Nitsoaka « komando» Ravalomanana ?

SADC Standby Force

Ny Jeneraly  Richard Ravalomanana no resahina eto, nilaza manko ity begalona mpomba ny FAT ity  fa handefa « komando » folo ho atsy Afrika Atsimo hisambotra an-keriny ny filoha Ravalomanana, hatramin’izao isika miteny izao toa do-tandroka sy vavan’ny maty an-drano izany. Nivadika indray ny rasa ankehitriny,  miaramilan’ny SADC notarihan’ny Jeneraly  Nyembe Jeremiah Mduduzi indray anefa no tonga eto Madagasikara io tolakandro io fa ny miara-mila gasy tsy tafiditra any Afrika Atsimo.

Be ireo lasa eritreritra, nankaiza marina ary i Richard « Baomba »?  efa nahoraka mihitsy aza moa ny tsaho fa lasa any amin’ny « lanitra fahafito » izy.Ao indray no niteny fa nitsoaka any Maurice, ny fampahalalam-baovao ny FAT aloha dia nilaza fa nitsabo tena atsy amin’ny Nosy rahavavy izy fa narary fo.Fa be ihany koa aloha ny vahoaka no marary fo amin’ny « vava tsy ambina » ataon’ity jeneraly indrindra ny fanenjehina an-dRavalomanana.Tsy vitsy koa anefa no milaza fa tsy mahatoky mpitsabo Malagasy intsony izy , ahoana kosa moa no hatokisany an’i Profesora Zafy Albert handidy ny fony? ndrao ho lazaina fa « sabotena » eo indray.Isan’ireo manam-pahaizana  sahy milaza fa « profesionely » sy mpamantatra ny ho avy manko ity Jeneraly ity.Saika hita mialoha sy tsy mipoaka avokoa manko  ny « baomba » rehetra noho ny fahaizany.

Jeneraly hafa koa…

Isan’ny efa nodradradrain’ny « zanak’i Dada » hatry ny teny Ambohijatovo manko ny fahatongavan’ireto miaramilan’ny SADC ireto, « hiaro sy hamerina » indray ny filoha Ravalomanana .Ny tsy azo lavina dia isan’ny fehin-kevitra voasoratra ao anatin’ny tonjozotra ny famerenana tsy misy fepetra ny sesin-tany politika, isan’izany ny filoha Ravalomanana koa na inona na inona lazain’ny FAT dia tsy azo hodian-tsy hita fa ho tonga hijery sy handamina ny fanatanterahana izany ireto « miaramilan’ny SADC sy UA » ireto.

Ho hita eo ihany koa fihetsik’ingahy Camille Vital, « hanao fanazaran-tena amin’ireo miaramilan’ny SADC” ireto manko izy.

Be ireo Jeneraly sy begalona nanao fanambarana etsy sy eroa, fa toa saika hiaro ny tombontsoany no tena arovany, firifiry moa amin’izao krizy izao no lasa mpanakarena tampoka ry begalona?

Tandroka aron’ny vozona marina ve izy ireo za tandroka aron’ny be vozona ?

 

17 pensées sur “Nitsoaka « komando» Ravalomanana ?”

  1. Ramaka indray no miditra an-tsehatra fa lasa nitsoaka i Rasafotra ka tokony hifampitana amin’ny miaramilan’ny SADC tonga androany hono ny miaramila gasy.Miseho azy ho manana ambon-po ilay Dezy nefa voavidin’ ny vozongo.Tsy misy valera koa ireny fa mivarotena amin’i reny malala.

  2. FARANY…NY RARINY IHANY NO MIVERINA AMIN ‘ NY LAONINY !

    Nanaraka tsy tapaka ary nandalina be tokoa ny fiainam-pirenentsika ny tenako..
    Tao aorian’ny fanonganam-panjakana dia teraka ny tsy hidirana amin’ny adi-hevitra nandroso ho izay tsy maintsy natao noho ny fandavan ‘ izao Tontolo izao ny fanonganam-panjakana ary ny tsy fankasitrahany ny fitondrana entin ‘ireo mpanom-panjakana !
    Dia nisy fivoriana nataon’ny Nations Unies sy ny Union africaine miaraka amin’ ireo Firenen-dehibe…!
    Teraka ny Accods de MAPUTO , izay lasa feuille de route amendée de SANDTON..
    Ireo accods ireo dia natao hanamorana ny fametrahana ny tetezamita tsy manavaka ary iraisana !

    Ny fat anefa , izaytron’ny frantsay hevitra dia nanakana ny fametrahana ny tetzamita vaovao
    Dia tamin’ny taona 2010 ,tao aorian ‘ny 20 mais , izay ny fifandonan’ny FIGN tamin ‘ny emmorec tarihin ‘ny zandary ravalomanana richard ary nahita ny fahafatesan’olona telo dia ny pasitera RIVO, ZANDARY IRAY ARY MPITOLONA IRAY..!
    Di nataoko ny taratasiko zay nitondra ny lohateny hoe :LA SDC DOIT ENVOYER UNE MISSION D’ASSISTANCE DE PACIFICATION A M.CAR .
    Ceci a pour but de mettre à la disposition de la République de M.car des diplomates qui aident M.car dans la formation et la gestion du personnel pourque les aides puissent êre utilisées à bon escient et rapidement , pour encadrer les décisions militaires que la Transition doit prendre paour défendre et protéger la Population contre les bandes de voyoux sous-traitées par des éléments des forces armées et des hommes aux cols blancs !
    Le grand service demandé à cette mission d’assistance est de sécuriser les zones rurales…!
    Voilà en grosla teneur de ma demande..

    J’ai eu un petit espoir que les Forces Armées réagissent pour leur honneur contre l’emmoreg ,avec le cemgam , a suivi les odres de rajoelina..
    Les militaires ont réagi et se sont donnés endez-vous à la BAN D’IVATO..
    Ils ont été vendus , trahis par le cemgam et sont actuellement en prison..!

    Vous imaginez ma grande satisfaction de constater l’arrivée du Géral NIEMBE à la tete
    la délégation tazanienne , représentant la SADC..!

    Oui rajoelina ne manquera pas de singulariser par sa réaction de chien blessé , pour démontrer qu’il n ‘ a jamais fait appel à des forces étrangères..mais il n’avouera pas que des éléments français l’ont aidé dès le coup d’état..

    Quand aux Forces Armées , avec la fausse souveraineté chantée par makavelo , elles ne peuvent dire autre chose contre l’arrivée de cette mission de la SADC , qu’elles ont subodorrée depuis lonGtemps que la SADC NE SE GËNERA DE FAIRE APPEL A UNE ASSISTANCE DE PACIFICATION ( ELLE EN A LE DROIT ET ELLE EN A LES MOYENS..).

  3. efa voalaza teo @ Magro teo fa karazan’ny voadaka ihany i bombe satria
    tsy vitany ilay fanakanana an’i dada nampanaovin’i la frantsa azy dia noho izay »maty ialahy  »
    hoy ny frantsay taminy, dia namoy fo lery, efa nodidiana kosa hono izy dia mbola lazainareo
    fa lasa nandositra ihany!! asa aloha fa ry zareo koa moa be lainga loatra ka tsy hinoan’ny olona
    intsony na efa ho faty aza????

  4. Dia mbola ny volan’ny Malagasy no andefasana an’ilay richard bomba kristiana alahady fa mpitifitra olona alatsinainy e! jereo anie ny tarehiny e! feno panda! miandry isika ary mety koa izao mijalijaly ny aretina fa tsy maty fa saingy ny volan’ny Gasy no very any!
    Raha ny amin’i ramaka indray dia tsy fantatrareo ve fa na ny anarany aza dia nogasiana (Machiavel) Ireny no tena mpivarotena politika, miaraka amindratsiraka, miala amin’io miditra amin’i zafy, niala tamin’io nivavaka tamin’ny Dada Ravalo! izao indray mandohalika amin’i domelina! ary na ny zanany vavy aza miray petsapetsa amin’ny fat sy manambady vazaha! Miseho azy ho mpivavaka be nefa gananaga bila miakatra ny tsena tsy mijery tena vao maneso olona.
    Izay fa samia isika maharitra fa efa akaiky ny firodanan’ny fat y e

  5. Ary adinoko teo fa ny miaramila dia tsy tandroka aron’ny vozona intsony fa rambo mpikopadalitra ny fitombenandradomelina

  6. Iny indray no tsy hitako!!! mazava be! diso mazabe loatra!!!!
    Ny miaramila Malagasy dia: »RAMBO MPIKOPAKA LALITR’i DOMELINA »
    Mba ahitsihitsio ihany ilay fiteny e!hi!hi!hi!!!!! bedy an!!!
    Samia velon’aina daholo hijery ilay « doudane be » avy ery AMBATOBE e!!!avy any mantsy ilay izy no miainga HONO an!!!
    dia mety hikodiadia hatrany MAHAZOARIVO, mahazo iny lalan’Atsirabe Mavoloha iny dia hiakatra farana ao Mbotsiroatra.
    Kdoda !kdoda !kdoda!!!!mety ho milay be ny mijery izany an!!!ataovy vonona daholo ny fakantsary rehetra ho haseho ny
    TARANAKA any afara any fa ireo ilay MPIVAROTRA TANINDRAZANA,ka ho tsarain’i tantara.
    Ilay doudane io ,mety ho avy @’vahoaka na mety koa avy @’A-tra mivantana. tsy maintsy tonga ilay FAHAFAHANA e!!!

  7. Na nitsoaka na mitsabo tena i r. baomba dia anjarany indray izao no ho samborina any noho ny heloka vitany teto. Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina.

  8.  » Any  » aiza io voalazanao io ry Lilinoi??? izy mantsy mbola tsy » ANY » an!!!
    Vazivazy ny ahy fa marina tokoa fa mbola misy izany fitsarana ankoatra ny eto
    ambonin’ity tany ity izany na dia minia hikipy aza ny sasany tsy hino izany,ary hamafisiko eto fa MISY dia MISY tokoa
    izao AVO A-tra izao na dia tsinontsiniavin’ny sasany aza.

  9. aza matahotra fa minoa fotsiny ihany ! ny vavaka manova zavatra ka mahereza tokoa mivavaka.
    zavatra foronina daholo ireny nisy ireny mba tsy hitiavan’ny olona andra8.tsy vao ra8 no tratran’ireny;ary raha tsapanareo dia efa manomboka mizaka ny alahelombahoaka ireo fat ireo @zao.aiza ramaroson no tsy henoheno? tsy voasakan’ny rindrin’ efatra anie ny alahelom-bahoaka é !
    ary ianareo fat ireo sy ny mpomba azy dia aza manao ny olona ho bado fa mandreraka be.ny anareo vao mitsiry fa ny an’ny olona efa vaky ravina é!

  10. DISO FANANTENANA AHO
    Nifandom-bera sy manao kawitry ny sila gasy sy sadec!vita ny lalao!milamina ny resaka!
    Misy mamafy lainga ato aminay zaza navelan’i DADA!Aiaty hombà?Alao hiketrika tsaho indray fa manomboka mihidy ny varavarana zany
    Taiza koa hoe Sadeka miteny gasy?ANANNNNNNNHIHI


  11. Le peuple malagasy peut prendre en main DESORMAIS son destin en MANIFESTANT EN FORCE : RODOBE JE VEUX DIRE !
    – C’est maintenant où JAMAIS, pour savoir si LA LIBERTE D’EXPRESSION – LA SECURITE seront jugees DE PAR LE MONDE !

    IL FAUT MANIFESTER – L’Armee de la SADC nous donne l’occasion de bouger LIBREMENT !

    Toues les manifestations PACIFIQUES sont desormais permises, sans que le Risara Baoma intervienne ou que la HAT puisse empecher le peuple !

    MANIFESTEZ – MANIFESTEZ – PARTOUT mais pacifiquement.

    N’oubliez pas le sitting devant l’Ambassade de France : C’EST IMPORTANT devant les yeux de la SADC!!!


  12. Eo am-pela-tanantsika ny FAHAFANA manao RODOBE amin’izao fahatongavan’ny Miaramila SADC izao.

    Koa raiso ny ADIDY ry malagasy havana, mangetaheta fahafahana : MANAOVA RODOBE, fa izao no fotoana.
    Tsy eo Risara Baomba hanakana anareo, na ny FAT hampisambotra anareo,

    FA MANAOVA RODOBE, izao no fotoana.
    Manainga ny rehetra aho, mba hanaparitaka izany hevitra izany, ary

    Hanao ilay « sitting eo anoloan’ny MasoIvohon’ny vozongo. Tena ilaina izany ho hitan’ny SADC, fa leo FAT sy Domelina ny vahoaka.

    AZA MISY MIHANAHANA E !!!!

  13. Aleo ho avy ny milisy Ravalo fa ny miaramila gasy kosa vonona @ rhtr na firy na firy. Ao ambadika io SADC io ange ny milisy zay efa nokotrehan reo mpamono olona taloha. vao mainka koa apidirina @ tena krisy ny malagasy @ ty fianstoana ny SADC mba hisy ady an trano
    Mieritrereta ianareo milaza ny mpandala ny ara dalan a fa manabotry ny firenenna

  14. Ianao izao no milaza ady an-trano. Ianareo no tokony ieritreritra amin’ny fanabotrianareo ny firenena izao amin’ny zavatra rehetra hita maso ataonareo.
    Ovay amin’izay ny toe-tsaina fa mbola tsy tara izao.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *