Maha BE Krizy ry Omer !

c4609

PM Foza 

Dia iny notendrena iny ny Praiminisitry Andry Rajoelina, nolazainy fa « ampahendrena » tanteraka, hono, ny tsikaritra anefa fa tsy hahavaha ny krizy ny fanendrena an’i Omer Beriziky  satria dia tsy manaiky io ny ankolafy Ravalomanana.Raha vao fantatra fa izy no noterena hotendrena dia nivoaka ny hefitrano ny ankolafy Ravalomanana.Ny dikan’izany dia tsy praiminisitry ny marimaritra iraisana izy satria nitsipaka ny ankolafy Ravalomanana.Vao mainka maha-be krizy ny fanendrena an-dRy Omer, izay tsy iza fa olon’ny Leader Fanilo izay mpomba ny FAT ihany, kanefa dia natolotry ny ankolafy Zafy Albert.

Iza no no nanolo-bato mafana an’i Zafy?

Voalaza ombieny ombieny fa tsy maintsy olon’ny mpanohitra no hotendrenana dia io olon-dRy « Prof » tokoa saingy hita  fa na izy samy ankolafy Zafy Albert aza tsy nanaiky sy nandà ny fanolorana ity « saribakoly » ity.Mipetraka ny fanontaniana, iza no nanolo-bato mafana an’i Zafy?

Na izany na tsy izany dia tsapa fa tsy nahay nampitovy ny fomba fijery ny ankolafy telo, io ilay nolazaina hatrany hoe : « kobay ankelika ihany ».Inona no antony tsy nahafahany nanolotra kandidà tokana?

Tsy rano raraka akory izy ity fa tena fandrika politika apetraky ny mpanongam-panjakana hatrany, ho tery ve ny tolon’ny ankolafy Ravalomanana samy irery sa vao mainka handrehitra ny vahoaka Malagasy izay efa  vizaky ny fiainana efa sarotra ? ny ampitso no hamaritra izany.

 

31 pensées sur “Maha BE Krizy ry Omer !”

  1. ny ankolafy Zafy no be zesta fa tokony ho nety izy io, ary ny toy izao no efa nolazain’ny sasany tany aloha hoe mody miaraka @ mouvance Ravalo ny mouvance Zafy sy Ratsiraka fa rehefa avy eo hivadika tampoka ary amely ny mouvance Ravalo

  2. Raha ny marina na Zafy na Ratsiraka samy olon’ny lafrantsa. Ary aza adino ihany koa fa ireo olona ireo dia farany izay tsy tia merina (raciste). Mba fantatrareo moa fa « hova » no anaran’ny kivan’i zafy albert?

  3. Marina tsy misy ho kihanina ny zavatra rehetra voalazanao ato ry Solo, na @ ilay post (BE ZESTA)

    Ho hita eo raha hitondra fahendrena sy fahatoniana eo anivon’ny miaramila ny famindran’io rangahy io.

    Avelao hody @ izay Ravalo, raha toa ka définitif oe io no pm de la transition: moa tsy ity dingana iray ity no nandrasana!

    Tohizo hatrany ny antsika any @ Magro, fa AO NO AMBOHIM-PIHAONANA no sady loharanom-baovao MARINA ary koa solon-tenan’ireo maro dia maro an’isa,
    mandrampiverin-dRavalo ary mitohy hatrany amin’ny fifidianana ho filoha.

  4. Tankina ny vava raha nahita fa dia hitohy sy vao miha ho bebe kokoa ity kirizy.
    Tsy miala eo isika raha tsy azo ny tadiavintsika dia i DADA miverina mody.
    Tsy leo politika ny vahoaka fa ketraka nohin’ny hetraketrakin’ny maivandoza isany.
    Salanitra daholo

  5. Indrisy! Tsy ho tafaverina izany R8 raha io no PM. Isika vahoaka tsirairay ihany sisa no hany vahaolona. Misafidy isika na ao anatin’ny lavaka mandrakizay na miady sy manohitra izao asaratsin’ny FAT izao. Rehefa tsy matahoatra lacrymogène sy basy intsony isika vao mivahy ny olana, fa raha tsy izany tsy maintsy manaiky ny asa ratsin’ny FAT. Isika tsirairay mantsy no miara mientana, ary tsy fiteny ny hoe : « LEO POLITIKA, IZAY IFANARAHANY AO », ny KANOSA, ny TIA TENA sy ny MPAMADIKA no miteny an’ireo fa raha izao fiainana izao dia tokony ho voatery hanao politika ny tsirairay. Il faut AGIR, selon les mots de Pape Jean-PaulII à Alarobia devant les jeunes Malagasy.

  6. Nahay nanodina antsika tao anaty lafarinina i MEKTOUB hatrizay, kabary lava be mampatory isan ‘andro vaky ….

    Mampieritreritra. Fa ny tena marina aloha dia i Zafy Albert no nandefa an’i Beriziky ho ambasader tany BENELUX , taona 1994 tany ho any. Ka asa ny tena position an’io rangah io

  7. Toa mainka hampisavorovoro ny mpanao politika ity fanendrena ity. Ny Troïka dia nilaza fa « tsy maintsy mahazo ny fankatoavan’ny ankolafy mpanohitra » ny P.M. hotendrena nefa dia izao tsy eken’ny Ankolafy Ravalomanana izao satria olon’ny Leader Fanilo i Omer Beriziky na dia natolorey ny filoha Zafy Albert aza !

    Dia ahoana izany ?
    Aleo dinihina am-pahatoniana sy am-pahendrena tsara fa tsy hanaovana « fom-boraka » na « fo rano mafana » ity raharaha ity ! Ny heveriko, olon-tsotra ity, dia izao : aoka hanatona sy hiresaka tsara amin’ny Ankolafy Zafy Albert ianareo mpitarika ny Ankolafy Ravalomanana ka hamantatra tsara na tena maharesy lahatra ny Ankolafy Zafy Albert io P.M. io, aoka hofantarina indrindra koa ny « fitoloman’io P.M. io » ao amin’ny antoko Leader Fanilo izao ao amin’ny UDR-C ! Fantatsika tsara ny antsoina hoe « paso-tolaka » rehefa manao domy : rehefa tian’ny tena ho azon’ny hafa ny « dobla enina » dia tsindrna tsara dia mody pasohina tsara eo ny daomy aby eo atolaka manoloana ny « adversaire » ilay « dobla enina » ary dia mety ho voaraikiraiky ilay « adversaire » ka handray tokoa ilay « dobla enina » ! Sao izay no nahavoa ny Ankolafy Zafy Albert ? Nefa

  8. Toa mainka hampisavorovoro ny mpanao politika ity fanendrena ity. Ny Troïka dia nilaza fa « tsy maintsy mahazo ny fankatoavan’ny ankolafy mpanohitra » ny P.M. hotendrena nefa dia izao tsy eken’ny Ankolafy Ravalomanana izao satria olon’ny Leader Fanilo i Omer Beriziky na dia natolorey ny filoha Zafy Albert aza !

    Dia ahoana izany ?
    Aleo dinihina am-pahatoniana sy am-pahendrena tsara fa tsy hanaovana « fom-boraka » na « fo rano mafana » ity raharaha ity ! Ny heveriko, olon-tsotra ity, dia izao : aoka hanatona sy hiresaka tsara amin’ny Ankolafy Zafy Albert ianareo mpitarika ny Ankolafy Ravalomanana ka hamantatra tsara na tena maharesy lahatra ny Ankolafy Zafy Albert io P.M. io, aoka hofantarina indrindra koa ny « fitoloman’io P.M. io » ao amin’ny antoko Leader Fanilo izao ao amin’ny UDR-C ! Fantatsika tsara ny antsoina hoe « paso-tolaka » rehefa manao domy : rehefa tian’ny tena ho azon’ny hafa ny « dobla enina » dia tsindrna tsara dia mody pasohina tsara eo ny daomy aby eo atolaka manoloana ny « adversaire » ilay « dobla enina » ary dia mety ho voaraikiraiky ilay « adversaire » ka handray tokoa ilay « dobla enina » ! Sao izay no nahavoa ny Ankolafy Zafy Albert ?

    Nefa tsarovy indrindra koa fa POLITIKA AMBONY ny toa itony ka na MAHAVOA na VOA !

    Koa aoka, hoy aho, hatonanareo mpitarika ny Ankolafy Ravalomanana ny Ankolafy Zafy Albert ary sao mbola misy « paikady » azo hifanarahana ihany manoloana ny mbola hanendrena minisitra ?

  9. Ny tsara ataon’i Zafy sy ny namany manoloana ity olana tsy zakan’ny lohany ity dia ny misintona ny olona (Beriziky) natolony tsy mijanona ho PM eo. Ny antony: efa tsy PM de consensus intsony raha vao misy groupement na mouvance tsy mankasitraka an’ilay PM.

  10. Aleo tsorina fa dia diso kajy tanteraka ny Ankolafy Ravalomanana ary tena fahadisoana lehibe iny fivoahana ny efitrano sy tsy fanekena ny PM vaovao iny; Ingahy Marius Fransmann aza efa niarahaba iny fanendrena PM iny…

    Toe-javatra toy izao no tokony hararaotina sy hiadiana anatiny fa tsy efa ao indray vao andeha hitoka-tena toy ny boka.

    Ho sahirana mafy ny Ankolafy Ravalomanana hiady irery @io toe-javatra iray io ary hisaraka tsy ho ela @ fomba jiosy io Ankolafy Telo io satria:

    1- Ny Ankolafy Ratsiraka efa tsy miraharaha io Tetezamita io intsony satria ny azy efa mandeha misosa tsara i Tantely Andrianarivo ary dia miandry fifidianana sisa izy; i Deba rahateo efa afaka miverina arak’izay mahafaly ny fony.
    2 – Ny Ankolafy Zafy hiady ao anatiny izy ary handeha @anarany samirery ihany koa.

  11. ZAO NO VOKATRY NY FITAVOZAVOZANA MISY EO AMIN’NY TROIS MOUVENCE…INDRINDRA NY MOUVENCE RAVALOMANANA TSY MAHAY MIFIDY OLONA TOKONY HAROSO.AIZA VE DIA I MANDAFY NO HAROSO HO PM???? OLONA NA MIRESAKA AZA EFA TSY MAHAVOAKA FEO. ZAO VITAN’I ZAFY NY BAOLINA… ZAFY NO NIBATA NY AMBORA NEFA NY RAVALOMANANISTA NO NITOLONA SY NAHIDITRA AMPONJA. NY TENA MARINA DIA OLONA VODIN’OMBY DAHOLO IREO MISEHO HO MPITARIKA NY MOUVENCE RAVALOMANANA IREO. OLONA MPITADY SEZA DAHOLO REO FA TSY MISY TENA OLONA MARINA MITOLONA. RAHA ZAH ALOHA RAVALOMANANA DIA ALEOKO MANDADY ANY AMIN’NY ZAFY MIVATANA MBA MITARAINA FA VOAMAFY KA MIANGAVY MBA HO JERENA AKAIKY AMIN’NY FIZARANA TOERANA. AZA MIHEVITRA HANAO HETSIKA ZANY TSONY FA EFA TSY NISY VOKANY NY TOLONA ARY NAMPIAN’I ZAFY AZA TSY TAFAVOAKAN’I MAGRO MAIKA FA HANDEHA IRERY….VITA HATREO NY TOLONA.

  12. AOKA RY ZALAHY NY FAMENDRIFENDROANA AN’I ZAFY ! NIFAMPIRESAKA TAMIN’I ZAFY SY RAVALOMANANA I MARIUS ALOHAN’NY HANENDRENA AN’I OMER ! MATOA TAPAKA ARY NEKENA IO DIA EFA NAHAZO ACCORD VERBAL AVY AMIN’IZY ROA LAHY ! I ZAFY RY ZALAHY TSY ADALA AKORY ARY MAHAFANTATRA TSARA IZAY ATAONY ! INONA NY MAPIMENOMENONA ! TADIDIO FA I ZAFY NO NANOME BAIKO AN’I OMER IO TSY HANDRAY ANJARA TAMIN’NY DINIKA FAHARO !
    VITA IZAO NO FANENDRENA NY PM ! IZAY VOALAZA NY TONDRO ZOTRA ! HIDITRA AMIN’NY DINGANA MANARAKA ISIKA DIA AVY HATRANY DIA HO HITANTSIKA EO RAHA MANARAKA NY SORI-DALANA NY ZAFY IO OMER IO NA TSIA ! DIA HAFAKA MITSARA AMIN’IZAY ISIKA ! AVERIKO INDRAY FA DINGANA VOALOHANY INY ARY RAHA TONGA EO IO PM IO DIA NOHO NY FITSIPAHAN’I MARIUS NY OLON’NY FAT JENERALY RETRAITE INY !
    ARY ITY NY FANONTANIAKO : MOA VE RA BOTOZAZA NO TEO DIA MBOLA NISY IHANY NY FIHAHIAHIANA SATRIA TSY FANTATRA MIALOHA NY MANARAKA ! KA MIANDY ISIKA E !
    NY FAMPIARANA NY ART 20 NO TANJONA ATRANY !

  13. DE ZAY FOANA NY HIANANA SY HITA ETO
    ZAY REHETRA MITRANGA DE TSY METY AMINAREO AVOAKOA
    NAREO MOVANCE RAVALOMANANA MIHITSY KAY NO TENA SAKANA

  14. Antony roa no tsy ankatoavina an’i Omer Beriziky ho PM de consensus:
    1°) Izy dia mpikambana ao @ antoko Leader Fanilo manohana an’ny TGV;
    2°) Izy dia efa tao @ ministeran’ny raharaham-bahiny (Conseiller Cabinet)notarihan’Ny Hasina Andriamanjato.Tao anatin’ny lisitry ny délégation HAT nandeha tany Belgique ny volana juillet 2009 hangataka Reconnaissance sy vola tamin’ny Union Européenne.
    Misy porofo mazava daholo ireo rehetra ireo.

    Ny mouvance Zafy koa anie tsy dia misy olona firy manohana azy e! Ka manary ny tenany izy noho io fihetsika io.Ny fifidianana tokony ho tsinjoviny fa tsy manaonao fahatany eo. Aoka izy hitsinjo lavitra.

  15. Izaho aloha dia ohatra’ny nahatsikaritra herinandro vitisvitsy izay fa misy disadisa eo amin’ireo mpitondra ny ankolafy Zafy.Tsy Andriamatoa Zafy intsony no mitondra ny baolina satria mety tsy to teny intsony izy.Ohatran’afaka mitsikera azy i Rakotovahiny ka mety io izao no manana ny teny farany ary toa tsy dia mampaninona an’io ny miara-miasa amin’i Domelina.Misy olona ao amin’ny fianakaviako mahafantatra tsara an’i Zafy fa tsy olon’ny frantsay izany izy.Ka mety ho izay ny fanazavana amin’io Omer Beriziky io.Azon’i Ravalomanana tsara ny manda an’io PM io.Tsara ho fantatra ny heviny manokana.Nisy nilaza mantsy etsy ambony fa nihaona tamin’i Zafy sy MR i Marius Fansman alohan’io fanendrena PM io(Murdoch).

  16. Aoka isika tsy ho diso hevitra fa tsy mbola mijanona eo io.
    Misy marina ihany ny voalazan’i Leo,rehefa nanaiky ianao dia
    tokony HIATRIKA IZAY MITRANGA eo aloha!ny zavatra tsy azoko ary mbola haveriko dia ilay
    mbola FAMETRAHANA FAHATOKISANA @ olona toy an’i DOMELINA???dia iza koa no mbola
    nanaiky fa tsy maintsy izy no hanendry ny PM???dia izao  » ZARAKO AZA MARATRA », zarany aza
    nisy io olona io mba haniliany an’i ankolafy Ravalo,zarany aza Naika nanala tena,HANAFOSAFO ny
    volombavan’i DADABE ZAFY aza ho hataony,koa maika fa misy izao toejavatra izao???tokony teo
    ihany dia nitsipaka fa tsy NIVOAKA fa tena mety HANIMBA ZAVATRA MARINA IZAO!!!
    Marina koa ny an’i Naivokely fa an’i Zafy no misintona io olona io raha toa ka tsy mbola ao ilay marimaritra
    hiraisana, raha misy marina ilay Fiarahamiasa.
    Zafy tsy olon’i la frantsa izany kosa e!mba avelao aloha ho hita ny fandehany ray olona a! aza tonga dia manakiana
    avy hatrany fa izay no tadiavin’i Foza anie e! ny handrava io tolona io koa mba DINIO IHANY ALOHA fa mbola tsy
    vita io e!!MITOHY NY TOLONA!

  17. Apetraho tsara ny fanontaniana ary tohizana ny tolona è :
    – Hampiverina an-dRavalomanana Marc sy ahafahany milatsaka ho candidat ve i Omer Biriziky ?
    – Hivoaka ny gadra politika rehetra ?
    – Hisokatra ny haino aman-jerin’ny opposants notampenana ?
    – Hisokatra marina ho an’ny opposants ny institution rehetra ?
    Nanao sonia iny feuille de route iny ny 3 mouvances, efa nazava hatrany amboalohany fa tsy ho candidat pro-Ravalomanana no hofidian’i dj !
    Ny fanatontosana ny tohin’iny FR iny izao no tanjona : ny fodian-dRavalomanana hahafahany milatsaka hofidiana, ny sort-n’ny gadra politika ary ny média-n’ny opposition afaka miasa tsisy menaces

  18. Moramora Naivokely a! io misy fanazavana avy @ Bemafohy mety hanampy anao sy Magro!
    Nanampy be dia be t@ izao tolona izao i Dadabe Zafy ary tsy takona hafenina izany.
    tena nanao EZAKA MAFY MIHINTSY IZY ary NAMPISEHO Sy NANAPOROFO izany na t@ TENINY na t@ fomba
    fihetsiny ary asa toy ny saika NAMOIZANY ny AINY mihintsy aza . Mety misy antony hafa mihintsy ao ary tsy maintsy
    hivoaka io , ary raha misy ny FIVADIANA eo @ ankolafy Zafy @ dada dia tsy mino aho fa avy @ ZAFY izany fa
    io efa misy POROFO AZO RAISINA.

  19. Na ho kapoana @ marotoa eo aza ny lohan’i domelina aza manantena fa hifidy olona avy aty
    @ dada izy!! Vao maika mihamazava ny resaka ary mbola miariary ny maha loa-poza azy.
    vao maika izao manome vahana antsika fa aza misy TAITAITRA oah!! MBOLA MIASA A-TRA! tsy misy avelany tsy hitsikafona
    eo e!avelao hadio tsara ny LAPA vao hidiran’ny MPANJAKA !!!Tsy maintsy ho avy ilay MPANJAKA !!!ilay VOAFIDIN’A-TRA
    hitondra io TANY MASINY IO! MINOA FOTSINY IHANY!aza kely finoana e!

  20. Tokony anio maraina ihany izany dia navoaka ny gadra politika rehetra , ny radio nalefa sy ny sisa ao @ FR sa hiandry ny toro-hevitrin’ny frantay indray ve ry Omer pm vongany a

  21. TSY TOKONY HATAO NY MITSARATSARA FAHATANY ,HILAINA HILAZA NY SORODALANA HITONDRANA NY TETEZAMITA I ATA BREIZIKY ,AVY EO MILAZA NY HEVINY NYTSIRAIRAY .
    OLONA TSY DIA FANTATRA TEO @ POLITIKA RANGAHY IO ,KA IZAY NO TSY TSARA HITSARATSARANA AZY .NILAZA IZY FA VONONA HIRESAKA @ MOUVANCE RAVALOMANANA (IZAY TOKONY NATAONY NIARAKA T@ ZAFY TEO ALOHA IZANY ) Ka hazo hapetraka ny fomba fiaramias @ .raha ny fahamarinana,ny inclusivité ary ny transparence no tanjony dia hatao ahoana ?

    managataka ny tsirairay hiala
    @ tribalisme ity.

  22. NY TENA MARINA !!
    IZAO FANONGANAM-PANJAKANA IZAO, DIA TSY NISY RAHA TSY NANOHANA AN’IZANY NY ANDIAN’OLONA IZAY LASA LEHIBEN-NA MOUVANCE !
    TSOTRA NY FANDEHAN-JAVATRA !
    RAHA NOMENA AN’I DOMELINA NY PREZIDANSA, DIA TOKONY HO AN’NY ANKOLAFY RAVALOMANANA NY TOERANA PRAIMINISTRA « FARA FAHA-RATSINY » !
    RAHA TSY IZANY DIA : NA, OMENA AN’NY MPANONGANA DAHOLO NY TOERANA REHETRA, NA TSY MAINTSY LAVINA IO FANENDRENA IO, SATRIA ATRAMIN’IZAO DIA TSY MISY TANTERAKA NY ZAVATRA NIFANARAHANA REHETRA !
    NY FAMOAHANA NY GADRA POLITIKA NA NY TELEVIZIAONINA SAMY HAFA, RAHA HISY, DIA TSY MAMPIOVA NA INONA NA INONA, SAO DIA IZAY NO HANAMPENA-MASO EO !!!
    IZAY MARIMARITRA HIRAISANA IHANY, REHEFA IZAY NO TSY MAINTSY ARAHINA !!!


  23. l’heure n’est plus aux explications !!!!

    Il est temps de reagir dans les rues, et faire deguerpir les jiolahim-boto !

    Il ne faut pas chercher à ce que les adversaires FASSENT ou S’APPLIQUENT dans ce qui est logique ! Il n’y a pas de logique dans la politique, et encore moins à Madagascar,
    -IL FAUT FRAPPER, c’est ce que Satanié a failli faire.
    Il n’y a pas de marimaritra iraisana,
    La dignité et l’honneur de la Nation AVANT TOUT !


  24. Foutez la Paix à Zafy, à l’Armée, ou à n’importe qui,

    si l’on ne cherche pas à REAGIR DANS LES RUES ……..MAINTENANT

    Avelao ho an’ny Mpilalao « taykely » ny filalaovana « tay kely », fa raharam-pirenena no resahina eto !

  25. Bemafohy ! Bjr !
    Dia miandry izay ho ataon’i MyDago isika e 🙂
    Ny any azo atao, satria tsy hitako izay fomba azo atao mba hahafahana mifandray mivantana, dia ny manaraka ity resaka ity, mba hamakiana ny voasoratrao.

  26. Manohana ny voalazan’i Kintana koa aho fa ho SOROHANA toa an’i domelina
    koa io vao HANAHIRANA indray ,dia ny izao dia LAVINA sady ity sarindiky efa
    namoaka vava rahateo,dia harahana @ vavany izy. Mazava izany fa izy nonifidy an’io PM io,dia anjaran’i
    ankolafy Ravalo no ANDAHA avy hatrany.
    Io anie tsy ho vitan’ny FAMPODIANA an’i dada fotsiny sy famoahana ny Gadra na ny haino aman-jery fa fomba ahoana
    no hanomanana ny FIFIDIANANA satria tsy mainsy olon’i foza daholo no tsy maintsy hapetrany eo( jereo ireto vava efa
    mitanintanina).Tsy maintsy hitohy ny fangejana isankarazany,sady tsy mba azo hatokisana raha izay foza fa efa BE LOATRA
    IZAO HITA IZAO ,efa MIHARIARY LOATRA E!AMPY IZAO fa tsy tokony mbola ampiana intsony.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *