21 pensées sur “Teraka ny antoko politika vaovao MMP : Miaramiala Mpanao Politika”

  1. Mafy izany fitadiavana seza izany marina!!! dia mitonon-tena toy ny lolofotsy
    ireto miaramila-potaka.
    Ireto fotsy volo ireto « antitra vao miha-gaigy daholo »manala-baraka mihintsy,tena tsy mahay miaina !!
    Dia mampalahelo fa ho entin’ny vola ho aiza daholo ireto goaika antitra hono?????

  2. Ny miaramila tsy tokony manao politika na mamorona antoko politika offisialy amin’ny maha ao amin’ny tafika azy.Jereo indray ny lalàna ry zareo.Misy fofona goulasch na choucroute indray izany foloalindahy izany.I Reny malala indray ny ao.Alefaso ny sit-in sy ny rodobe mirindra amin’izao sadec eo izao.

  3. Zavatra taman-dratsy ireo !nahazo lesona ratsy!!sady ireo no vongany azo vidina
    moramora dia tsy maintsy apidirin’i tsotsoka indray hitadiavana hirika aloha. Sady
    manana Basy atao RAMATAHORA .Tena tsivanona mihintsy ireo frantsay ireo !!mbola ho avy ny an’ireo fa tsy
    maintsy ho izao tontolo izao no HANOHITRA ireo ary tsy ho ela .Vazaha lany mofo!!ratsy loha !!!

  4. Ny miaramila dia manana zo hafany manao politique : tsy manana alalana
    –misoratra ho mpikambana amin’ny antoko politique misy,
    –mamorona antoko politique..

    Raha vonona hanao ploitique ny miaramila « am-perin’asa « , diamisy fepetra tsy maintsy arahina dia ny fangatahana  » disponobilité « !Raha heken ‘ny Fitondrana miaramila ny fangatahana dia :
    —voafafa ny fanenkena nosoniavinao tamin’ny Fitondrana miaramila
    —ho farana amin ‘io date namafana ny sonianao tsy ho miaraila intsony ( solde de tout compte : afa-karatsaka ).
    —averinao ny fitaovana miaramila nampindramina anao : basy sy ny bala , ny kiraro sy ny brodequin , ny akanjo ( pataloa sy ny veste, ny tenue de combat , ny béret sy ny képi.., ny fehi-kibo..
    Misy fiovana ireo fitaovana averina araka ny grade-nao eo am-pialana ..

    Rehefa tapitra ny  » disponilité  » nangatahanao dia
    —miverina ao amin’ny Tafika , raha hekena ny fiverenanao ( miankina amin ‘ny yoetran ‘ny casier judiciaire-nao ) ary mety hisy fangatahana  » enquêtes » mikasika ny asa nataonao ,ny hetsika ( action , activités)nataonao mba handinihina raha mifanaraka amin’ny Lalàna mifehy ny miaramila sy ny Tafika

  5. Mba jereo kely Ranavalona le valinteniko taminareo, ary @ le article « TARATASY HO AN’NY PD RAVALOMANANA » nosoratan’i Andry Ralijaona de ho hitanareo ireo fahadisoana politikanareon de mbola tohizanareo eto foana ny « culte de la haine » fa raha tahaka io foana ny méthode nareo hampodiana an-dRavalo, vao maika izy hanesy tany ny tenanany tsy à 400km fa ho lasa 10.000 km, ary tsy ho tafody intsony! tsy manambany an’i Manoela itony aho, fa tsy haiko ny niveau d’étude ny fa tena ohatran’ny olona tsy nianatra, fa aleonay r’ise foza kely avy ary Ambany tanàna, manana fanehoan-kevitra toy izao, toy izay Ondaty ny fony mifanakaiky @ tranon-tainy »miala tsiny » no miteny fa tsy ny fahaizana politika, sy ny faharanitan-tsaina no aseho, de Dadanareo no mampalahelo fa ny mpitarika ny tolonareo mihitsy ry zalahy no maivana de miorakoraka, sy mitehaka fotsiny ianareo, fa dadanareo no « victime ». Tena mahay politika marina ve ry zalahy ireo,no miaramila no atao toy ireny, kanefa ny mpitondra tafatoetra teo @ fitondrana r’ise de ny olona mahafehy ny miaramila a! ary raha mbola te hitondra Ravalo, de tsy afaka miala @ miaramila izy, de rangitina ny miaramila, de tezitra avy eo, de hoentin-dry zalahy mivoaka an’i Magro @zay nareo mpitola madinika, de mamely ny miaramila, de nareo no ataony ery @ farany aloha »front » de maratra sy matimaty foana, ry zalahy tsy handroso aloha izany fa ny vola avy any @ dada moa defa am-paosiny, de matimaty foana ohatry ny ankoho ianareo, de miorakoraka @zay ry zalahy hoe, tsy misy demokrasia sy fa herim-pamoretana, fa ny demokrasianareo d’efa tafahoatra ny mety,ary tena maivana ry zareo ny politikanareo a! tena marina, ny mahagaga, de tena tsy manao bilan mihitsy ve nareo nandritra izat 3 taona izay e! mba ovay indray ny tetika, mba mandehana mankany @ vahoaka, de ahoana hoy nareo? Atoroko ianareo raha tsy fantatrareo ny tokony atao, fa lany lera sy rovitra pataloha, sy tsisy vola hiditra am-paosinareo ry zala fa mba mieritrereta a! mino aho fa raha misy atao 1000 isan’andro ianareo, no tonga tsy tapaka ao d’efa mifankahalala anarana, sy tarehy ary ny eo foana no eo, mety hihena an-toerana.R’eo vahiny tonga reo anie ry zalahy tsy adala, fa mijery ny zava-misy marina e! de raha tsy hanova ny tetikadinareo nareo de opay aho, raha ireo mpitarika anareo reo, d’efa cause perdue hatry ny ela a! de vao maiaka tsy ho hita intsony Ravalo! de bye bye ndray e!

  6. Tsy azoko mihintsy izay tianao hatongavana Rabe????
    Efa namaly anao koa aho ka asa raha nahafa-po anao??
    Voalohany aloha dia hajanony ny fanavakavahana fa tsy tsara. Amiko aleoko lavitra tsy mahay miteny toy izao toy
    izay MISOSO @ LAINGA tsara lahatra,io efa olana t@ dada fa tsy mahay e!! satria tsy mahay mikabary KOBAK’
    AMBAVA toy ny sasany,lazaina fa tsy mahay koa i Dadanay fa SATRIA NAHOANA HOY IANAO???? satria tsy
    mahay miteny frantsay hono ….. mahamenatra ilay toe-tsaina,soa fa mba misy maso mihiratra ihany eran’izao tontolo
    izao mahita ny HASIN’i DADANAY.Izany sisa no hialana olana rehefa tsy azo GAMAINA ilay olona.
    Amiko dia tokana ny fahavalontsika izay tokony hiarahana manilika dia ireo MPANJANAKA frantsay sy karana ,koa raha
    olona mba manana RA Gasy ihany ka misy FANAHY Ilay FANAHY MAHA-olona dia tokony hanohitra ireo FANATRY be
    ny tany ireo.Amiko koa dia tsy ny fangoronan-karenan’izy ireo no tena olana fa ilay FANAPOTEHANA sy FANIMBAZIMBANA
    ny hasin’ny FIRENENA REHETRA IZAY ZANAHAN’izy ireo ary miaraka @ FANGEJANA mivantana na an-kolaka.

  7. Aoka koa Rabe tsy ho diso fa tsy ny MIARAMILA rehetra no ratsy fa misy dia misy ary
    maro ireo miaramila mandala ny ara-dalana ,fa saingy voageja toa ny vahoaka rehetra
    koa izy ireo,efa nazavaina teto foana io koa tsy hiverenako fa TSIAHY kely fotsiny ny ahy mba tsy hisian’ny DISADISA.
    Ny fahatongavan’ny miaramilan’i SADC koa tsy midika velively fa faniliana ny miaramila GASY fa rehefa miziriziry noho
    ny fitiavan-tena ireo foza dia tsy maintsy mandeha @’izao aloha.Tsy tsapan’izy ireo mihintsy fa misy LALANA mifehy ity
    tany ity fa tsy izay TIAKO na TIAN’I domelina sy ny forongony dia izay !mba hiarovany tombotsoany manokana @ lafiny
    RATSY REHETRA! raha mba mahavita indray moa maninona!!!!fa sady efa tsy mahavita no mbola mandrava efa ,ary ny tena
    loza dia izy indray no mba MIANAKENDRY manao tsinontsinona an’izao tontolo izao.Izany hoe: ny TAPANY IHANY NO
    MIKOBANA.
    Rabe! tsy fantatro intsony na momba an’iza ianao na iza fa mikorontana be ilay resaka fa miezaka fotsiny aho manazava
    mba ho an’izay mbola taraiky koa. Dia mba azafady re esory ny fanavakavahana a!Gasy iray izao RODOBE no tanjona mba
    ho tonga @’ilay fahafahana fa hajanony ho anao irery ilay izy raha mety .


  8. Amiko fahadisoana mihompampana ny famoronana Antoko toa io MMP io .
    Satria milaza izany fa

    Tena mbola tsy tonga saina ny malagasy hiray vondrona ao anatin’ny atao hoe Solidarité sy Union.

    Izay misaraka toy izao dia fasika, fa ny tennohana dia reo mifikitra amin’ny Antokon’ny Prezida Ravalomanana ihany !

    Mba mianara FIRAISAN-KINA RY MALAGASY A !
    aza mamorona io antsanga tsy aman’orana rehetra io fa mampisaraka izao ataon’y MMP izao !

  9. Miala siny aloha raha heverinareo ho fanavakavahana io fanambarako, fa matoa ni blokena io video io de tsy adala akory r’ise ny olona nametraka azy teo a! hatramin’ny nidirako tato, d’efa roa izay ny article na sary nofafana tato! raha tsy maharesy lahatra anareo, ny fanambarako, de azonareo ariana de asakasakareo miziriziry, fa ny tantara r’ise tsy hihemotra na oviana na oviana, ny manenjika afara foana, ny olona manao dingan-davitra.Tsy izay kabarin’i Manoela, nieritreretiny omaly tany am-pandriana, de holaziko @ magro rahampitso fa misy antoko vaovao miforona »MMP » akory de ho marina, de ekena avy hatrany,fa mandiniha r’zalahy a! Ny miramila izany r’ise, manana ny « statut »ny manokana a! tsy misy demokrasia izany ao @ miaramila, fa mena ambanin’ny mena, fa raha ny lehibeny no ataonareo toy ireny, na misy mpomba an’iza na iza ao @ tafika, de miantso alika hanaikitra ianareo hoy ny fitenenana, ka raha hiteny ry Manoela, de avadibadiho im-7 ny fitenenana, fa ny tolonareo foana no simba, sahiko ny milaza, fa tsy misy « LEADER » tena favy @ mouvence Ravalo ao!nareo anie mitady firaisankina, kanefa iantso « haine », sy « atteinte à une personne » de rera-poana e!
    Raha io ataon’ny miaramila SADC io ndray, de io r’ise no atao « tentative d’intimidation ou bien, tentative de dernière chance », fa Ravalo ary sao de heverinareo hipetra-potsiny izany, fa io de iraka hoe: « mandehana tsindrio bokotra any sao miverina @ décision ny ireo be galona gasy, kely say ireo, fa mihorohoro ireo raha tonga any ianareo, ary tsy maintsy négocier na ny fiverenako » fa reo miramila reo r’ise na de kely sandry sy tsy ampy fitaovana aza, de manana ny ambom-pony, ary io foana anie ny probleman-dRavalo, hatrizay e! impossible mihitsy, zany hoe miaramila Sud Af izany no hibaiko miaramila gasy, ary aleo hahita tsara ry zalahy, fa Mada tsy tany miady, de aleo izy hihaino radio sy gazety, fa misy demokrasia ihany eto Mada, fa tsy arakaraka, ny vaovao diso etsy sy eroa!
    Za aloha azafady, mbola tsy nanambany tsy fahaizan’ny dadanareo izany, fa raha olona niainga nivarotra yourt t@ velo ohatrazy, de tena favy raha tonga toy ireny, fa vakio foana le article ko, ary @ le « Taratasy ho an’ny pd Ravalomanana » de ho hitanareo ny erreurs politika-ny » ary mbola erreur goavana ihany koa ny tsy fitiavany frantsay, fa io anie, tsy azo entina mokony be fotsiny ny fanaovana politika, ary aza miantso fahavalo ho anao, fa miaraha-petraka aminy, de jereo izay tiany atao, de voafehinao izy avy eo, ary ny mampahomby an-dRajoelina, politiquement eto no resahako, de mbola ataonareo foana miaraka `@ Zafy hatramin’izao! fa averiko foana, le tenin’i Dadanareo hoe: »tsapao aloha ny herinao vao mitsapa ahy » de ireny no vokany de mbola tohizanareo mpomba azy! de zay ndray aza aloha ny androany!

  10. RABE A:
    tsy reveko mits le fikanareo an!! nahoana no atoronareo fika (hoe tsy mety ny paikany) le alika iray magro reo le????
    t’aiza no nisy alika nahalala ny tsy mety ataony???
    avelao koa rangah ry zareo ho ao na folo taona aza no holaniny fa mbola tsy ampy azy ange hono zay telo taona nimasturbena fotsiny zay e!!
    HIHI


  11. Tsara ny hifampiresahana rabe !
    Mba izany ahay ka mba misy fomba entina mifamaly ara-dresaka !
    – Tsara ny fisian’ny Hevitra tsy mitovy
    – Tsara raha samy miaro ny tsangan-keviny
    RAHA MBOLA MIJANONA ao anatin’ny Fidanajàna samy malagasy !

    Izay midohik hijanona amin’ny saina lomorina kosa ( toa an’i tgv- domelina) dia azy ny azy.

    Ny zavatra mba tiako lazaina anao kosa rabe, dia tsy mikasika velively ny tsy fitovian’ny hevitrika ! Tsy haiko raha afaka mifampiresaka ihany isika na samy manana ny heviny aza.
    Namoaka reska ianao mikasika ny Photovoltaique ! Isan’ireo mitady hevitra momba izany aho ho an’ny Tanindrazana ANY AMBANIVOHITRA.

    Ka afaka mifanoratra sy mifampidinika momba izany ve isika, sa rehefa samy tsy mitovy hevitra dia efa isan’ny fahavalo tsy afa-miresaka ?
    Misaotra anao mamaly!

  12. Za aloha ry tgv de tsy afaka hifampiresaka @nareo na oviana na oviana raha manalika olona nareo a! aleo ny tantara no hitsara, raha olona toa anareo izao no mpanohana an’i Andry, fa vao maiaka mandetika azy an-davaka ianareo! marina ny anao ry Njara, fa dadanareo anie manam-bola tsy toko tsy forohana azo hanaovana projet madinika, lany fotsiny zaraina @ireo goaika be nareo ao reo, fa tena politika mahomby r’ise, de tsy misy afa-tsy ny fanantonana vahoaka izay efa nolazaiko t@nareo, fa raha manangana, tobim-pitsaboana kely, an-renivohitra na am-banivohitra, na sekoly, na croix rouge kely fisotroana mangidy, fikambanana tanora, mamboly mamaky lay @reny faritra malalaka toa an’i Bongolava ireny, fananganana karazana tsaky pop ireny fa @ endriny hafa, de tsy mila mandrovitra pataloha ao @ magro ao ianareo de mahazo ny fon’ny vahoaka ary tsy handany vola be ahoana izany, fa ny an’ny dadanareo sy ireo lieutenants anie oa ny sezany very no mahasempotra azy de ataony fitaovana ianareo, fa raha ry Ranjeva ireny no mitsangana miaro mafiady kely iray, tratry ny tsindry hazo lena, voagadra @ tsy rariny, de tsy ho faty ao am-pon’ny vahoaka toa an-dRamatoa Nadine Ramaroson izy, fa tsy hanao an’izany ireo! fa raha manao ireo zavatra kely ireo fitsiny Ravalo, de ianareo mpitolona no miandraikitra azy aty, de ny vahoaka r’ise no hiaro ny projet nareo a! ary hahita aminy izay manakantsakana, an’izany, de miorakoraha foana oa r’efa mikabary ny Lieutenants nareo, fa rera-poana ianareo, fa ho lany lainga ry zalahy reo ny farany, de misia anie iray @nareo maneho am-pahibemaso, an’io hevitro io, de ho hotanareo fa ho fahavalon’ireo debadeba ireo nareo, de io r’ise le tolokevitra tsotra ary azo tanterahana, ary aza matoky an’i Mnandafy izany fa poison ho anareo io, raha tsy hijery afa-tsy ny tantarany sy ny nanapotehiny ny fampianarana malagasy ianareo! Zafy sy Manandafy sy Ratsiraka izany r’ise, manamaimbo anareo izany a! izay miara-dia @ mpanihika hono, de tsy maintsy ho maimbo lanitoa, de jereo fotsiny ny fivoakany @ fanendrena premier ministre io de ho hitanareo! afaka mifanoratra @ projet tain’ise atao ise ry Njara: ity ny adresse e-mail ko: Raberojobe@gmail.com! afaka miaraka tsara isika raha toa ka fandraisana anjara na kely fotsiny @ izay mety hahasoa ny vahoaka madinika any an-tanindrazana any aza! de misaotra e! ampitampitao @n-dry Ndafy, ry Mamy, ry Rakotoamboa , ry Zafy…sns ireny tolokevitra ireny sao de mahasoa ihany ao @ magro ao!

  13. Rabe! tsy dadanay no tsy tia frantsay fa ny tetika ratsin’ny frantsay dia tsy maintsy toherina
    satria efa fantatra ary hita-poko hitan’izao tontolo izao ny asaratsin’ireo.Io koa efa fantatra ary
    aoka hazava fa tsy ny frantsay rehetra.
    Dia inona no fahombiazana tianao tenenina eto ny @ domelina???satria ve afaka namongotra » bois de rose  » malalaka ,
    sy afaka nandroba, niliba ny volam-bahoaka,afaka nivarotra tanindrazana,sy namotika, nanazimbazimba ny GASY izy dia
    izay ve no fahombiazana lazainao fa  » MATOA DOMELINA NAHAOMBY?? »dia adala izany izao tontolo izao MANDA fa
    tsy izy io???fantatrao tsara ny tian’i frantsay ahatongavana @ hanohanany an’i domelina dia noho i domelina mety hatai
    SARIBAKOLY,mba HANGORONANY ny harentsika ary POTEHINA MIHINTSY NY GASY SY NY HASINY REHETRA fa
    tsy ampy azy ireo ny fandrobana,dia eto aho manafatra ny frantsay anao fa  » HANGALARO IZAY HANGALARINARINAREO
    fa AZA ZIMBAZIMBAINA NY HASINAY MALAGASY FA TSY AMBANY FISAINANA NOHO IANAREO NY MALAGASY » efa
    eo ihany ianao dia mba hataovy tonga any koa io hafatro io. Rariny dada raha mankahala azy ireo satria efa Tena tsy rariny
    ny hatony nefa anie tsy dia mbola lasa lavitra aiza akory e!!! » Ny tapany ihany no MIKOBANA » i dada koa tsy mijapy soavaly
    maty toa an’i la frantsa.Mbola misy firenena matanjaka betsaka lavitra noho ireo TSIVALAHARA ireo fa tsy manimbazimba
    olona toy ireo frantsay » tsy BY TSY BA » ireo.Sady tranon-dainga ,mpiatsara ivelatsia!!!

  14. Rabe! eto @’ity » fanatonana vahoaka « lazainao f’angaha efa tsy nisy ireo teto fa nofongoran’i
    saribakolin’i frantsay anao,dia « ALIKAN’ireo izany ny ben’i tanana . » ny olona hiasa ,izy handrava
    sy handroba nefa aiza ny solony ???firy izao ny toera-pitsaboana nihidy ???efa vonoina ilay olona ,io dia mbola tetika
    avy @ iretofrantsay anao famonoana ANKOLAKA ny GASY. Dia ity « TSAKY POP » lazainao io dia tena tsy izy mihintsy! fa
    asa raha mba fantatrao ny voka-dratsin’io t@ andron’i Deba ireny??? io mbola famotehana ny GASY ary mbola FAHAN-
    dalitra avy @ frantsay,mitorevaka eo ianao dia tsy mikaroka fa ao ny » Tsaky POP » dia avy eo ROBAINA MORAMORA
    Izay azo robaina, »matoritoria fa hanaterako hena ».mba hitavandrana ny harem-beantsika.Dia jereo eo @ lafin’ny fianarana???
    any foana no LASIBATRA tsy zakan’ny tsenan’i frantsay mihintsy fa MATSILO SAINA NY GASY ka hatao HATSOJAY foana.
    io tsaky pop io dia fandemena ny Gasy sy fanambaniana fotsiny tsotra izao.
    Ary toa tonga dia feranao fa zavatra kely no hataon’i dadanay????fa ny vaventsy omena ny KARANA sy TSOTSOKA ve?????
    dada dia tsy manao zavatra kelikeky izany fa GOAVANA Ihany no ady eo! ary efa voalazany fa « ALEO FARANY toy izay FAHAROA »
    koa raha hanao izy dia tsy hanao ireo POTIPOTI-JAVATRA lazainao ireo! tsy msy dikany aminy ireo voalazanao ireo fa mbola be
    ary lavitra noho ireo voatanisanao ireo ny VINAVINANY,ny hivoahana @ FANJANAHANA @ endriny vao2 no tanjona ho an’i
    MALAGASY mazava ho azy fa tsy hanompo VAZAHA DIDIMASO lava eto,na ireo karana reraka rehetra ity sns……….


  15. Misaotra anao rabe, namaly ny fangatahako.
    Misaotra amin’ny fatokisana asehonao…..amiko !fa dia hanoratra aho, dia ho hitantsika eo izay atao.

    Ny hevitra politika no mety tsy mitovy….. eo amintsika, fa angamba mba eo ihany ny mahamalagasy ny malagasy e !

    Io ilay fanoharana nolazaiko h mba hiderako ny vozongo : – rehefa misy manoina ny firenena frantsay, dia miara- miredona MIRAY HINA ny Gauche Droite sy ny Extremes rehetra.
    Mba toy izany no tokony hiraisan’ny malagasy : mahay miara dia rahailaina na eo aza ny tsy fitovian-kevitra ara politika.
    Am-bava omana ary am-po mieritra ho an’ny rehetra izao e !
    Mety tsy ankasitrahana ny rehetra izao resaka hifanaovana izao, anefa…..amiko dia TENA MISY RAISINA MIHITSY, amin’ny fandehan’ny raharam-pirenena !
    Ny any mba teniko eto angamba, dia ny manamafy ihany fa:
    – Manala an’i Rajoelina no tanjona, ary raha manao izany, dia TSY MAINTSY TANTERAHINA HATRAMIN’NY FARANY;

    Mitandrema isika rehetra sao mamono biby tsy mahafaty ka hifoteran’ny rambony !

  16. Misy zavatra tena mampalahelo eto indraindray an!!! izay manao ihany no enjehana
    @ tsy rarina an!! fa ny hataon’i jiolahy politika toa JERE-POTSINY ! efa voahozona
    ve ny sasany fa tsy maintsy handady sy hisolelaka @ Tsotsoka vao azony ny ainy ?izay izy vao MIAINA??izany no
    voninahitra ho azy eto ambonin’ny tany?fa raha ny ambany no mba niarina dia finganina lava izao sao ho lasa
    lavitra noho izireo, »ory hava-manana daholo ». Ny dadanay GASY ary NAHAVITA teo @ fotoana nitondrany no ahilika
    mba HANOMEZANA VAHANA ny MPANJANAKA???? mafy ity aretina mikiky ny GASY lany harena rehetra ity .Mba
    tsy hilazako zavatra hafa.
    Dia ahoana no ahasahina fa mbola halahelo seza ny an’i dada nefa efa hita sy mibaribary izao ny FAHAVOAZANA
    MIANJADY ny VAHOAKA sy ny FIRENENA ????
    TONGA HAMONJY IZY FA TSY HAMONO TOA an’iDOMELINA saribakoly sady hiraky ny SATANA frantsay mba
    hampanjakana ny tsindrihazolena tiany hatao @ Malagasy izay tsy manaiky ny TETI-DRATSY REHETRA MBA
    HANDROBANA fa efa MIHARERAKA @ vidin’ny ran’i Firenena izay lalaovinysy halatsany isanandro ,isan’ora sy segondra
    ny frantsay,arakaraka ny hangalarany vao maika mahareraka azy.

  17. Bjr Ranavalona !

    Izaho aloha dia mitovy aminao e : Tsy manakasitraka mihisy ireo vozongo ireto !
    Raha ny tena tiako aza, dia tsy mahita na vozongo iray INTSONY

  18. saingy tsy afaka ny hanao izany, fa ny FAMINDRA no tsy maintsy ovaina, ary izay no tena tsy tian’ireo ho tanteraka.

    Noho izany aza atao mamparary an-doha loatra ny amin’ireo, fa izany ilantsika ireo TENA MPANAO POLITIKA;
    nY TENA AZO ATAO DIA NY MANOME HERY IREO havantsika hanao hetsika matanjaka tsara, mba ho tanteraka ny Faniriantsika rehetra dia :
    – Ny fialàn’i Rajoelina eo amin’ny sehatra Politika mihitsy
    – Ny fiverenan’ny ara-dalàna
    – Ny famotsorana ireo gadra politika
    – ………………………………………
    Eo am-pelatanantsika anie izao ny fanatanterahana izany e !
    Ka alao hery :OMEO hevitra amatanjaka ny Malagasy, fa aza variana amin’ny Taraina e !
    Ny zotra vaovao araka ny voalazan’i rabe anie ka tena misy marina mihitsy e !

    MBA NY NY FAHASOAVAN’NY VAHOAKA amin’izay no kendrentsika !
    Sa ahoana ?
    Bonne journee 🙂

  19. Njara! miara miaiky isika fa ny fialan’i domelina no tanjona,domelina anefa dia saribakoly ihany ,
    koa ny faniliana an’i domelina amiko dia faniliana ny frantsay indrindra indrindra,dia vakio tsara
    ary ny voasoratr’i Rabe io ambony io! manome vahana ny frantsay izy ary MANOME TSINY AN’i DADA AVY HATRANY,
    amiko koa dia tsy zakany mihintsy fa » MPITERY RONONO NO LASA TOY IZAO », ( io azo tsaraina @ fomba filazany azy eto)
    Tsy i Dada no MALAHELO SEZA araka ny voalazany fa i RABE mihintsy amiko no MALAHELO TOERANA dia ilay toeran’i dada,
    mety ho manana ny hajany angaha i Rabe ka voasongon’ny MPITERY RONONO ka sahirana be ???dia eto no hampiasan’ny
    frantsay azy moramora.
    Ny mampalahelo dia io toetsaina io no NAHATONGA IZAO FAHAVOAZANA IZAO!ary misy sy manjaka mihintsy io toetsaina io
    indrindra ao TANA (avy ao tana izaho miresaka aminao io). Ka io no tsy maintsy fongorana alohany hamongorana an’i DOMELINA
    fa io no tena FOTOTR’izao fahavoazana izao.Ary io toetsaina io no hanararaotan’ny frantsay lava mba hividianany moramora
    ireo » MARARY AN-DOHA »  » ORY HAVA-MANANA  » mba HANJANAHANY @ endriny samihafa.Mbola io toetsaina io ihany koa
    no tsy hitiavan’ny olona an’i dada satria ny HANANDRATRA ny MADINIKA NO TENA TANJONY,ka sao mitady HISONGONA
    ny HAFA dia efa tsy lanilanin’ireo olona miseho ho tompony izany.
    Izaho tsy manome tsiny na iza na iza fa samy manana ny fisainany io, samy manana ny fomba nitaizana azy fa kosa raha toa
    ka vonona ny hiara hanarina dia tokony tadiavina aloha ilay LESOKA ,ka io no hitako LESOKA VOALOHANY aloha.AMIKO IO an!

  20. Eny e! tsy azonareo mihitsy ry Njara izay tiako hambara a!efa miteny aho oa, fa ny politika tsy toton’ombibory de milaza fa ho any fa ho any fotsiny, fa Madagasikara anie ancien colonie frantsay, de tsy afa-misaraka na ara-tantara, na ara ekonomika, na ara-politika, fa Ravalo anie oa namono tena nampivandravandra ny tsy fitiavany frantsay e! fa raha ny tantaran’ireo anciens colonies frantsay rehetra, de ny frantsay no mifidy izay olona tiany hapetraka eo mba hiarovany ny tombotsoany, ary raha niresaka an’i allemagne, sy USA aho, de fiarovana io tombontsoa io foana no hiarovana olona iray eo @ fitondrana, efa nasehoko anreo ny porofo rehetra araka ny nosoratako etsy ambony. Jereo fotsiny i Lybie! de izao zao Rajoelina efa manatsotra tanana @ USA, de inona ndray hoy ianareo, satria nahazo tsodranon’i Dadanareo? Ny momba ny tolokevitro @ fanantonana vahoaka io ry zalahy, de fomba fotsiny ho entinareo hanatsarana ny image nareo sy dadanareo, fa fialana bala daholo ireo raisonements nao ireo Ranavalona, fa tsy vitanareo io a!satria, ny anareo de ny hamono an-dRajoelina no paika, de toheriko marindrano io, fa ny fanontaniana tiako hapetraka @nareo, de hoe: raha nisy vola be nitobaka toa an-dRavalo ve Rajoelina, de ho tsy nahavita zavatra mihitsy ary ho krizy foana i Madagasikara? Nieritreritra ianareo fa ny blocage ataoanareo « national,international » ka niteraka ny krizy de hampangidy hoditra an-dRajoelina @ vahoaka, kanefa na de mahantra aza ny gasy, de tena kentrina izy izany mametraka ny fitokisany sy manantena azy, ary tsy mbola nisy nitoraka voatabia azy tany @ fitsidiam-paritra nataony, na taiza na taiza nalehany, satria fantatra r’ise ny olona tia tanindrazana sy te hanao zavatra, na de be aza ny faminganana maro samihafa hatr@ fifofoana ny ainy sy izao haines be nareo izao, ary mbola lazaiko anareo, fa matoa izy mbola nahatana ny aim-pirenena, nanangan-javatra izay tsy vitan’ny dadanareo be vola, tao anatin’ny 7 ans na dia tsisy vola aza de impossible, fa mba nisy ihany tao ny fitantanana hentitra, ny vola kely miditra avy ^ harin-karentsika madiodio tsisy FMI, BANQUE MONDIALE, USAID,UE…sns,izay nigalabonan’i dadanareo, fa ny tena tahotrareo, de tsy Rajoelina velively, fa izy tena hahavita, raha mitondra madiodio misy famatsiam-bola izy, ary mahita izao ny opinion inernational fa any @nareo ny blocage, ary tsy fitiavan-tanindrazana velively, no tena manesika anareo fa fanohanan’olona an-jambany fotsiny ,fa raha tena nahay nitondra ianareo, de nosakananareo dadanareo, tsy hanao TIKOLAND ho lohalaharana nanerana an’i Mada, ary nividy ireny Air force one, ireny zay teo no nanamboka ny tsy fitokisan’ny mpamatsy vola azy, ka nahatapaka ny famatsiam-bola an’i Mada!ary ny tsy fahaizana politika r’ise, aza ailika @ frantsay, na rajoelina, na iza, fa omeko tadidy iray fotsiny ianareo, de hangina angamba: Rehefa tonga namangy tany MADA Jeacques Chirac, Ravalo mbola teo tany Mahajanga, nifona t@ anaran’ny vahoaka frantsay ny filohany, nohon’ny crime contre l’humanité, nataony t@ vahoaka malagasy, de izao ny navalin-dRavalo: » Tsy fantatro izany vanim-potoana izany, sady mbola tsy teraka aho t@izany, ka inona no hifanana kakay… » de ho azonareo refesina ve ny halahelon’ireo bekotro maroholatra t@ io fanambaran’ny dadanareo io, de iza r’ise no tena mpilelaka a! fetsy Rajoelina, fa fantany ny poids frantsay au niveau international, de aleony aloha milelaka, mba hampahaharitra azy eo, fa raha tsy hijery afa-tsy ny fanjanahantany sy ny tsindry hazo lena , ny famonoana ny mpiray tanindrazana, de na izaho na Rajoelina ve de ho tia frantsay, fa noho ny tsy fahaizana politika oa, de mamono tena ianareo ary mikitikitika vodin-tsoavaly, ary za zao r’ise mahavelontena,miasa ara-dalana, sady mianatra, fa tsy mitady tombontsoa @iza na iza a! fa za te hampiseho anareo @ maha zokibe ny tena efa nandalo zava-tsarotra maro, fa ny fanaovana politika r’ise tsy mokony be fotsiny fa mila mandainga, mangalatra, fetsy, ary tsy mitady fahavalo raha azo atao izany no tsy hanaovako azy io, fa ho voa mafy ianareo sy dadanareo oa raha toy izao foana ny paikanareo, de manaova hoe indray ary: Andao tsy hiteny an-Rajoelina fa mandany rora, fa handeha hiasa ho an’ny Malagasy, de midira ao @ fitondrana, toy ireo GGMMR, sy ry Mamy ato ho ato, de izay no hitsarana ny asany, na izany na tsy izany tsara ny misy mpanohitra, mba tsy hahatonga ny sasany hanaonao foana, aro fanina, fa ny mpanohitra miteniteny foana sy manao toton’ombibory, de tsy handresy na oviana na oviana, ary tsy hahazo fitondrana toa an-dri Zafy 80 taona,mivadibadi-dela de tsara @miny ny misotro ronono @ statut ny tsara @ maha ancien chef d’état azy! de veloma indray e!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *