Ho an’ ny filoha Marc Ravalomanana

Marc-Ravalomanana5

Jehovah Tompo ô!
Tahio sy hatsarao
Ny taninay;
Tahio ny namanay
Ho tia ny teninao,
Dia ampahazavao
Ny nosinay.

Ovay ny fombanay,
Ho foin’ny taninay
Ny sampinay;
Omeo fo marina
Izao rehetra izao,
Ka dia mba iantrao
Ny nosinay.

Jehovah Tompo ô
Tahio ho olonao
Ny zanakay ;
Tahio ho zanakao,
Tahio ho marina,
Ka dia ho taninao
Ny nosinay.

Izay mpitondra anay
Tahio ho tia Anao,
Jehovah ô !
Omeo sai-marina
Hanao ny sitrakao,
Ka ampanompoy Anao
Ny nosinay.

 

(Tononkalo avy amin’i Andry Ralijaona, ex SG MAP)

19 pensées sur “Ho an’ ny filoha Marc Ravalomanana”

  1. Aza de atao fitaovana@ alahelo seza r’ise Andry Ralijaona Andriamanitra a! Andriamanitra no nanendry, de Izy koa no manaisotra! raha tena nitahy an-DRAVALO izy, de tsy ho ireny no niafarany, satria raha ny fananam-bola, sy ny hery(mamono mpiray tanindrazana), ny avonavona,ny fibodoana toerana(vice pd FJKM)…etc,de tena mifanohitra @ fitiavana, sy ny fanetren-tena, izay toetra maha Andriamanitra. Eny nalefanao manokana ho an-dRavalo io, sao mbola mety ho tsaroana ianao raha miverina @ fanjakany izy(Ravalo);nampifangaroanareo loatra mantsy, t@ fotoan’androny ny fivavahana sy ny fanjakana, izay raha ny Baiboly no jerena de fahavetavetana no dikany,de asiana vavaka kely aloha, de kabary politika, de ny articles sasantsany eto manompa sy feno famingavingana olona sy lainga mifafy, de io le lazain’ny Baiboly hoe: »Tonony ho zanakao foana izahay, fa ny ataonay ataonay foana »,de hoy ianareo hoe Andry Rajoelina no nanala an’i Dadanareo teo, kanefa aoka ho resy lahatra ianareo, fa olona iray izy, tsy hahalavo andrarezina sy manan-kery toa an-dRavalo, fa na iza na iza manam-bola, na iza na iza manam-pahefana, na iza na iza tapitr’ohatra, rehefa Andriamanitra no manaisotra, rehefa Izy no mandahatra, de tsy azon’iza na iza avily intsony ny tantara, de mandraisa lesona goavana teo @n’ny tanatara fa rehefa ny vahoaka no mitroatra, de tsy azo tohaina(vox populis, vox Dei), de hoy aho hoe: » mandiniha foana sady mianara manetry tena ianareo tompoko ô! » de ampitampitao an’i Dada ny lesona e!

  2. Rabe sampy o!!!! aza tonon2 ny anaran’A-tra e!!!!!
    Tsy ity ho fianjeranareo ANDRASANA ry foza a!!!!!!
    « Lanitra tsy hianjera no tohanana fa ny VODY lanin’i moka tsy hita!! »
    aiza no niafaran’i dadanay?? VAO MAIKA MAMY BE!!!!vao maika lelafin’izao tontolo izao » fa izy no izy »
    vao maika dadanay NAHIRATRA be !!! Miankohoka aminy IZAO TONTOLO IZAO!!! any aminy ny LAKILE!!!!
    Ary aza mba tonontononinaAZAFADY ny anaran’A-tra fa olona MPANOMPOSAMPY daholo.Iza no anendry izay domelina teo???
    Sao dia tokony ianreo no homena lesona fa MISY LALANA MIFEHY ITY TANY ITY FA TSY IZAO FATIN’OLONA NOTSINDROANA
    TENY @ DABA -PAKO REHETRA IZAO NO HANDIDY IZAY TIANY ETO !!! MAZAVA ve ry foza !!!!

  3. Tsy olona toa an’i foza no tokony hanana tra anay @ fanetren-tena fa
    raha nahay nanetry tena ianareo niandry FIFIDIANANA fa tsy nanao
    amboletra fa mba manana basy sy voavidy,fantatrareo tsara mantsy fa TSY AHARESY azy @ fandatsaham-tato
    ianreo koa aleo KALAK no hampiasaina malakilaky kokoa.Izany no aina koa mba be vava!!!!ary mbola gasy koa
    no natao SORONA teo vao tonga t@’izao toerana ho @ FANDROBANA SY FANGALARANA Izao ianareo.Koa inona
    no hitatatatana eo fa tsy miandrasa ny FITSARAN’A-tra fa efa mandeha tsikelikely izy izany.efa andalana io kah!!!
    aleo ho hita eto izay RATSY e!!!!!

  4. Ö Rabe a! fa angaha ianao no nirahin’Andriamanitra hisolo-vava Azy??? Niteny taminao ve Izy hoe mipetraha ianao Rabe ho mpitsara??? Hanky ve nambarany taminao ny sazinay!?

    Nitolona sy nanongana tamin-kery ianareo, ary famoretana sy fahalòvana ara-tsaina, ara-piarahamonina, indrinra indrindra nopotehinareo ilay fanahy maha-olona!!!

    Izahay kosa mitolona am-pilaminana ; tsy misy fampiasan-kery velively na mihatra aman’aina aza!!! ny antony!! Mino sy matoky hatrany ilay teny hoe: Ao anatin’ny fahanginana sy ny finoana no hisiann’ny herinareo, Jehovah hiady, fa izahay hangina. (Mitolona tsy amin-kerisetra) Andrinay foana ilay Atra tsy andrinareo, ka anaovanareo ny loha-saha ho mangina eeeee!!!!

  5. ry rabe ko te handany rora fotsn @ reo alika reo,taiza no nisy alika niaiky ny fahadisoany??? de lazao indray fa tsy nanongam-panjakana hianareo t@ 2002,nanao inona zany reny reserviste no-recrutenareo reny??? d lazao in-1 fa tsy nisy an’zany???
    ry ranavalona koa ange ry rabe ka maîtresse-n-dada e!!! miady aminy ianao raha milaza ny tsy nety nataon’dada.
    HAFATRA: zay no mbola ts mampandroso an’ty tany ity, ny olona efa nanao fahadisoana dia mbola lazaina ihany fa ts diso,ts haiko hoe ny olona v manonganongana fahantany sa nisy antony tao. raha ny hevitro aloha d aleo izy haka saina tsara any sud aff any ohatran’dratsirak 8 taona any france reny e

  6. tgv manao halahelon’arema lany mofo.I Deba izao efa tsy miaraka amina DJ intsony.Malahelo ny lasa ianareo.

  7. @rabe !

    Mba teneno io kivànareo io ry rabe fa mahery lmivovoho a ! I tgv izany ! Tsy ianreo ihany no niteny hoe : ady hevitra no atao fa tsy fanompàna sy fanmbaniana ?

    Ka nahoana no avela hanalika olona toy ny  » Mpangery an’joro  » sahala amin’io izy io ?

    Ny anay izao ny mahafinaritra anay dia ny proposition ataon’i Bemafohy hoe : RAHOVIANA ILAY SITTINGeo anoloan’ny vozongo ? Tena marina ny anao ry Bemafohy, fa ny tena zavatra dia ny fanipazana an’io tgv io any amin’dr’i tgv ihany !

    Raha mba azo natao mantsy ny nanapa-doha an’io dia efa vita ny krizy !

  8. izahay aza mahita hoe ny fanapahana ny lohan’dada no solution rapide sady vitsy kely ny alika mpanohana azy de mora vonoina izy refa tonga eto,
    bemahafohy:izahay r’ty ts miaraka t@n-dratsirak a, efa dinausore reny ts mamaely intsony, ny jeune ts lany ko atao onona antitra le????
    NJARA: ianareo ange no nivovo voalohany tato anatin’ity site ity e!reny zao ny arema mba voaongana, de nangina fa ts mivovo ohatran’areo alika reo
    ny nany koa raha voaonganareo d hangina zay fa tsy hivovo ohatran’areo alika reo

  9. Jeunes tsy alehany no miaraka aminareo:incultes, mal éduqués,non instruits,incivils, boit sans soif ohatran’ny lehibehany ihany.Soa ihany fa tsy ohatran’izany daholo ny tanora rehetra.

  10. Tgv ! izany Ray izany dia fanaja!! indrindra fa ray toa an’i DADA fa tsy « VADIANA  »
    ts ymisy ray manam-bady zanaka raha tsy @’ izao andronareo izao,satria miely
    ny asan-devoly rehetra HAFAFIN’i SAMPIN’i domelinareo,dada dia HAJAIKO! LOLOAVIKO atapon’ny loha satria
    tsy mbola nisy nahavita ny TSARA VITANY teto @ tany sy ny fanjakana,ary olon’A-tra ihany koa izy na inona na
    inona fanosoranareo fotaka azy, »volamena latsaka ambovoka iny e!!!!(nao no manohy azy)izay ilay dada tena dada.
    Aza faly mirona @ ratsy fa tsy mety.izaho aza mbola tsy nahita maso azy mivantana na indray mandeha ,fa kosa
    ny zavatra vitany tsy azo TAKONANA ary tena nanao izy ,ka izay no tsy tian’i devolinareo ilay FANDROSOANA sy
    FILAMINANA.Totom-bitana daholo!!!!

  11. Izay fahitanareo ny dadanay tsy olana fa fijeri-poza tsy mahataitra,
    izay manembatsembana ny TOMBOTSOA ratsy rehetra dia ajedaka.
    Tandremo ary sao MAMONO BIBY tsy MAHAFATY ka ho sahirana eo,ny ahiako hiampy indray ity fahavoazana.
    sao hanaraka an’i bombe izato izy???hay ve bombe ka tsy nahavita ny hiraka ho @ FANAKANANA an’i DADA
    dia voadaka e! dia namoy fo lery!!!maty aho galona be » jeneraly » marina !!!

  12. – @tgv

    Fantatra ihany ny vavan’ny « Mpangery an-joro ». Atao ahjoana fa ireny no mapnohana an’i Domelina ao ! Miseho ho avy any an-tsiraka fa ny saina mijanona toy ny niandohàna ihany : Tsy mitsinjo ny vodi-andro merika ! Dia mivanika sahala amin’ny sakany ihany !!!

  13. TGV a! toheriko marindrano ny fanalikan’ise olona! ise aloha de tgvendrana marina e! aza mandoto antoko r’ise a!ny hevitra no ampiadio fa tsy isika no miady, fahendren’ny razantsika izana ka tokony ho toavina hatrany! ho an-dRanavalona indray, de tsy azoko ny tian’ise lazaina na za no sampin’ise na za no mpanompo sampy, angamba io faha2 io no marina,samy mino an’Andriamanitra isika, fa Andriamanitra r’ise tsy azo atao fitaovana hanafenana ny hadalana a! io fotsiny no tiako hambara! Mamin’ise be Ravalo, fa za sur fa tsy migoka an’izany velively ise, fa ampahafantariko an’ise fa misy vola alefan-dRavalo, via ambassade Sud Af, omena assocition paysanne ka ancien député TIM no filohany ho entina mitolona ao @Magro io, de ry Mamy,sy ry Zafilahy, « Rakotoamboho »,ary ny pâquer manokan’Zafy tsy azo kitikitihana, tsy mahahagaga ve r’zalahy, raha i Zafy tsy nanaiky mihitsy ny naha président an-dRAVALO iny no lasa tanan-kavanana, de hoe efa nifamela heloka! tsotra r’ise a! Zafy de tsy tia mainty Merina hitondra an’i Madagasikara, fa kely hery raha tsy miaraka @nareo, fa « raha miverina eo ndray Ravalo », de hanohitra anareo koa izy, resaka daholo ireny, fa @maha Merina an’i Andry no tsy hitiavany azy.De hoy aho hoe, malotoloto anie r’izalahy ny politikanareo e! miraisa saina ianreo sarababen’ny mpitolona ao @ magro ao, de maniraha journaliste d’investigation fa marina io information nomeko anareo io, de reraka fotsiny ianareo madinika mitolona, tena miaiky aho r’izalahy fa tsy sarobidy @nareo ny fotoananareo laninareo fotsiny ao @ magro ao a! @ manaraka ao manao révélation misimisy, de aza kivy @ tolona e!


  14. Dia misaotra anao ry rabe nampangiana ity tgv ity a !
    Rehefa manao ny mety anie mba ilaina koa ny miaiky fa mety sy tsara e!

    Manaiky ihany koa aho fa misy marina ny voalazanao mikasika an’i Zafy sy Rajoelina. Aleo tsy developper-na io fa manahirana. 🙂
    Tsy ny politikanay kosa no malotoloto, fa ny fanatanterahana azy no somary kianiko toy ny ataonao :
    – Amiko dia mandambolabo loatra sy mila fifanarahana amin’i Domelina foana ny Mouvance Ravalo ! Tsy mitsangana ho manohitra MIVANTANA, fa mbola mila fandaminana foana.
    Tokony ho enjana kokoa manohitra an’io Fitondràna HAT io, ary MITAKY MIVANTANA ny fialàny tsy misy fepetra, fa sady mivarotra Tanindrazana amin’ny vozongo, no tsy mahavita n’inoninona. Inona oa no mba zavatra tsara vitany tao anatin’ny 3 ans e ?!!

    Mikasika ity Association tarihin’i Mialy ity, dia gaga aho fa marivo salosana ianao izany ! Ny hanaovany fihetsiketsehana toy ireny lazainy fa hoe asa soa ireny anie ka, hanjonoana vahoaka fotsiny sy hilazàna fa manao soa izy e !
    Ka nahoana no ry Pedro no mahzo vahana mihoatra amin’ny Tera-tany malagasy ???
    Mba omeo ny omena an’i Pedro (Mpanao politika Mpanjanaka fa tsy mopera) ny tera-tany malagasy, fa ho hitanao ny zavatra mety ho vitany.
    Aza mora jonoina e ! Fanafenana ny vola be « mora » miditra any am_paosiny » ny zavatra masahany ; dia revo ny malagasy kely.

    Ny anareo izany no polita malotoloto anie e ! Tsy mba nila fisehosehoana toy izany Dadanay, fa nanome fitaovana ny Mpiantra – Ny fiangonanana isan-karazany – Ny communes maro – ny Provinces rehetra hatrany NosyBe sy Sainte Marie.

    Tsy ampy ny pejy hitanisàna fa izao ihany e !

    Aza matoky ny fihetsiketsehana ataon’ny vozongo miaraka amin’ny Domelina ! Misy vola ny vozongo, fa manome vola raha misy ny tombotsoa ho azy . Izany no nianaran’i Domelina sy hangalàny vola amin’ny vozongo.

    Raha hitanao fa misy marina izany dia mba manova toa ahy….mba ekeo fa marina !Misaotra e !

  15. Misy ampiako kely e ! Izany akory tsy milaza fa « fanaperana » tamin’ny zavatra nataony ny Dadanay, fa nahavita azy, ary nihezaka ny fanatsaràna ny Firenena, na nangoron-karena koa aza !

    Ny tena hideràna azy dia niady tamin’ny vozongo, izay nitarika ny fialàny.

    Asa raha mba fantatrao i Rtoa Marie Claire Girardin ? izany no filohan’ny nanjera an’i Dadanay tao aorian’i Joyandet izay tsy naharoaka azy !

  16. Rabe ! eto aho dia manaiky fa misy marina ny teninao ary hialako tsiny ny zavatra tsy
    nety ka nampalahelo anao! mifona e!! ekako ilay hoe  » ny hevitra no ampiadiana fa tsy
    ny olona no miady » samy Gasy isika.
    Eto @ ilay resaka vola lazainao? amiko tsy hiatako ny olana raha zavatra ho fanasoavana ny tanindrazana sy ho @
    tsara?na izaho manokana aza dia te hanampy an’i dadabe zafy satria tena hita ary Mahasahy mijoro mihintsy izy @
    tolona hatrehany ,fa izay ambadika dia azy sy A-tra ny azy.
    Ekeko koa fa lahatra avy @’ A-tra izao nefa ilay FANARARAOTANA sy ny fanambaniana ny Gasy dia efa tena tsy rariny
    ary tsy azo leferina ka izay no makasika ahy eto matetika fa mbola misy olona maty heritreritra ihany mbola manoana izao
    FITONDRANA tsy ara-dalana, tsy rariny izao,ary efa hita ny VOKATRA fa RATSY dia RATSY nefa dia mbola misy be vava,
    ary mbola tsy afa-po!! nefa mba GASY ihany.Koa mbola miala tsiny aho raha MAHERIHERY fiteny indraindray fa Tsy rariny
    loatra raha izao no HIAFARAN’ilay » GASY KA MANJA » MALAHELO AHO !!!MAMIKO LOATRA IO TANIKO IO .
    Ny zava -dehibe izao dia ny hialan’i domelina eo fa efa tena AMPY izao lova ratsy navelany izao.koa izay no tokony hanambarana
    ny hery raha mbola mahatsiaro tena fa GASY ka olona mba MISAINA ,dia tokony hiady ho @ FAHAFAHANA ny TANINDRAZANA
    hanohitra ireo MPANJANAKA ambadiky ny foza ny rehetra ,fa ny sisa ho hita eo ihany.

  17. Misaotra @ fanazavan’i Njara sy ny fanitsiana an’i Rabe koa aho,
    raha ny fahitako azy dia tsy tongatonga ho azy izao fiarahana
    izao na antoko iza izy na iza satria ny rehetra no efa mahatsapa fa efa tsy izy intsony mihintsy ity laikely
    (idomelina io)koa asakasak’izay mbola minia mikipy tsy hijery izao FAHAVOAZANA mianjady ny firenena izao
    ka mbola hiandany @ olona toa an’i foza na fat,ireo no tompon’andraikitra ary mazava ho azy fa VOAVIDY izy
    ireo SARIBAKOLY ihany ,efa fantatra ny ambadika,koa rariny raha tonga saina ny GASY TIA TANINDRAZANA
    rehetra miara manohitra ny MPANJANAKA.Koa tokony tsy asiana resaka ny antony Naha iray ireo antoko izay
    NIFANOHITRA teo aloha ka miaraka @ izao,ATAOKO FA NY TANINDRAZANA NO JERENA FA TSY RABE NA
    RAKOTO!NA DADA NA DADABE NA DEBA fa ILAY « MANANKASITSARA » NO MANAMBATRA ANTSIKA ho iray,
    HASIn’ny TANINDRAZANA sy ilay FAHAFAHANA NO ZAVA -DEHIBE.

  18. Zao ry zalahy a! za tsy mba olona mpanohitra be fahatany, fa manao fomba fijery objectif! Tany am-boalohany aho, de efa nilaza taminareo fa ny premier mandat n-rRAVALO de tena 5/5. Matoa aho moa manafoy ny anaran’ny dadanareo, de tsy fanaovana tsinontsinona azy, fa lava soratana fotsiny ary angamba ianareo tsy mbola nahita ahy nanevateva olona izany toy ny hoe RADOMELINA na dia tsy tiako sy tsy mitovy fomba fijery ahy aza. Ny erreur politikan-rRavalo voalohany de nataony toy nitondra entreprise Madagasikara, ary raha mijery ianareo de saiky ireo cadres tao @ TIKO avokoa no nanana toerana ambony teo @ fitondrana de fantatrareo tsara ireo fa tsy ho tononiko. De hoy ianareo hoe ireny no tanan-kavanany sy nitokisany. Tsy izany no marina, fa olona mpiasanao, de tsy hijery ny afa-tsy ny profits ny orinasa aloha zay vao ny azy, de hitanareo fa saika lasa TIKOLAND Madagasikara!
    Ny erreur faharoa,de angamba ianareo ireo samy mahay, ny définiton ny hoe politika, fa ilay iray filazan’olona izay no lazaiko eto: » la politique , c’est l’art de mensonge », fa raha olona tsy te hangalatra sy handainga r’ise aza manao politika, fa lasa fahavalon’ny politika ndray avy eo a! de dadanareo nandainga, dadanareo nangalatra,fa tsy mahay mandainga sy mangalatra, de nibaribary loatra. Za ve hoy ianareo de hanamarina an’i Andry, fa tena olona madio be sy tsisy pentina izy, fa za kosa mahita fa olona te hanao zavatra izy, fa raha ianao anie no t@ place ny mitondra tsisy vola, tsisy famatsiam-bola izany tsy vita mora, de io koa no difficultés Zafy(flottement) t@ androny fa tsisy ny vola, tratry ny blocage, de mahantra ny vahoaka ary matoa Dadanareo nahavita, de nitobaka be ny vola,raha tsy hilaza fotsiny ny millénium challenge famatsiam-bola US natokana ho an’ny foto-drafitrasa ho an’ny Tantsaha, izay notatanan’ny présidence manokana de nankaiza ny vola? tany Alaotra izy no nobodo sy nangorina tany de naninona isika no nanafatra vary? de naninona no izy mihitsy no nangataka fanafoanana ny AGOA,izay niteraka asa ho an’ny mafiady maro, de tia tanindrazana ve izy? maninona izy no niantso ny mpamatsy vola hiala any Mada, Rajoelina no kendreny fa ny vahoaka ny nihinan’ny tadiny. Raha kit scolaire izany indray, de famatsiana mivantana t@ Norvège izany, de lasa ny Norvège, ny tsy tia HAT, ny US sy ny Allemagne, c’est normal, poulain ny anie Ravalo e! de hoy le iray aminareo hoe « miondrika eo aminy izao tontolo izao » raha tombanana ny haren-dRavalo, de eo @ 600 millions de dollar eo ho eo, zao r’ise a! matoa ny tany tandrefana na ny capitaliste manohana anao, de tsy miaro afa-tsy ny tombontsoany izy, nangataka tamin’ireo filoham-pirenena taty fari-dranomasin’ny Afrika oseana indiana ny Amerikana mba hanao centre d’observatoire ny réseau terrorrisme al quaida , de nanda avokoa ireo, noho ny tahotra ny terrorriste de Ravalo irery no nanaiky de io izy io Andranomena io. De iza no nitantana ny Air mad sy ny Jirama tsy ny Allemagne ve? de iza ireo vozongo be mpanolo-tsainan-dRavalo firy ny Norveziana, nibaiko ny tafika, Sud Af, ary io SADC tsy mahafaly anareo io anie, mbola Ravalo daholo e! de iza ary no tena nanitsakitsaka ny fiandrinam-pireneny! fa io r’ise tsy Ravalo manam-bola, na diplomaty fa Ravalo no tena mora manupulena a! fa natanjaka tsisy ohatra an’i Kadhafi fa refa nitodi-damosina r’izalahy, de potika izy ka io r’izalahy resaka haute politque io, fa reraka eo oa nareo.
    Ny erreur fahatelon-dRavalo, de ny fanaovany tsinontsinona ny tafikan fa na iza na iza mpitondra raha tsy mahafehy ny tafiny, de barakay! de io anie ry zalahy ny fahaizan’olona politika! voarony ny sezany refa voafehiny ny tafika na @ fomba ahoana na ahoana, de mbola manao erreur be ianareo mitabataba @ tafika, lainga anie hoa ny politika e!
    Ny itiavako an-dRajoelina, na de tsy manana moyens aza izy, de mbola manangana na zavatra kely aza zay hitanareo tsara, ary tsy fahadisoany irery raha mahantra ny vahoaka, fa misy ny blocage, kanefa mbola voatanany eo ihany ny aim-pirenena, za mahita fa te hanao izy, fa mijere @ maso tsy miangatra ry zalahy a!
    Raha père Pedro kosa no resahana, de Tsy matahotra an’Andriamanitra zay sahy manakiana an’iny raha atopinao fotsiny ny masonao mankeny Andralanitra, de misaora azy fa mitety izao tontolo izao izy mangata-bola hanasoavany ny tanindrazantsika. De rahampitso indray aho mitanisa @nareo ny erreur n-dRajoelina! samy tsara e!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *