HMF (Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana) : Sokafy ny Radio Fahazavana

PENTAX Image

Nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety, tetsy Ampandrana omaly ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana.Nivoitra tamin’izany fa mitrotro am-bavaka hatrany ny firenena  amin’ny fampanjakana ny fahamarinana ny HMF,  manainga ny mpino  hivavaka ihany koa izy ireo na dia tsy mety mahazo alalana amin’ny fivavahana an-kalamanjana aza.Manentana hatrany ny manana fahefana, ny mpanao politika sy ny olom-pirenena rehetra hanaja ny fahamarinana izy ireo.

Nopotsipotsirin ‘ny mpitandrina  Randriamisata Roger tamin’izany ny  tokony  hanajan’ny mpitondra  ny zo fototra hiteny malalaka, hanao fanompoam-pivavahana , hanaja ny zon’ olombelona sy ny aina.Aoka tsy handroba ny harem-pirenena ary hanaja izay efa nekena  hoy hetsiky ny mpitondra fivavahana.

Raha ny momba ny raharaham-pirenena indray dia nahitsy ny HMF, aoka ho olona matahotra an’Andriamanitra no hipetraka amin’ny toeran’ny Praiminisitra, olona vonona hampihavana ny rehetra ary tsy ny lafiny politika fotsiny ihany .Tsy adinon’ireto mpitandrina ireto ihany koa ny nilaza ny heviny momba ilay tondrozotra : « tsy vahaolana feno io ».Raha manana ny finiavana hampanjaka ny fahamarinana ny rehetra dia hivaha ny olana lalina mianjady amin’ny firenena.Na tsy niteny mivantana ny tsy fanajan’ny mpikambana ao anatin’ny  fahefana avon’ny tetezamita  ilay tondrozotra aza ny HMF dia naningom-paingotra , raha vao vita rangopohy iny tondrozotra iny dia tokony ho efa navoaka avy hatrany ny gadra politika rehetra, tokony ho vahana ny haino aman-jery nakatona, ary isan’izany ny radio Fahazavana hoy hatrany ny HMF.

2 pensées sur “HMF (Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana) : Sokafy ny Radio Fahazavana”

  1. Maeina izay ambaran’ny HMF momba ny fanelingelenana sy ny sakantsakana tsy hahafahana misitraka ny zo fototra haneho hevitra an-kalalahana, eny hivavaka an-kalalahana mihitsy aza !

    Tsy miraharaha izany ny Mpitondra F.A.T. ary majita fomba sy fanamarinana izany hatrany ireto F.A.R. ireto toy ny hoe : « gitandroana ny filaminana sy ny fitoniana », iaraha-mahalala nefa fa isan’izay takin’ny Tondrozotra voasonia ny hiantohan’ny F.A.T. ny fahafahana haneho hevitra !

    Koa aoka ny rehetra mba ho sahy hijoro hitaky izany fa tsy havela ho an’ny H.M.F. ihany izany !

  2. Efa eo indrindra isika izao fa miandry ny rahampitso e!
    izay voasoratra dia voasoratra fa aleo hiadaladala eo ,izao tontolo
    izao mihintsy no miandry io rahampitso io koa avelao hanao lalakitakisoa eo fa ny BE KINTANA Koa efa vonona.
    Tsy hisy hirika hibolisirana intsony eo,ary tsy maintsy ary mbola hanaraka ny FITSARANA rehetra satria ny tanjona
    dia ny FIALAN’ny MPANONGA-PANJAKANA mba HANGALARANA sy HANDROBANA,tsy dia tena ilay fanonganana
    no inona fa ny tena loza dia SADY TSY NAHAVITA NO MBOLA NANDRAVA EFA, ny FAHAPOTEHINA manginy fotsiny.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *