Manadio tena ny ankolafy Zafy Albert.

My beautiful picture

Nanao valandresaka hoan’ny mpanao gazety , tetsy amin’ny Villa Elisabeth, ny ankolafy Zafy Albert notarihan’ny Pr Zafy mivady.Nitondra ny resaka tamin’izany ny praiminisitra Rakotovahiny Emmanuel .Tsy vaky ny ankolafy Zafy Albert, solon-tena natao hanara-maso no nalefa teny Ambohitsirohitra.Tsy mitady seza Rakotovahiny ary tsy mieritreritra ny handrotsaka olona ho Praiminisitra izany hoy hatrany ny fanazavan-dRakotovahiny.

Tsy vaky ny ankolafy Zafy!

Nanao sonia ny tondrozotra izahay, hoy izy, satria  manantena fa indray andro any dia tsy maintsy hampiarina izany tondrozotra izany, ary ny antony nanaovanay sonia dia nisy toky izay nomen’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena  fa mbola hisy tohiny ny fifampandinihana fa tsy mijanona eo amin’ny fanaovana ny sonia ny tondrozotra fotsiny ihany.Mila mitady vahaolana maharitra hoan’ny firenena isika hoy Rakotovahiny.

Namaly ny lahatsoratra an-gazety ihany koa ny tenany momba ny fivakivakisan’ny ankolafy : Nahazo fanasana sy fiantsoana  avy tamin’ny filohan’ny tetezamita izahay : “tongava aty ianareo hifandinika ny fanantanterahana ny tondrozotra” talohan’ny  andro  nandehanan-dRajoelina tany New York izany,  ary niaraka niakatra tany Ambohitsirohitra izahay  sy Manoro Regis. Rehefatonga  dia tsy nisy niteny izahay satria tsy nanatrika io fivoriana io I Andry Rajoelina ,  inona no tokony atao mba hanantanterahana io tondrozotra io mba ho hisy ventiny ho an’ny vahoaka izany? Mbola nitohy tay amin’nyCarltonizany fivoriana izany kanefa dia voakorontana koa niala tao ary dia niova toerana hafa. Manoro Regis  no solontena tany ka ambarako fa tsy nisy fanampahan-kevitra  tao any fa nanara-maso fotsiny ihany izy ireo .Ary rehefa niverina Andry Rajoelina dia nandefasany fiantsona aho fa tsy nandeha intsony fa ireo solontenanay ihany no nanatrika izanyary raha nitohy androany izany fivoriana izany , nosakan’I Profesora ZAFY izahay ka tsy nanatrika izany

Tsy mitady seza !

Tsy misy ady eo aminay ankolafy Zafy  na fandehanana irery akory eo fa mbola ireo daholo ny izahay ; na dia nisy aza ny fanaovana Sonia tany amin’ny fivoriana,  ary nanao Sonia ireo olona nalefako tany dia tsy misy dikany akory fa Sonia  fitanterana ny dinika sy ny fanamariam-pahatongavana no natao fa tsy fanampahan-kevitra velively  akory.

Ny mety hilazan’ireo mpampahalala vaovao fa miady ny ankolafy Zafy dia satria izahay mitsipaka ilay fanendrena ny mpikambana ao amin’ny CT sy CST 470 izay  tao anatin’ilay  PV  satria fanamaivanana  ny Malagasy ary tsy anaiky izany izahay satria iny 470 iny dia fanandevozana ny Malagasy izany.Na nisy aza nijoro tamin’ny fivoriana izany fa tsy azo ravana  io 470 io fa midira ianareo raha hiditra ,  averiko indray fa tsy mitady seza izahay.

Ho Praiministra?

Namaly bontana Rakotovahiny teto «  Tsy mbola misy izany, araka ilay efa nolazaiko teny amboalohany, fa raha toa ka misy izany dia i Profesora Zafy ihany no manendry izany fa tsy hoe izaho no hisora-tena amin’izany na  ny ankolafy no hametraka izany fa mbola misy ny lehibenay .

6 pensées sur “Manadio tena ny ankolafy Zafy Albert.”

  1. Tandremo ataovy fadin-drazana ny mandehandeha any Ambohitsiroatra any!!
    Mahery mihintsy ilay SAMPIN’i domelina ao koa tsy hifanomezan-tsiny e!
    fa ny hisaorana an’Atra dia nahatsapa tena avy hatrany ry ZAREO ireo,koa afa-doza aloha dadabe Zafy.
    Voan’ny raikiraiky ,fanina mihintsy anie ianao raha vao tonga ao e! dia manaikinaiky fotsiny avy hatrany.
    Mpanomposampy oah domelina !!! dia izy miziriziry io fa tsy fantany fa « MANA-PETRA NY ASAN’NY SATANA ».
    Afa-doza aloha ireto olona ireto! hain’ny dadabe Zafy mihintsy ny nanao azy koa kah!izany no tena « RAY AMAN-DRENY ».
    Ho ela velona ! ny Tompo anie hitahy anao ! ho tratra antitra DADABE ZAFY a!

  2. Raha mivadika na mamadika eo koa ry Prof. Zafy sy ny namany dia mety ho vita hatreo koa ny aminy eo imason’ny vahoaka.
    Ry zareo rahateo tsy misy olona firy ao an-damosiny.Tokony hitsinjo ny ho avy hatrany ry zareo satria ny fifidianana tsy maintsy mbola hatrehina.

  3. Mitombina ve ny fiantsoana azy toa itony ry Solo: « Nitondra ny resaka tamin’izany ny praiminisitra Rakotovahiny Emmanuel »
    __
    Izao anie no nambarany hono ê. Hoatrahoatran’ny sady mampiditra amin’ny kizo no mamoaka:

    [Ce rôle crucial de charnière revenant à la Mouvance Zafy Albert est illustré par une petite phrase d’Emmanuel Rakotovahiny lors de la conférence de presse d’hier. Interrogé sur les Trois mouvances, il répondit en trahissant une petite pointe d’agacement : « mais vous voulez toujours parler des Trois mouvances. Vous savez, à l’époque, il y avait les 3FN, hein ? Vous vous rappelez ? J’étais le premier à dire, cessez les gars votre cinéma, nous ne pouvons pas travailler ensemble, donc que chacun suive sa route. À l’heure actuelle, je trouve que c’est inhumain d’attendre le retour de deux personnes. J’ai dit c’est inhumain, hein ? Les malgaches ont besoin d’autre chose ».]

  4. zafy dia tena olona foza orana tsy mahay mandeha mahitsy fa zay tonga dia contrény daholo mba misaina oah

  5. Ny ahy aloha dia tsoriko fa ity Emmanuel ity mihitsy no tena tsy tiako e! Tadidinareo angamba ny nataony tamin’i ZAFY PRM izay avy hatrany dia nisososohany tao amin’ny TV fa izy hono no PM tamin’izany!
    Ka amiko dia « TSY RAHARAHAN’NY ‘MANY-OELA INONA HONO NY VOLON’I BERTA-BORY,… oay azafady! ny maha-ZAFY an’i ZAFY

  6. F’inona indray ity ry Ziry??? » ny volon’i Berta TAPAKA  » hi! hi! hi!aleo ahitsy kely!
    Izany indrindra no tsy maintsy tokony ho olona lanin’ny be sy ny maro no ho PM.
    Olona tena azo antoka fa manana izany fitiava-tanindrazana izany mba tsy ho VOAVIDIN’i frantsay sy karana.
    Tokony ho entitra tsara eto ny rehetra fa sao tafita vao ho rendrika.Io tsy mifidy na antoko iza na iza,i Mamy .R
    koa mantsy efa namoaka vava fa tokony ho avy @ Tim (dada) ny PM,izay zavatra tsy tokony ho lazaina mihintsy
    satria lasa ady SEZA no HIAFARANA raha izany no fandehany.Tokony izay hialan’i domelina no hiadiavana FO aloha
    vao miady PM,i Dada ihany anefa no nilaza fa  » ALEO FARANY TOY IZAY FAHAROA »,karehefa tsy voalohany izany
    dia tokony hiandry ny RARINY,izay lanin’ny be sy ny MARO,fa io no tena FANARENANA fa tsy kilalao,ny 4 em repoblika
    manaraka fotsiny ,ary mbola eo ny fifidianana,mila fiomanana sy FANADIOVANA be mihintsy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *