Voaasa any Afrika Atsimo ny ankolafy Ravalomanana.

DSC_1273

Talohan’ny sidina nandehan’ny delegasiona ankolafy Ravalomanana , Mamy Rakotoarivelo sy Ravatomanga Rolland teny amin’ny seram-piaramanidina Ivato io tolakandro io no  nitafatafa fohy taminay izy mirahalahy. « Hamonjy an’i Afrika Atsimo izahay noho ny fanasan’ny minisitra Afrikana Tatsimo » hoy Ravatomanga Rolland .

Mampisy resabe eto amin’ny tontolo politika ny tsy fanarahana amin’ny antsipiriany ny voasoratra ao anaty tondro zotra. Tokony hametra-ialana  haingana i Camille Vital, sady ravana  avy hatrany ny governemanta satria manomboka miditra amin’ny tetezamita tena izy isika , tsy izy intsony ny tetezamita teo aloha io hoy Ravatomanga hatrany.

Mandà ny fandefasana tsaho fa tsy hanolotra anarana ho praiminisitra nyankolafy Ravalomanana.Tsy marina izany hoy ny senatera Bongolava, hanolotra anarana ho  praiministra izahay fa miandry ny Troïka hitarika izany,  ary rehefa ny Troïka no mangataka izany dia hanolotra izahay.Manana olo-manga ho amin’izany ny ankolafy Ravalomanana.

An-jatony ireo gadra politika mbola mbola migadra any am-ponja,  mangataka ny hamoahana azy ireo ve ny ankolafy Ravalomanana? Nazava ny namaliany izany :  » Tsy hoe mitaky ny famoahana ireo gadra politika ireo izahay fa anisan’ny voasoratra ao anatin’ilay tondrozotra izany .Resaka  politika no nampigadra an’ireo fa tsy hoe gadra tamin’ny fangalarana akory koa ny fifarahana an-databatra boribory ihany no vahaolana. »hoy izy.

2 pensées sur “Voaasa any Afrika Atsimo ny ankolafy Ravalomanana.”

  1. Le monde á lénvers no misy ao @ Fozaland,
    ireo mpanondana bois de rose sy mpangalatra $*$ Prado sy mpangalatra ny volan´ny vahoaka malagasy, sy ireo nitondra ny vahoka ho vonoina ny 7 Fev 2009 sy ireo mpanongam-panjkana , ireo tsy migadra
    fa ny mpiasan´ny radio Fahatavana aza moa nanao ny asany nogadrana.

    Avoahy ny gadra politika fa mila toerana betsaka isika hampidirana ireo CST sy ireo mpanongam-panjakana fototry ny fijalian´ny vahoaka malagasy izao

  2. Tsara : informer ny resaka MARINA mitranga!

    Haelin’ny ampondra HAT indray mantsy fa afaka mi-imposer any @ tanin’ny Troïka ry zareo maizin’isany.

    Ary ilay vazaha-pirate pm putshiste ve nahatanteraka ilay forcing nokasainy natao tao SudAf ê?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *