Tondrozotra lasa tondro-molotra ?

My beautiful picture

Be loatra ny fahefana omen’ny tondrozotra an’i Andry Rajoelina ao anatin’ny atontan-taratasy lasitra nozarain’ny mpanelanelana vahiny ireo « entité »(vakio io ambany io).Izy no manendry ny praiminisitra, araka ny anaran’ireo olona atolotry ny « mpanao sonia ny tondrozotra », izy ihany koa no manendry farany ny anaran’ireo ho minisitra, mbola izy ihany koa no manendry ny anaran’ireo ao anatin’ny parlemanta roa, izy ihany koa no manendry ny ny mpikambana ao anatin’ny CENI.

Marihana anefa fa i Andry Rajoelina dia tsy nandalo fifidianana sy safidim-bahoaka velively.Manohatra noho ny fahefana omena ny « filoham-pirenena lanim-bahoaka » no omena azy, nanjary mihoam-pampana loatra ny fanadratana ny mpanongam-panjakana eto Madagasikara, ary lasa ohatra ratsy halain-tahaka ho an’ny taranaka  mifandimby izany koa aza gaga raha hahazo « tondro-molotra » hoan’ny « zandry kely » any aoriana ny  ataon’ny mpanao politika Malagasy ankehitriny.

« Salanitra ianao ry mpanjaka, … »

Vakio eto : CADRE_DE_MISE_EN_OEUVRE

Manazava ny fivoriana tetsy amin’ny Colbert ny senatera Ravatomanga Rolland :

Indreto kosa ny sary nalaina teny an-toerana io maraina io :

Vakio eto : CADRE_DE_MISE_EN_OEUVRE

9 pensées sur “Tondrozotra lasa tondro-molotra ?”

  1. Fa hono ho’aho ry vahoaka malagasy, mbola ho Rajoelina ihany ve izany no hitondra ny firenena mandritra ny volana maro, taona maro ? mivory atsy isika, mivory aroa fa tsisy mamokatra. Manao politikan’ny be marenina ileria ary tena mandaitra tokoa. Isika anefa mivory eo amin’ny « magro » isan’andro lava izao, tsisy fiafarany fa manampin-tsofina ny fitondrana, miha-mahatra ny vahoaka, amin’ny herintaona toa izao aza mbola mety ho izy ihany no eo, hainy tsara mihitsy mitondra ny baolina. Afaka miteny foana isika hoe « tsy kivy, na aza kivy » nefa mandra-pahoviana; mbola haharitra ela be izy ity.

  2. Te hilingitra hanao sonia olona tsy fanao ianao ireny koa aleo hidinginany any daholo!!!
    izao tontolo izao aza efa mandaha iny domelina iny koa mbola hindraindraina ihany!!!!
    dia izao izy indray no mandidy nefa sady tsy nisy nifidy an’iny teo no olona tsy mahalala afa tsy ny RATSY,
    milomano ao anaty afo sy RA, mpanomposampy………..ohatry ny efa tsy ampy izao fahoriana sy fahantrana
    ary fahafaham-baraka mahazo ny firenena noho ioDOMELINA mbola hatao filohan’ny tetezamita io.
    Mba mifoaza re ray olona a!!!! domelina dia HIRAKY ny DEVOLY!!! satana velona !,koa ho mendrika ny
    hitondra io tany masina io ve???jereo ny fahoriana sy fijaliana noentiny teo efa ho 3 taona izao????
    mba aoka izay ny fandeferana fa izay no vao maika hanararaotany ity fahefana NANGALARINA!!!

  3. refa mihaino RAVATOMANGA tsy misy resaka fa VENDRANA no manendry rehetra ka omeo ny eto source milaza izany tany MAPUTO dia PHAT no netiny VENDRANA tao GABARONNE niova io TGV no azony amiko ny FR SANDTON ny PHAT tsy VENDRANA VELIVELY satria nanomboka tamy 17 septembre nanaovana sonia dia rava io mpitondra SANDOKA io

  4. averiko ihany izay efa nosoratako tatsy amin’ny lohahevitra iray hoe: matoritoria fa anaterako hena, andraso eo i pôly, dia miandrasa eo fa toloram-potsiny, dia mbola tsy mazava amintsika foana ve fa tsy maintsy isika malagasy irery ihany no mila mandray an-tanana ny ho avintsika, mila miatrika basy aman-tafondro tompoko raha te ho tafavoaka amin’izao a, fa ny kabary sy ny fivoriana tsy mahavaha n’inon’inona. Rehefa tsy sahy na tsy tia ny tanindrazana dia aza mimenomenona intsony, tsy hiala amin’izao ireo na ho rahoviana aza rehefa tsy ESORINA eo, ary ny fanesorana azy eo dia mila miatrika ady. Sahia e! raha tsy izany dia mahaiza mionona.

  5. HAHAHAHAHAHAHAHA!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!Tonga anatitra fihomehazana fotsiny i Cdt Massoud, ry taranak’i rainivoanjo a!!!

    dia mandram-piahaona ndray ! HIHIHIHIHI!!!!!!!!!!!!!!!!!!!

  6. Vakio tsara aloha ilay « Cadre_de_mise_en oeuvre »!! dia « henoy tsara » koa ny tenin’atoa Ravatomanga e!!

  7. Ny tena moa tsy mahita izay maizina any fa ny mazava ihany , tsy mba menatra ve isika malagasy fa hoe : nekena natao filoha ny mpanongam-panjakana , mpangalatra , mpandainga sy ny ratsy rehetra fanaony , amiko dia tsy mety mba menetra ianareo mpitarika @ ireto olona nitolona telo taona , tsy haiko aloha e

  8. Koa noho izany « Tsara ny manogam-panjakana » fa mahazo mitondra 3taona hangalarana ary mbola atao filoha , manomboka anio dia samia mianatra manongana fanjakana daholo fa hisy ny « ECOLE » momba izany tsy ho ela fa mahasoa ny tanindrazanao , mahazotoa mianatra daholo o !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *