Guy Maxime Ralaiseheno : manangoly ny miaramila ny Gal Rabotoarison !

My beautiful picture

Nitohy androany ny hetsika tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana.Tamin’ny fandraisam-pitenenan’ny solombavambahoaka, Leriva Manahira no nilazany fa tompon’andraikitra amin’izay zavatra mety hiseho Rajoelina raha miziriziry tsy mihaino ny ankolafy telo.Novakian’ny Guy Maxime Ralaiseheno indray kosa fa manangoly ny miaramila hanohana azy amin’ny toeran’ny praiminisitra,   any anaty toby miaramila any ny Jeneraly Rabotoarison,  izay nomarihany fa efa voasoritra mazava fa tsy tokony ho miaramila ny PM.

Azo atao  miaraka amin’ny fanendrena ny praiminisitra ny fampiharana ny artikla  faha 20 ao anatin’ny tondrozotra hoy  Jeanson.

Tadiavin’ny FAT angalarina ny tranon’ny filoha Ravalomanana etsy Faravohitra hoy Ignace .

5 pensées sur “Guy Maxime Ralaiseheno : manangoly ny miaramila ny Gal Rabotoarison !”


  1. Tsy mety intsony ka ! Hivadika zavatra hafahafa ity Magro ity raha izao no mitohy !

    Angamba izaho no tsy mahay teny gasy, fa tsy azoko velively ny zavatra voalaza amin’ity article ity !
    Inona moa no dikan’ny hoe « manangoly » azafdy Tompoko ?!!!

    Raha azo atao re Tompoko, aoka izay ny fitarainana isan-karazany e !
    Hetsika efa mandroso, ka ahoana ihany ity mamelona kabary lava ity ?!!!-

    ASA FA TSY KABARY e !

    Raha tena vonona ianareo milaza mpanao politika ireo, alaivo tahaka ny ataon’i Madame Naika Eliane : aoka tsy intsony hanao resabe amin’ny Rajoelina, fa dia samy manalavitra sy TSY MILA RESAKA AMINY dia vita !

    Na tianareo na ts tianareo, olona efa tsy Legal intsony ny PHAT.
    Manao zavtra tsy Legal ary Tsy Legitime mihitsy, ka inona ihany no hifampiraharahàna aminy ?

    Samia mandray ny andraikiny, fa AOKA IZAY NY KABARY !

  2. ASA FA TSY KABARY E !

    Ianareo izay mbola handray fitenenana, ataovy izay hanombohana ny hetsika ivelan’ny Magro, satria :

    LEO ! LEO ! LEO KABARY !
    Ny kabary samy mahay, fa ny fahaizan mihetsika indray atao mba ho jerevana raha tena mahasahy e !

  3. Njara ! ny vahoaka dia » toka-po ohatra ny siny  » i dada sisa no hantenaina koa raha mbola
    tsy izy tsy hisy hietsika eo,satria sarotra be !efa nitarazoka loatra ilay tolona ka ny hery farany
    handrasana dia i dada ,koa raha mbola tsy eo izy dia toa hitolona ho an’iza ny olona izay efa reraka ny ady lahy sy fitaka
    politika??dia raha mbola izao ny fandehany dia HITOLONA ho an’iza ary hoy ianao? fa rehefa hitany eo dia ho fantany
    fa io no hitolomany ary hanao izay tratra @ izay satria efa io ilay FANANTENANA,fa raha mbola izao aloha dia ho sarotra
    ihany .Amiko aloha e!mampalahelo anie ilay fahadisom-panantenana lava ity e!dia aleo mihintsy vononina @ olona iray ny
    heritreritra fa efa tsy hita intsony izay mba azo HAMIKIRANA.

  4. Isika dia tsy tokony hanodinkodina resaak intsony! Efa mazava be ny resaka sy ny zava-bita ka aoka tsy averimberina intsony e! Efa ny vendra-tay Andy RADOMELINA aloha no eo, dia aoka isika hisikim-po amin’izany!
    Fa tsy hanaiky kosa isika raha mbola mpomba an’io lehiben’ny FATn’alika io no mbola ho PM! Tokony ho any amin’izay isika no hiady varotra ary hihetsika! .. Aoka atodintsika any amin’izany ny adintsika eto amin’ny MAGRO!.. Ary miala tsiny amin’ni Prof. ZAFY aho fa raha izaho manokana aloha dia TSY MILA MIHITSY an’izany BEZIKY izany
    Ireny porofo momba resaka « bois de roses » nahodikodin’ny HATay ireny kosa dia tokony ho ataontsika bala amin’ny fifidianana raha misy hirotsaka ireo FATn’alika ireo

  5. Tena grave mihitsy ny fandehan’ny Magro izany !
    Bezriziky – Leriva – Jeanson – …. sy io karazana Deputé tsy fantatra rehetra io, toa misisiska mikabary ao daholo !
    Tsy fantatra hoe avy aiza, tsy fantatra hoe inona no mba nataony – Tsy fantatra intsony izay foza sy tsy foza….

    Mila fitandremana ny fanodikodinana ny tolona !

    Tairo hivoaka ny Magro amin’izay ny tolona e !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *