Zefa ve ny ekipa sa Zafy no…?

prof zefa

Zefa ve ny ekipa sa Zafy no…

Niezaka nanadio tena tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny ekipan’i Zafy omaly, Victor Hong dia namely fantsy ny Tim : ry Mémé sy Vakitampona no hita maso efa nivadika hoy izy.I Camille Mektoub indray dia nilaza fa izy no voalohan-daharana tia amin’ny vava sy saina ary fo ny filoha Ravalomanana, avelao aloha hiasa Beriziky, afaka herinandro fotsiny dia ho tonga i Dada, hivoaka ny gadra politika, hisokatra ny haino aman-jery nakatona hoy izy.Ho hitantsika eto ny tohin’ny tantara fa raha ny azo tsapain-tànana aloha izao dia sekretera jeneraly fahatelon’ ny « Leader Fanilo » i Omer Berziky, Leader izay UDR-C  hiringiriny, efa niara-dia tamin’ny mpanongam-panjaka tany Bruxelle ary toa manamafy ny maha olon-dry FAT an’ity Berziky ity ny filazan’i Andry Rajoelina  fa « fanapahan-keviny samirery » no nanendrena ity PM ity, f’angaha moa tsy Praiminisitra nifanarahana no atao eo?Ankoatra izay samy nitehaka sy nihoby daholo ny FAT  tamin’ny fanendrena azy! Vakiana fotsiny e !

Etsy an-daniny, milaza  ny antoko TGV  sy UDR fa tsy hanolotra kandida ho praiministra.I Benja Urbain, Sekretera Jeneralin’ny UDR anefa dia nilaza fa hanana kandida, i Omer Beriziky ve izany io kandida io?

I Profesora Zafy indray dia nanamafy fa tsy manaiky an-dRajoelina ho filoha ary dia ireny nametraka fitoriana  teny amin’ny fitsarana ireny kanefa toa nanolotra kandida ho PM an’ity filoha tsy ekeny ity? Tsy mifanohitra ve izany? Mbola nanamafy anefa izy fa hanao ampamoaka faharoa etsy amin’ny Carlton,  i Berziky ve ho sahy hanameloka ny filohany( Rajoelina ) eo?

Ny tena manitikitika ny saina dia natao « hampindrana anarana » ve ny ankolafy Zafy? Raha ENY, inona no tambiny? raha TSIA, inona marina no fifandraisana misy amin’i Fanjalalaina sy Omer ? Ity Fanjalalaina ity dia isan’ireo diasopora anti-Ravalomanana hatramin’izay.

Farany , maninona no tsy teny Mavoloha i Emmanuel Rakotovahiny, Miandrisoa Mercel, sns…tamin’ny zoma teo? Feno zava-miafina ity raharaha ity. Zefa ve ny ekipa sa Zafy no zefa ? Tratran’ny velam-pandrika ve ny ankolafy Ravalomanana sy ny mpanara-dia an’i « Prof »? samia ho ela velona hanjohy ny tantara mitohy e !

Faharoa avy aty amin’ny an-kavanana i Fanjalalaina

15 pensées sur “Zefa ve ny ekipa sa Zafy no…?”

  1. Alefa!!! alefaso daholo fa tsy marimarina ny FANDEHAN-DRAHARAHA rehetra,
    Ka eto dia tokony ho TSIA dia TSIA! tsy misy tokony ho dinihina akory fa efa MAzava
    fa tsy vohafehy ao @ TONDROZOTRA ny FANENDRENA io PM vao2 io dia VITA ! na koa TONGA ENY @ MAGRO
    izy MANAZAVA NY ZAVATRA REHETRA RAHA TENA OLON’i ankolafy 3 MARINA na MIALA tsotra izao.
    Be dia be mihintsy ny LESOKA azo tsoahina e!raha tsy hiteny afa tsy ny fiantombohan’i KORONTANA tato @ ankolafy
    ZAFY fotsiny aho. Ka aoka ny rehetra tsy avy dia hanome tsiny an’i dadabe Zafy fa mbola tsy hay be ihany izay fandehany ao.
    Ataoko fa efa mazava be ny FIHETSIKA nasehon’i la frantsa koa aleo hono MISOROKA TOY IZAY MITSABO.Ny ankolafy dada
    no mbola to-teny koa rehefa MANDA isika dia VITA fa aoka tsy hisy HENAMASO @ dadabe ZAFY fa tsy maintsy ho tsapany
    ihany izany raha mbola ao aminy ilay FITIAVA -TANINDRAZANA, fa misy tetika hafahafa ao ka na Zafy aza tena mbola FANINA!!
    MAILO! MAILO DAHOLO NY ZANAKI DADA !!!rehefa TSIA DIA TSIA E! efa porofo mitohaka @ TENDANY IZAO fa aza VARIANA E!!

  2. Zefa angamba ny mpomba azy fa raha ny Profesora dia efa nanao deal tamin’ny Joel tany ambadika tany!

    Omer Simpson Beriziky = mouvance Rajoelina, LEADER FANILO mazava ho azy, afaka mijery ny site web daholo isika

  3. Alain! fampiadiana ve ny nao sa tena izay no izy??? sao dia mba mifamadika?
    sao dia mba ny mpomba azy no mamahan-dalitra an’i dadabe Zafy???sao dia
    manana fankahalana manokana an’i Zafy ianao ohatra???efa mazava koa fa sady olon’i Zafy no olon’i
    Deba no olon’i dada nefa koa efa TGV i Beriziky fa ny olana fotsiny eto dia tsy NAHAFEHY ilay TONDROZOTRA
    nosiniavina izay tokony ho harahina ny FANONDROANA an’i Beriziky ho PM.Dia noho ireo fihetsika nataon’ny la
    frantsa koa dia vao maika manampy trotraka koa avelao ZAFY fa tsy fantatrao MARINA IZAY FANDEHANY.

  4. Salama e !!! raha tianreo ho fantatra dia ireo 6-mianadahy : amin’ny fahitako azy manonkana , dia tsy iza fa SANTIONANY @ny MPIRAY TANINDRAZANA na GASY mahay mamitaka sy MPIATSARA-VELATSIA !!!! Mampalahelo no Mampieritreritra ???

  5. Io Lalaina io de rehefa any Paris de TGV tsy mitampoka de fa aty Mada de Zafy
    Izy hiany no nonolotra any Beriziky taminy Zafy sady avy ao Vohemar izy roa.
    Tena voa fitaka i Zafy

  6. za ho’aho efa milaza aminareo fa tena mahay politika tsara mihitsy i Rajoelina; Ianareo mianakavy no lany andro mivory isan’andro eny Magro : les chiens aboient mais la caravane passe toujours. Ravalo aloha dia tsy hiverina haingana intsony raha izao no fandehany. Mila mahay politika fa tsy « ZEFA » lava izao. I Rajoelina ange ka vendrana raha resaka fampandrosoana ara ekonomika sy sosialy fa raha politika izy be mpanohana. Ny frantsay tsy lazaina intsony ny hafaliana amin’izao.

  7. Tsy ny ekipa no Zefa na i Zafy no maninona na TGV no mahay politika.Fa ny tsotsoka sciences-po no manao ny ataony dia misy koa avy amin’ny gasy ilay « ory hava-manana »:fialonana,sitomina hidina izay tafakatra kely,raha maty aho matesa rahavana sy « ny fitiavan-kely: » izay voafintina ao anaty ny 3V:Vola na seza, Voninahitra na laza, vazaha na voavidy.Izay ny antony rehetra mahatonga an’io dia araraotin’ny vahiny.Manahy mafy mihintsy koa aho fa misy problème leadership araky ny lazain’i Njara noho ireo antony voalaza ambony ireo ao amin’ny ankolafy telo.Firaisan-kina ary fiaraha-mamindra no tadiavina ary tokony hankaherezina manokana ireo izay hita fa kibo noana mandehandeha ka mora voasariky ny hafa.

  8. F’iza daholo ireo e??mitsiky vendrana ohatry ny mafy kapa daholo!
    ireo izany no tena mamahan-dalitra an’i Dadabe Zafy ao ve???
    Mba havoty ry zareo i Dadabe Zafy fa mafy ny adiny a! izay mba afaka manao izany!
    Tena namelaran’ireo fandriaka mihintsy angamba izy?Izay mihintsy no maha mpanomposampy ity domelina ity,
    fa izay miseho ho midrikidrikina aminy dia hataony manaiky moramora fotsiny avy eo tsy hamelany mihintsy.

  9. Ireo no santionan’ny mpihoby an’i LaFrantsa ranavalon’an: gasy-Frantay (Emile vazaha – dame TGV – …).

    Toatoa an’ireo hatr’izay no fahafantarako (mampisongadin-tena ihany koa moa) ireo gasy monina ao Frantsa ao: maivana toa ny volom-borona sy be zesta hoe « je suis tafapetraka ao Parisy, …) eo imason’ireo havany izay ohatran’ny mametraka tapis rouge isaky ny mitsena na manatitra!

    Eto amin’ny MyDago vao tena tsapako fa diso ny eritreritro, kay BE dia be IANAREO TENA PURE TIA TANINDRAZANA ary manana ny maha-izy azy manerana an’i Hexagone any!!

    Mikasika ny lahatsoratra dia : izany oa, tous les moyens sont bons à Lapinou&Equipe (miala avy any @ baomba, …)
    Mampiasa stratège ketrikatrika, DJ an’ilay Juriste sy LaFrantsa anie io ê, na ny daty ny coup d’Etat sy ny nahatongavan’i Chataigner teto aza efa ao anaty agenda avokoa tsy roa taona mialoha ve fara-fahakeliny?

    Ataon-dry zareo mipenimpenina hatramin’ny émissaire Sadc hoe: tongava haingana ianareo fa alefanay amin’ny fombanay efa mibaribary ity, raha ilaozanareo mitafatafa any (dia miazakazaka mamonjy haingana ry zalahy mba tsy hananan-tsiny, DIA LANY EPUISE @ oe nahatratra ihany ny ENERGIE), any ka mifaly fa nandrasana ry zareo, nomena voninahitra ry Sadc / SudAf hono ilay pion. F’inona ary ny résultat? UNILATERAL IHANY

    MODY MISARIKA NY SAINA SY MAMPANDRY ADRISA @ CANDIDAT ROA ry zareo mandritry ny iray herinandro, MAMPANDRY ADRISA, fa ny kobay an’helika ihany.

    I LaFrantsa – firenen-dehibe,
    no mi-orchestrer izany rehetra izany.
    __

    Manohana ny hevitr’i Bemafohy ery ambony!

  10. Aoka hilamina aloha ary aoka hitsangana ny governemanta vaovao amin’izay voakipily tanteraka i kamily vitaly. Rahefa izany dia ho hita eo amin’izay raha tena vendrana i Zafy na tsia. Na koa efa hatramin’izay izy no tao ambadik’i domelina fa mampiesona fotsiny. Ho betsaka ny ho tahaka an’i Gadafi fa avelao hanao eo ihany.

  11. Lalaina indray dia sady zafy no ratsiraka no rajoelina fa tsy ravalomanana. Mpitondra hafatry ratsiraka izy makamin’i rajoelina sy zafy. Fa ianareo no Zefa

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *