nitàna andraikitra t@ andron-dRatsiraka – Ratsirahonana – Ravalo?

    Efa hoe : « Premier ministre de consensus doit avoir la confiance des partis de l’opposition, y compris les trois mouvances.», fa inon’indray ty PROVOQUERn’ireto?!
    ==> penser gagner du temps pour en perdre davantage

  3. Tena mahitahita mihitsy ngé Mydago amin’izany feom-baovao izany a. Tokony hiteny haingana ny Jeneraly raha mari-pototra tokoa izany na tsia fa mety karazana vaovao ohatr’izay fotsiny no tsy mahalany azy..

  4. Tokony antsoina ny SADC miaraka amin’ny CSP (conseil de sécurité et de paix) handrindra ny rafitry ny tafika vaovao.Io fandrindrana io di

  5. Tohiny
    io fandrindrana ny rafitra vaovao io dia hiarahana manantontosa miaraka amin’ny akademia tsirairay avy.hatramin’ny coup d’état dia rava ny constitution ary tsy manana souveraineté intsony iMada ka noho izany tsy manam-pahefana na amin’inona na amin’inona ireo manambaninahitra ireo.Rehefa eo ny SADC dia miforitra ohatra’inona nefa rehefa lasa dia miseho be mokony.Tokony alefa retraite daholo ireo na rayé fa mihinam-bola ny vahoaka fotsiny

  6. Bemahafohy,

    Amn’izay ve ho hain’ny olona tsara hoe tahaka ny ahoana ny fiainana anatin’ny firenena malagasy?

    Tsy efa mahamenatra ve hoe ny vahiny no nandrava an’i Madagasikara dia mbola ny vahiny ihany koa no miezaka ny manamboatra azy?

    Asa!

    Kanefa jereo ny fanalikan’i Guéant sy ry Sarkozy ny vahiny eto Frantsa, dia jereo fa ry vendrana mianakavy no manindraindra (promouvoir) ny Paris Moulin Folies… Dia hanao tahaka an’ireo vendrana ireo ve?

  7. gesticulation tahaka ny mahazatra fa aza taitra! havoaka daholo izao olona rehetra izao mba hampiseho amin’ny rehetra fa olombaovao mitondra hevitra vaovao nefa ny eo ihany no eo. JEREO NY FEUILLE DE ROUTE dia hampiaro araka izay voalaza fa aza be cinema! fa tsy ketrina akory ny Malagasy!

    Mila maharitra kely fa efa hoavy ny fanavotana ity firenetsika ity!

    NDAO! DIA MINOA FOTSINY IHANY!

  8. Tena mampalahelo Rabemahafaly le firefarefan’ny toetsainareo a! io fanaovana ny tafika malagasy tsinontsinona io no efe nampinana ny dadanareo, izay niantso ny officier Sud Af, hi komandy ny miaramila gasy, de voadaka @ ambavafony, de mbola tsy mahay miaina foana. Ora sivy anie no nifandahatra ny galona gasy sy ny an’ny SADC, fa nody nilanja an’izy telo fotsiny e! ary mbola gidra koa no ilainy, naninona no tsy nahasahy niditra, ampy azy reo ny anay, masina ny tanindrazana, de inona no vitan’ireny tonga teo ireny, nanindry kanefa voatsindry, nahoana ny tafika, no stsy azo nahodin-doha? jereo tsara ny fiaingany, fa misy fetra ny fandeferan’olona, fa raha tafahoatra loatra, ny fitsabahan’ireo SADC sy troika ireo ny tokantranon’ny gasy, de handray fepetra @izay Andry sy ny miaramila, fa sty voasotra ao @ tondrozotra, ny hoe tsy azo atao PM ny tafika, sy hoe tsy maintsy opposition ny PM, na hoe raha vao tsy mankatoa ny iray @ opposition, de averina indray, hevitra vao niforona avokoa ireo, ary ianareo no tena manova io tondrozotra io de lazaina daholo ty atsanga tsy @orana retra ity, manao vavan’ny mpitaty rakena, sy rovitra pa ,ta ao @ magro, nefa ANDRY eo foana ary mbola ho eo foana, ary mbola ho voafidy @ 2012, de manao vavan’ny kanosa fotsiny, lany andro 3 taona , fa aleonay r’ise maty mosary mitsipaka toy izay ny fiandrianam-pirenenay no hitsakitsahana a! de ho hita eo, iza no ho resy, fa ny vava no be fa tsisy tolona vita eo, fa hatramin’ny 2009, no efa heno io hoe vita @izay, fa vizanae! bala rora de hahavita inona. Tsy tia frantsay kanefa mialoka migoka ny maminy eto, raha manan-kambo, na mody, na mifindra atsy Allemagne, na any Sud Af(hi!hi!hi!) na manabory lela, fa ry Naika be ambo ery ,nefa de tsy mahafoy hiala eto Frantsa, raha tena tia tanindrazana, mandeha mody, de miltsaha mitolona sur place, fa mila azy i Mada, ankoatr’izay, resaka mandany jiro ,fotsiny, tsy azo ariana aloha le Satut de réfugié politique, fa raha vao mody de tsy manan-danja intsony, de tsy tafaverina aty france intsony avy eo satria tsy ho lany PM velively, fa aleo aloha miandry nationalité frantsay, zay vao mody de afaka miverina mora, de io marina io lazaina @ vahoaka gasy ry Naika fa aza mody ny tsy te hihaona @ Rajoelina no fialana bala a! de mahereza hatrany @ tolona, fa tsisy fika intsony dadanareo mody izany! de aza matahotra an-dRabe oa, fa bandikely tsotsotra izy, fa maninona no fafana ny opinion ny! tsy mahazaka demokrasia ve e?

  9. Misaotra anao Masinteny! ndao ary! lasa izao TSA MIPODY KOA!
    Mba nahazo toky kely aho io koa izay no hanamafisako anao eto fa MARINA ny ANAO ,
    kely sisa,fandrika ho an’i domelina daholo izao koa ,izy ihany no miady lavaka HILEVENANY eo fa tsy Gasy
    akory ireo olona SADEC ka ho lalaoviny sy ho FITAHANY lava eo???ny BE KINTANA koa efa miandry fotsiny
    ary tsy hankasitraka velively io Domelina io koa aleo HIBILABILA eo ihany fa HO AVY NY ANJARA TANDRIFY
    NY OLONA TOY ireny e!!!tsy maintsy hanaraka ireo NAMANY 2 efa nialoha lalana azy ihany izy fa aza maika!!!
    Sady hataoko fa efa tena tsy misy azo HANDEFERANA intsony ny FAHOTANA MAHAFATY vitan’io ALAKAOSY io,
    tsy mitondra afa tsy ny ratsy ary milomano @ izany.

  10. Alidera,raha misy vahaolana avy aty amintsika dia tena mahafaly tokoa.Efa nanome soso-kevitra ny legalista sahala amin’ny RODOBE, nisy aza mitady ny mafimafy kokoa noho izany.Toa tsy nahitana valiny.
    Nisy hevitra naroso ny namana Njara teto momba ny conseil national de transition mbola miandry valiny koa.
    Ary raha ny CSP anie no tonga tsy azo lazaina loatra hoe vahiny satria ny fianakaviamben’ny firenena mikambana izay misy antsika koa no soloin’ny tenany.
    Ary farany mety manalika vahiny i Guéant sy Lekely izay koa angamba no mahamisy takalon’aina vozongo eran-tany.Lekely efa vahiny rahateo ny fiaviany izay novasohan’ny italiana sy ny anglisy tany Roma sy Londres ary efa manomboka tsindrin’iAngela ihany koa.
    Farany, raha misy soso-kevitra matipaika analana an’i TGV avy hatrany ka mety ho lanin’ny besinimaro dia tsara aroso eto mihintsy.Fa hatramin’izao aloha mbola mila ny CI isika indrindra fa ny hanalana ireto be galona kely saina ireto.

  11. Misaotra an’izay nahafafa ny opinion- DRABE!!mandany kahier be !sady makarary maso,
    efa tsy misy mamaky intsony, koa tsy aleo fafana ??mibahan-toerana fotsiny,na tonga izy na tsy
    tonga tsy anao fa HANDRINAY FOANA ny DADANAY e!maminay foana iny ary tsy DOMELINAO MIHINTSY NO HISOLO AZY
    mba sanatriavo ihany na MBOLA HANAO SORONA avo 1000heny noho ilay nataonareo t@ 7 fev aza ianareo : SANATRIA!
    sanatria! sanatria!Dia tsy izay fatin’olona rehetra izao no handidy izay fahatongavany na TSIA???AZAFADY! A-tra ireny ihany
    no mandidy ny fiainany satria olon’A-tra iny.
    Ny anao anie Rabe fanalana TAHOTRA fotsiny no manesika anao hanoratra lava be tsy misy azo RAISINA na « a » aza ,dia ianao
    ihany no mamahandalitra ny tenanao eo,dia miezaka mafy ery manamboatra saina ,nefa efa tsy TANA intsony ity tantara ity.Mba
    matsintsiana @ izay sa mbola tsy voky??? ilay tody miandry avy aty afara no tsy laitra an!! ny an’i dada manaraka ny lalana velona
    ihany fa aza matahotra ,tsy misy handroba toy ny fanaonareo eo e!misy tompon’andraikitra mifehy ity tany ity dia izay no hitondranay
    azy ,MANARA-DALANA FOANA .

  12. Rabe!dia asaivo mody koa ny vozongo any amintsika na ny zanatany aza.Tany côte d’ivoire aza efa ataon’ny ivorianina mahita faisana mbola miverina any ihany ny tsotsoka satria koa mahita tombony any izy.Ka jereo tsara ny fandehan-javatra.

  13. Mampme be Niry, efa mipelipeli-drambo toa an’i domelina koa fa tena io
    no izy ary tena hilaina io Gal io, fa hadinonareo fa mbola eo ny SADEC sy ny ankolafy 3 HANAPAKA FARANY
    na iza ny iza TIANAREO ho eo.Aza manantena taitsokona hoy izay olona izay.Ndana mba miaza lavidavitra dia
    ahita fa tsy izay TIAKO INTSONY izao fa efa vita ny SONIA!tsy maintsy HARAHANA na faly DONTO ny tsy FALY.

  14. Io raha mbola miaramila no manao politika dia tsy mi- passer mihintsy ,na miaramila retraite io na tsia,ary raha mbola mamofona naman’i Tgvendrana sy ny panohana azy ny Pm eo dia bye bye ny fankatoavana iraisa-mpirenena.

  15. Fa inona no handehan-dry Sud Af aty France e? Raha favy ireny, tsy tokony ho mandadilady aty France aty.Mbetika ilaina lafrantsa, mbetika dakana, aiza ihany re izy ity e! ary io miteniteny foana io oa ny mahavoa anreo BEMAHAFALY, de aiza ny nalehan’i GBAGBO, nanenjika Frantsay, tsy ny Frantsay no nangarona azy tao anaty lavany tao! de jereo ireny investiture ny WATARA « putsch » ireny, ahoana ny fideraderany an’i Sarko!
    Tsotra r’ise a, raha ny momba an’i Lafrantsa, de azo ampitahaina tsara Gbagbo sy Ravalo, fa mila raharaha ohatra an-dRainizafilemena, mikitikitika vodin-tsoavaly, de ireny no niafarany! de ahoana le zanak’i Kadhafi, niteniteny foana, hoe zahay no namatsy ny propagande ny Sarko, de ahoana no nanaovan’i Sarko azy, fa io Sud Af, tonga aty io anie miangavy fotsiny an’i Lafrantsa hoe, aza miditra @io ianareo, fa aleo hanaovanay azy, de ireny parlemantera Frantsay be de be tonga tany Dago omaly ireny no valiny, fa tsy hitanareo ny hanaovana an-dRainlekely, de rediredy sisa. Inona ary izay tsy natao izay, attentat, rodobe atsy sy aroa, la casse, fa nandamoaka avokoa,de hiandry rahoviana indray? de lay réconnaissance internationale sisa no arme farany, kanefa ny olona handroso foana, na ahoana na ahoana de tavela farany ny mpanenjika, fa Ravalo izany oa efa tantara tranainy! raha menace zany oa, tsy de misy atahorako anareo, fa aoka hifanaja fa samy gasy, ary Rajoelina tsy matahotra anreo izany, fa menace tsy miohatra ny an-dry Charles si Coutiti nareo teny @ BANI, ireny, de ahoana ny namalian-Rajoelina azy, sy ny niafarany! na Ravalo, nareo, mamono biby tsy mahafaty, de nifoteran’ny rambony! de alaivo tsy taitra oa raha hanao zavatra, fa aza manao tsobo-dranon-dRamiangaly, miala rehefa mafy ny ataky, ary ireny fialan-dRavalo ireny, halemena ireny fa raha nahatoky fa mamim-bahoaka, fa raha nametra-pialana Ravalo, na de notsaraina ka nigadra aza, de vitan’ny vahoaka ny namoaka azy tao, ary tsisy menace de mort, raha io no lalana nizorany!de raha ho faty aho matesa ry zanako, iny dadanareo aloha no lasa, tohizo ny ady, de ze maty eo maty, fa kamboty eo aloha nareo, ary raha zanako aloha tsy avelako hohanin’ny adve irery eo e! tena tia tanindrazana oa Rabainareo. De aza be rediredy oa, fa Rabe toujours près! OK?

  16. Tena tsy haiko be inn ity Rabe ty fa tena tsy gasy intsony angamba sady tsy mahalala mintsy ny zavatra takian’ny gasy!… tsara kosa anefa izy miteny @ zay fantatra tsara ny haratsin’ny ao an-dohany sy izay misy azy azy satri tsy eto @ tanàna izy raha ny fahitako azy.

  17. Rabe!ny tany Côte d’Ivoire efa nisy vazaha maty sady very entana, nefa Gbagbo mbola velona.Efa nahita faisana tany ny vazaha betsaka nefa mbola misisika any ihany satria misy tombon-tsony ao.Na ny nitsoaka aza tamin’ireny sahotaka ireny mbola nisy no niverina.Ka ianao no tena tsy manara-baovao ary aza fohy fisainana fa tsarovy ny nataon’ny mpanjanaka tany amintsika ary no mbola ataony hatramin’izao.Raha ny sitrapony ny fanjakana vozongo dia maty i Gbagbo satria nampamono tsotsoka.

  18. Rabe!Ataovy ny fifidianana Ravalo vs Domelina dia ho hita izay mamim-bahoaka e!ianareo anie tsy te hampody an-Dravalo satria matahotra azy ry Rabe.Mamy ny zanaka Rabe raha ohatra koa ianao mbola gasy ka tsy manome tsiny azy izahay raha nitsoaka izy sy ny fianakaviany.Ary tadidio fa anisan’ny nanavotra an’i Libye ny Anglisy sy ny Italiana ary indrindra ry zareo arabo amin’ny alalan’ny internet ankoatran’ny herimpon’ny libiana.Ary farany raha mahay tantara ianao dia nahita faisana ihany koa ny vozongonao tany Alzeria sy Viet-nam.Araky ny tenin’i Verbeeck ohatran’ny tsy gasy ianao.

  19. Ny tolona dia mitohy hatrany satria mbola maro ireo bainga tsy maintsy havadika ary aza hodiana tsy hita ny fankasitran ‘izao Tontolo azy izay fitondrana mitsangana eo..
    Ny SADC amin’ny alalan’ny TROIKA tarihin’ny Président JACOB ZUMA no
    maraka ny fanantanterahana ny feuille de route ary mihambina ny frantsay tsy hanao bodongerona na amboletra mandritry ny fametrahana ny Tetezamita vaovao..!

    LA SADC PREND SES RESPONSABILITES ET VEILLE A CE QUE LA FEUILLE DE ROUTE SOIT APPLIQUEE DANS SON ESPRIT ET DANS SA LETTRE C’EST-A-DIRE QUE LA TRANSITION SOIT
    N’OUBLIONS PAS QUE NOUS SOMMES MEMBRE A PART ENTIERE DE LA SADC ET QUE NOUS N’ADMETTONS PLUS NI INGERENCE NI SURTOUT TOUTE FORME DE COLONIALISME !

    CONSENSUELLE ET INCLUSIVE , VAILLE QUE VAILLE ET ENVERS ET CONTRE TOUT !

  20. ERRAEUM !
    SVP! VEUILLEZ LIRE A LA FIN DU DERNIER PARAGRAPHE , ALA SUITE DE  » QUE LA TRANSITION…SOIT CONSENSUELLE ET INCLUSIVE. »

    JE VOUS REMERCIE !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *