HMF : Tsy tapaka ny mangataka toerana hanaovana fanompoam-pivavahana fa tsy nomena alalana hatrany

HMF

« Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo;  . . . .» (2 Korintiana 4:8)

Araka ny fanontaniana maro izay napetrakareo dia fifaliana ho an’ny HETSIKY NY MPITONDRA FIVAVAHANA ny milaza izao fanazavana manaraka izao:

Tsy tapaka ny mangataka toerana hanaovana fanompoam-pivavahana ny HMF fa tsy nomena alalana hatrany hanatanteraka izany fanompoam-pivavahana izany eto amin’ny firenena.

  1. Miombom-po tanteraka aminareo  hatrany  izahay ary tsy mitsahatra mikaroka ny hampanjakana ny fahamarinana hatrany eto aminity tanindrazantsika ity
  2. Miasa tsy tapaka hatrany ihany koa izahay ho amin’izany fahamarinana izany na dia tsy hitanareo maso aza.
  3. Mitrotro ambavaka tsy tapaka ho amin’izany fampanjakana ny fahamarinana izany ihany koa izahay na dia sakanana sy tsy omena alalana aza.
  4. Manentana antsika rehetra ihany koa ny HMF mba hivavaka tsy tapaka ho an’ny firenena na dia tsy afaka mihaona sy mifamory.

Eto ampamaranana dia mino sy matoky ihany koa izahay fa mivavaka tsy tapaka ho anay ianareo

« Ny fahamarinana manandratra ny firenena » (Ohabolana 14:34)

 

NY HETSIKY NY MPITONDRA FIVAVAHANA

12 pensées sur “HMF : Tsy tapaka ny mangataka toerana hanaovana fanompoam-pivavahana fa tsy nomena alalana hatrany”

  1. Any @ fiangonana iray hato ny fitoapivavahana ,ary hasivo ecran aty ivelanay ary fanamafisamppeo ,hataovy mafy ny filazana .

    ary aza mihanahana intsony.

  2. Mankahery anareo hatrany ihany koa!! Mivavaka ho anareo, mifampivavaka isika fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina amin’ny fitadiavana ny fahamarinana ho antsika malagasy izao!! Mirary soa hatrany, samia mijoro sy sahy hatrany eee! Jehovah efa miady ho antsika!! Omeny antsika tsy ho ela intsony ny fandresena!

    Samia tahian’ny Tompo!

  3. Mampahery antsika HMF hatrany e,aza kivy hianareo fa tsy moramora izany hoe mametraka ny fahamarinana izany,jereo anie reo apostoly sy ireo martiora nyfirenena e,nahafoy ny ainy mihintsy izy ireo tamin’ny fametrahana ny fahamarinana teto amin’ity tanintsika sy izao tontolo izao ity,dia tadidio arak’izany fa tsy maintsy mandalo sedra maro hianareo fa ny tiko ampaherezana anareo sy ny vahoaka Malagasy indrindra indrindra ny kristiana dia ny MATIO 5:manomboka eo amin’ny and faha 10
    D mahereza daholo e!ny Mino tsy maintsy mandresy ary tsy misy maizina mandresy ny hazavana izany

  4. Ary ny masoko ve no manjavozavo sa tena izy io?? tsy i satro-bory ve io manao ambony ambany fotsy2 io???
    namadika palitao sahady indray angaha zalahy io????o ray olona a!!!aiza izy ity e!!!vao oviana iz ilay nanome
    tsiny an’i Magro rehefa lasan’i foza tany na dia teo aza no lahasany taloha,dia io izy eo indray miaraka @ HMF??

  5. Fa maninona ny fivavahana atao fitaovana politika maloto e. fa mitady seza koa angaha ry pasitera. fa tsy ampy ny rakitra.
    Mampalahelo ny fitiavambola ireto HMF ireto,

  6. Ny vahoaka hono ny andrin’ny firenena ary ny mpino no andrin’ny fiangonana.Matetika dia iray ihany ny mpino sy ny vahoaka.Rehefa mahantra ny vahoaka dia ory ny mpino ka anjaran’ireo lohan’ny fiangonana no mampionona sy mankahery ny besinimaro satria tsy mahavita inona ny mpitondra ny tetezamita fa laozany manangom-bola amin’ny fivarotana ny harena malagasy.Ireo FAT ireo no tia vola mivarotra tanindrazana raha vao misy manao combien dia miditra fa aza ny HMF no omena tsiny.Tsy dia mandeha any am-piangonana aho kanefa fantatro fa mankahery ny mpino ny pasitera mba hiadiana amin’ny tsindry hazo lena.Tsy ohatran’i Ramino daholo ankory ny pasitera ka voavidy vola.

  7. Ry Ramino Paul tenenina izany ry Tanora a!! diso adresy foana ianao!!!
    efa zatra mifamototra ka hafototrao daholo ny FITENY rehetra eto.
    tsy izy mihintsy ianao e! na handahatra lainga lava eo ary,mamindra devoly fotsiny,izay sisa asanao eto
    ianareo sy i tgv.Dia mba mipiripirina @’izay fa ho avy i dadanay,hiaraka @ Fanahy Masina handroaka ny
    DEVOLINAREO.Io koa i satrobory atao fanomezana any aminareo any ,MIFALIA @’izay fa efa be izay,
    mety mbola hisy ao @ akolafy DADABE Zafy fa miandry kely aloha!!! mbola miasa A-TRA,A-TRA mantsy
    tsy azo tairina rehefa manao ny asany.

  8. Ary isika sy Bemafohy miara-manoratra foana dia Mifanahaka ilay resaka????
    Miasa be ilay FANAHY MASINA eto @’ity Mydago ity , marina e!!!jereo ilay ora
    nanoratanao dia jereo ny zavatra nosoratanao ,voatonona tsara ilay anarana Paul Ramino,tsetratsetra tsy haritra
    ihany iny.

  9. Misaotra anreo rehetra ao amin’ny HMF. Tsy hitsahatra ny hifampitondra am-bavaka isika e! ary tsy hanosika na iza na iza tsara sitrapò mijoro hoamin’izany fahamarinana izany!
    Hoan’i pasitera Feno izay tazako eo amin’ny sary, faly aho mahita anao mijoro mandrakariva!! Mampahery e!!
    Atolotro anareo, hoan-tsika rehetra ny tonon-kiran’ny fihirana FFPM: 731

  10. O ry Tanora ô, ny Fahefana avy @ A/tra ka raha hitan’ny Mpisorony fa FAT n’alika no mitondra ny vahoakany dia adidin’ny HMF ny mitrotro am-bavaka an’i Dago. Aza mety hidiran’ny Devolin’i Domelina be rambon-dalitra kopahan’ny miaramila ianao fa mba mifohaza amin’izay: mbola afaka mamindra fo aminao ny Avo fa tsy be fialonana hoatry ny anareo. Milahara amin’ireo HMF ianao dieny mbola malaina fa rehefa mazoto tsy ho afaka intsony satria ho ringana ny tarana-poza. Efa tsy manam-pahefana intsony ny FAT fa na i Jao Jean sous mandat d’arret sy nanaovan’ny syndicat de magistrature fanambarana aza tsy voasambotry ny Défense malagasy intsony. Rariny raha mihetsika ny HMF. Mankahery hatrany anareo HMF ny avy aty Tuléar eh!

  11. Tsy andry zareo le HMF mihitsy le rakitra sy vola mpiangonana sady ireo koa ange no atao anafenana ny zvtr ratsy tiana hatao tahaka ilay sorona hatao @ vahoaka teny @ fort Duscene de mbola tian dry zareo ho maromaro no sorona

  12. tsy azoko mitsy
    fa maninona ny fivavahana no atao fitaovana @ politika e!,sao dia ho kapohin’Atra @ io lehiretsy a!efa lesoka iray nampiongana andra-v8 teo io fampifangaroana zavatra io (FFKM,filoham-panjakana)io d mbola atao ihany.na ny mijery azy manao akanjo fotsy aza maharikoriko. maninona raha mandeha mitambatra fotsiny ery @ alika be mandry eny @ magro e???

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *