Pr Zafy Albert : « mbola mitohy ny unilateralisme-n’i Andry Rajoelina »

Pr-Zafy-Albert1 (1)

Tamin’ny valan-dresaka nataon’ny Profesora Albert Zafy, tetsy amin’ny trano fonenany tetsy Ivandry, io maraina io no nilazany fa tsy mitsahatra mandray fanapahan-kevitra samy irery hatrany i Andry Rajoelina  .Tsy nisy nifanaraka mihitsy ny mpanao politika  fa tsy maintsy rahampitso no fandraisana  farany ny anaran’izay ho praiminisitra, tsy voasoratra ihany koa izany ao anatin’ilay tondrozotra hoy ny tenany, kanefa dia teren-dRajoelina fotsiny amin’izay itiavany sy maha metimety azy izany.Tsy azo ekena izany hoy « prof ».Nanamafy ihany koa izy fa mbola mitohy ny fitoriana napetrany tany amin’ny tribonaly mahakasika ireo mpitondra FAT mangorona ny harem-pirenena.

Raha tiana ny hivoahana amin’ny krizy dia ny fihaonana an-tampony eo amin’ny lehiben’ny ankolafy efatra ihany no tokony ho karakarain’ny Sadc sy ny Troïka, aleo izahay ireo no handinika ny fanendrena ny praiminisitra sy ny hafa hoy hatrany ny filoha Zafy.

13 pensées sur “Pr Zafy Albert : « mbola mitohy ny unilateralisme-n’i Andry Rajoelina »”

  1. papabe!papabe oa!papabe ô!tsy misy tokony hierana aminao velively anie izany fa izy no eo @fitondrana fa nisy famadihana teto Madagasikara dia be ny nifoha !efa teo ianao fa tsy misy direction collegiale ao ambohitsorohitra na iavoloha ao!ianao ve afaka manome baiko ny miaramila NA MANAO SONIA TARATASIM-PANJAKANA?Tsia avetrany no valiny!tsy mpitondra izany ka tsy afaka manome baiko!tadidy ve reny sakoroka ireny ka tsy nommena baiko ny miaramila!asaivo samborin,ny miaramila ary ny olona iray dia hanaiky ve ry zareo!mampmebe ,

  2. Mapme itony foza maimbo tony!!!izay tiako ihany ! f’angaha anareo Dago no izao
    fakom-bazaha rehetra izao no handidy sy hanapaka eo??? misy tondrozotra natao
    sonia tokony ho harahana fa tsy anareo no mbola manjakazaka eo,ka raha te hahazo ilay zavatra tsy azonareo
    tao anatin’i 3 taona dia harao io nosiniavina io! Dadabe zafy dia lanim-bahoaka fa tsy nilingilingy @ zavatra tsy sahaza ny tena
    sady tsy fantany ery hany ka manaonao foana fa manana basy hono koh!!!tsy nisoratra teny @ fitombenan’ireo nampandihiziny
    DJnareo mihintsy ny fomba fitondrana Firenena dia izao no vokany,any akady ny firenena.Mandinia kely!!!

  3. Teren’i domelina hanaiky ny baikon’ny Devoliny daholo isika ,izy no efa handevoziny any fa
    nandray ny volany dia isika koa no tadiaviny handohalika @ satanany , viravirao dadabe Zafy a!
    ianao mbola lanim-bahoaka teo noho io laikely io!! tonga dia TENENO ANY @ firenena mikambana
    fa adala sitrana tsy azo HATOKISANA , tsara ho anareo nanao ilay sonia koa izao fa tsy haiko izay mbola
    hanekena olona efa maty heritreritra toy itony domelina itony?izao hihomehezan’ny ankolafy Ratsiraka fotsiny!!
    raha misy zavatra mivoana eo dia ianareo no tompon’andraikitra fa efa miariary fa fako ! fako!io domelina io
    nefa ianareo mbola nanaiky azy dia matatesa ny valik’itsaky donto be Sampy io!!!mbola asainy milanja azy
    miala ery anaty Rova koa ianareo vao ho Gaga!!!!Dia ataovy anatra ho an’ny sisa izao e!!! efa in-2 anie izao e!!

  4. tsy misy koa ao FR milaza fa PAHT RAJOELINA ny fantatra dia RAVA daholo ny fanjakana na ny mpitondra tao ariana sonia tamy 16septembra ary io teniny ZAFY no marina fa tsy VENDRANA no hanendry izay hitondra aminio TETEZAMITA VAOVAO io

  5. Misy marina r’ise Ranavalona ny an’iLizabeta a!rahoviana ihany ary ianareo no hanaiky fa be marina ny fanehoan-kevitr’olona, fa manohana olona an-jambany fotsiny ianareo. Lasa toton’omby bory e! na inona na inona anie rancunes, na menaces ataonareo, tsy @ adversaires nareo ihany, fa @ mpiara-mitolona @ nareo de tsy hahavita na inona na inona nareo raha mbola io foana ny fombanareo, fa lasan-ko vavany toa siny loaka fotsiny e!efa nilaza ahohoe manovà fomba fiady fa taimbava tsy mahavita inona.Jereo fotsiny, nanasonia io tondrozotra io ry Zafy, de avy eo mitsipaka indray, de mitady sommet des quatres, de toy izany koa Ravalo, de manenina avy eo, de tsy hita ihany, de mitabataba aty an-dafy aty ny GTT, tsy mila an-dRajoelina, kanefa ry Mamy manasonia any Dago, fa ekeny ny maha pd HAT an-dRajoelina, ddefa mahita ny fikafikanareo tsy mikendry afa-tsy olona iray ianareo, fa tsy mijery zay hamahana crise, fa manao blocage lava, mibodo ohatran’ny zazakely, na samy ianareo aza tsy mitovy hevitra,de mahita hoa ankehitriny ny communauté internationale , fa ianareo no maramara, de lasa ny olona, tsy miandry anareo, ary miaiky aho fa mahay politika Rajoelina, raha izay atakinareo nandritra ny 3 taona izay, de lasa io fa tsa mipody koa, fa misanaka avy ato afara ny mpanenjika. Fa na i Zafy, na Ravalo, de samy nanongam-panjakana fa Ravalo rehefa nanongana an-dRatsiraka, tsy mba nitabataba ny Deba refa lasa izy, fa navelany nitondra dadanareo, na i Zafy koa efa nanongana azy, de Zafy tsy tia sady tsy nanaiky an-dRavalo iny ho prezida na oviana na oviana,de miara-mitabatabata ry Zalahy ankehitriny fa tsy mila an-dRajoelina, de tena sadasada be hafahafa, mihitsy, de sommet des quatres hono , iza le trois ary inona ny poids ny eo @ vahoaka? fa na ny vahoaka any @ tanindrazany aza tsy tia an’i Zafy, fa ireo antoko politika sy groupement politika ireo tsisy dikany @nareo sy ry Zafy, de marina ny an’i Lizabeta, fa dadabe tsy mahay miaina e! fa raha culte de la haine foana no iainanareo na ny tenanareo sy dadanareo aza de tsy tianareo! marina io an! tsy mahay politika ianareo ry zalahy fa niaozan’ny toetrandro a! de mandiniha foana oa! de jereo ny gazety mpomba anareo nivoaka androany » LE COURRIER DE MADAGASIKARA » fa omeny lesona tsara ianareo fa tsy capable e! gazetinareo toa an’i Midi an! de veloma indray e! fa ry Mamy sy ry GMMR ary ry Ravatomanga (OLONAREO), tsy hiandry zay efa harafesina, fa raisiny ny andraikiny, ary masina ny tanindrazana, de aza manome tsiny sy mankahala olona be fahatany, fa ny tantara mandroso foana , fa ny olona tsy te hiray petsapetsa @ toetsainareo efa lomorina ireo. De izay indray ny anion-dRABE e!

  6. Rabe!aoka hazava fa Lanim-bahoaka tamin’ny isa mazava i Ravalomanana tamin’ny 2002.Entités publiques sy privées efatra no nanome isa mitovy tamin’ny fifidianana tamin’izany.Momba an’i Zafy dia nanala olona nangala-bato izy satria io dia talentan-dratsiraka ary izay no mahatonga anay tsy manao culte de la haine satria dia miaraka ireo mouvances telo ireo amin’izao fotoana izao.Raha lazainao mahay politika i Rajoelina dia efa nisokatra ny robinets fanampiana avy amin’ny communauté internationale kanefa aiza izany.Ny zavatra mitranga dia mahazo felaka foana ny délégation HAT rehefa mankany ivelany (Afrique du sud, Bruxelles).I Rajoelina anie ka sarimbakoly tsy mahay politika fa manaraka be fahatany izay tenen’ny vazaha fotsiny.Izy no manao culte de la haine satria tsy tiany hiverina i Ravalomanana satria mahay lavitra no izy no mamim-bahoaka.Ataovy tsara ilay analyse objective.Ary farany matoa ny mouvance telo mitady zavatra hafa noho ny tondro zotra dia satria i Domelina no tsy manaraka an’io voalohany.Efa nanoratra ho anao aho indray mandeha fa asa raha hitanao.

  7. Fantatro ny politikanao Rabe a! ary tsy i domelina sy ny Sampiny mihintsy no mba ho
    hindraindraiko fa mahay POLITIKA izy. TERENA @ SAMPY fotsiny ilay zavatra nefa
    dia hita ihany anie ny VOKANY avy eo fa MIREFOTRA LAVA e!!ny toetsainareo no tena LOMORINA mirona @ RATSY.
    Tsy mahalala afy tsy anio MAHAVOA anio fa tsy DINIHINA akory ny VOKANY , fa ny mampalahelo dia ny vahoaka no
    mibaby ny FAHOTANAREO, ny vahoaka no mibata ny TAOLAM-BE tsy mitapaka.Hita mihintsy fa FANAHY RATSY NO
    maniraka sy tompoinareo ka tsy mijery izay mba ho FIANJERANA fa MITSAMBIKI-MIKIPY.
    Ary mba avy aiza ity domelina dia iza no tia azy @ izay toerana mba niaviany?????Avelao handeha izay tsy tamana fa
    izahay tsy misakana sady tsy MIVIDY,hita eny ihany anie hoe AIZA RY ZAREO e!!! ka azony ve aloha ilay zavatra raha
    NIVIDY IREO RAMASA -BOMANGA ireo aza ny LAHIBENAREO????toa vao maika fahafaham-baraka sy DAKA FITOM-
    BENANA lava izao no hita , soa fa LEFY ilay SAMPY raha vao miala ao @ tanana .Mahery an-tanana fotsiny.
    Sao ilay filazana ny marina no manelingelina anareo ohatra???fa tsy dia ilay taim-bava ?? misy be taim-bava ohatry ny
    foza ve eto?? nefa dia fijeri-poza izany hoe: MIREFAREFA e!
    Mievaeva be ianao Rabe fa mangalaha toerana tsara a!! aiza marina no tena misy anao?? foza sa mpitaty ra-kena? dia raha
    tena tia tanindrazana ianao tsy tokony ho toy izao no toetsainao.Ny hevitrao mety fa ilay olona halahatrao @ ilay HEVITRA
    HAROSONAO DIA MIFANIPAKA @ ‘ilay FITIAVA -TANINDRAZANA, asa raha azonao ny tiako ho lazaina????

  8. De inona ary no havalinareo io gazety pro Ravalo io sy ireo namanareo miara-mitondra @Rajoelina @zao! aza minomino foana izany Ranavalona fa tsisy ody mandaitra izany raha tsy latsaka anaty a!de ho hita eo, fa efa misokatra daholo zao ny lalana, ary manaraha vaovao ny @ nolazain’ny ambassadeur Sud AF omaly fotsiny, ary misy antony r’ise matoa manomboka manokatra ny fiara-miasa @ Mada, ny Sud Af @zao, ary misokatra ho an’ny gasy ny tsena eropeana! tara be ho nareo! marina e!

  9. Rabe!miara-miasa ny sud-af sy Mada ka ny ambassade ny sud-af aloha izao no solon’ny bureau de liaison ny sadec mandrapitsangana ny biraon’ny sadec.Misokatra ho amin’ny malagasy ny tsena eropeana hivarotana inona, ka raha misy zavatra azo aondrana koa moa maninona, mangetaheta ambony lakana fotsiny.Ny namanay izay miara-miasa amin’i Domelina dia fitiavam-bola fotsiny fa tsy fitiavan-tanindrazana.Tsy misy manao an’ireny ho filamatra izahay.Ny mpamadika anie efa ela no nisy tsy dia TGV loatra no tiany fa ny vola, tsy namanay intsony ireny.

  10. Tsy misy fika, efa mazava ny fahaiza-manao ny Frantay amin’ny alalan’itony zanadra-Galliéni, teraka Padesm,
    malgacho-malagache tsy ho tafa mandrakizay ny eto!

    Tongava indray mikapoka ny zazakely zatra-vola isany ra-Marius Fransman, ny hatahorako mantsy sao ho voavidy vola eo koa ingahy ambasadaoronareo aty io,
    zay vao hivalana toa an-draChissano,
    dia rebelote UN PAS EN AVANT, TROIS PAS EN ARRIERE!

  11. Ny loto eo amin’ny latabatra mbola be dia be, dia maika ery ny sasany hihinana eo amboniny !!
    Eo koa ireo izay maimaika fa hoe misokatra izao sy izao ! Ny olona tsy adala ka hanatsofitsofika zavatra tsy azo antoka !!!
    Réunies daholo ve ny conditions rehetra momban’io FDR io ??
    Tsia tompoko ny valiny !!!!
    Un pas sy deux pas ry HoAiza â ! Salegy ê !

  12. Misaotra kintana a! hafahafa ihany ny fandehan’ity raharaha ity mantsy tato ho ato .
    ttsara ny fanampim-panazavana toy itony.
    Hoaiza! hatr@ ilay TROIKA teo voalohany ireny no efa nahatsikaritra zavatra aho, misy raha ao fa aleo handeha
    fa tsy maintsy hivoaka ny marina.
    Na izany aza tsy maintsy mailo foana fa la frantsa tsy hiala maina eo akory.
    Tiako be ilay hoe: salegy!!! maty antoka be mantsy isika raha 3 miemitra fotsiny.
    harao akaiky mihintsy Kintana dia mba zarazarao ny vao2 a!! mankasitraka e!

  13. Oh my goodness! Impressive artlice dude! Many thanks, However I am experiencing troubles with your RSS. I don’t know why I cannot subscribe to it. Is there anyone else having identical RSS problems? Anybody who knows the solution can you kindly respond? Thanx!!my web site …

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *