8 pensées sur “Rostant : « aza manaiky lalaovin’ny Frantsay ry miaramila Gasy »”

  1. Raha ny firenena(Nation) no renin’i Gasikara dia ny tafika no rainy ary nifanaraka ireo fa hanaja ny voady izay nataony ohatry ny mpivady rehetra:hifanaja,hifampiaro,hifampiahy.Ankehitriny dia mitady hiverina ny fofombady teo aloha (Ikala Malala)satria tsy nahatanty ny fiarahan’i Dago sy Sily.Dia voatamby tamin’ny vola i Sily ka nisitaka kanefa bedin’i Dadabe Rasady vao tonga saina ary miandry ny fodiany i Dago izao.

  2. Ny tokinaina dia tsy dia maro an’isa ry Sily lasa nibolisatra, ka lasa ny tantaran’i
    Fara sy trimobe no hiafarany, » atsangano ny efitra ry Fara »hoy Trimobe rehefa
    mba natevitevina ny hazany( vola io ).
    Ary mba inona no hataon’izany Sily vazaha any @ Toby any izany??? efa miana-kendry mihintsy anie ry kala
    malalandry zalahy izany e!tokony halefa miaraka @ fitoriana rehetra efa lasa any izany rehetra izany.

  3. Sily vazaha mitondra divay sy mofo dipaina ! Fitiavan-tena sy fahavendranan-dramalagasy sasan-tsasany dia dipaina béni ho an-dry zareo !
    An’avà ! Siriplasy ! An’ariera !! Fantany laotra ny fitiavan-dramalagasy mandihy salegy, any ka asainy manao farimbona sy miodikodina eo fotsiny daholo !!
    Nahazo vera kely dia mijihina ery !

  4. Ahhhhh!! ny akama!!! fa taiza foana ?? heveriko fa namoy- fo ranamana marina!!
    manahona i Kintana??mitady ahazo vahana ato ny foza fa aza avela hangatsiaka
    ny tanana e!! faly aho fa tonga ianao!!

  5. Lavitry ny afo ny kitay ! Tsy misy mitsaoka na mamoy fo izany eo ry Ranavalona â !
    Rehefa tsy eto, dia manao zavatra hafa izay ! Miezaka koa any amin’ny toeran-kafa, manesotra ny TENA fototrin’ny aretina !
    Hitako daholo ny zava-miseho eto ê !
    Ny foza efa nolazaiko fa matoha ry zareo tonga eto, dia efa manomboka feno loto ny silipiny !! Ataovy toy ny thermomètre na baromètre !!
    Raha ny toe-javatra amin’izao fotoana izao, dia efa mibaribary fa tsy maharaka na inona na inona intsony ‘lay domelina ; sarin’olona tsy mihetsika rahatoa ka tsy misy ny marionetista !
    Ny mpanohana na mpiaro azy dia malagasy tia tena sy vola, tsy mijery an’izay hoavin’ny firenena, ary diso fantan-tsika laotra izany !
    Izao dia mandeha ny resaka « démission ». Na démission na tsia, dia mitovy, satria tsy ny vahoaka no nangataka an-dry zareo ho eo amin’io toerana io. Milaza fa nanao démission, kanefa mbola mijanona eo ihany ! Ny vahoaka koa no tokony ho tonga saina !
    Ny tena poizina dia ireto miaramila ireto, ARY efa resaka be natao eran’ny site rehetra KOA izany. Noho izany, dia enga anie izy REHETRA mba ho tonga saina amin’izay, fa tsy hialoka amin’ny hoe tsy fanaovana pôlitika ny ankabeazany !

  6. Ary iza oa le kondrana2 Rakotobe manao resaka hehy lava eto @top mada sy my dago fa an’iza tony site tony no avela hasiana resaka gaigy ohatra ireny foza orana ndray no mandoto rano ato reska teny anglisy ,le rakotobe refa mireska d ra8 hono izy ,misy lasa mandrevy ndra8 miintsy ato ,ho lasa adala @tahotra andra8 nef ra8 tsy miinanaolona !
    Mila toriana reo miaramila reo ary eny anivon’ny TPI miintsy reo ge tsy tena miaramila fa mpikaraman’ady ramaro sahona no betska ,tsisy hidirnay @reska politika ,ny fahavoazan’nle mouvance tel koa d ny nanao négociation ela ta@reo fatinalika reo ,ny tokony hataony d ny mitory d magataka ny olona hidina andalambe ary magatak observateurs internationaux hijery ra mahazo maneho ny heviny eny @13mai ny vahoka @androdradomelina rajakbazaha ,aiza zao le hoe ra8 manakarena nefa ny vahoaka tsy miinana kanina ,zao ny vadindradomelina miantsena eny @quartier ngetroka any Paris ,ny vahaoka napanatenaina zavtra tsisy ,jereo ange ny akanajonle mialy radomelina é!akanjo avy any andafy daolo ,sady @zay eny @quartier chic no mividy ,vola taiza daolo reny ???bois de rose mazava ho azy

  7. Lamokan’atody ry Bemafohy a!!
    Aza malahelo @ izany ry Bako fa tsy maintsy hisy farany izany a!!izany no nangalarany
    mba hilibana toy izany f’izay no NAHAORY azy.Sady vadin-draprezy hono e!!tsy maintsy miakanjo lafo fa ny
    vahoaka miosona maloto tsy maninona.Tsy misy bedy!!anazy ny fahefana ka na handroba izy na hangalatra
    tsy misy ahasakana izany,moa vola azo MORA tsy maintsy HABOSASAKA MORA2 koa mazava ho azy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *