Vehivavy TIM : nizara fitaovam-pianarana

My beautiful picture

Manoloana ny fahasahiranana mahazo ny ray aman-dreny amin’izao fotoana fampidirana ny mpianatra izao, dia nitondra ny anjara fanampiany ho an’ny mpiara-mitolona ny  antoko Tiako i Madagasikara, io maraina io tetsy amin’ny foibe toerana misy azy,etsy Ampandrana.

Ny sampana vehivavy TIM no nisalahy tamin’ny fikarakarana sy fanangonana    n y fanomezana.Kahie miisa 1000 sy penina no nozaraina hoan’ireo vahoaka maro be tonga teo. « Tsy manadino ny mpiara-mitolona ny antoko TIM » hoy ny hafatra avy amin’ny birao politika notarihan’ny depioté Jules Andriamaholison, ary nitso-drano ny kilonga kely izy mba ho lasa lavitra amin’ny fianarana.Ny solon-tenan’ny ray aman-dreny kosa dia nitondra ny teny fisaorana ary nanamafy fa na mafy aza ny fiainana dia « tsy manadino ny filoha Ravalomanana hatrany izy ireo. »

 

2 pensées sur “Vehivavy TIM : nizara fitaovam-pianarana”

  1. Raha olona tompoko tsy mila diplaoma akory dia tokony hisaina toy izao
    fa tsy hanin-kely anio akory no inona ?fa ilay ho avin’ny taranaka fara-
    mandiby dia ny FIANARANA izany.
    izany hoe: tsy ilay vary firy zingan’ny foza vonji- tavan’andro ireny no inona fa tena mahavelom- bolo ny
    fahatsapana fa ny FIANARANA no ambony .MANKASITRAKA tompoko isany o!!hafa ihany ny zanak’i dada
    MITSINJO ny lavitra , fa tsy toy ny foza :NY ANIO IHANY!!!Mazotoa daholo mianatra rankizy a!!!
    Ireny fizarana varin’ny foza ireny dia tena henatra ho antsika Gasy fa efa ao izy! fanambaniana ny GASy mihintsy ireny
    ary fanalam-baraka tsotra izao,dia mazava ho azy fa tsy maintsy mifono FITAKA koa io fa samy eto isika ahita, tsy maintsy
    misy takalony io fa jereo eo!!iza koa no ambadik’io???dia fandotoana saina fotsiny izao.

  2. Mankasitraka tompokovavy isany ary mankahery anareo ankizy rehetra izay ny ho avin’i gasikara.Mianara fa ny mahay aza misy tsy mahalala ny zony sy ny andraikiny maika fa ny tsy mahay.Tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto ary ny finoana no fanantenana.Ianaro tsara ny taranja rehetra ary indrindra koa ny teny anglisy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *