Ankolafy Zafy Albert : tsy mivaky ny ankolafy telo

My beautiful picture

Taorian’ny fanolorana  ny Praiministry ny tetezamita iraisana  dia maro ireo feo mifamahofaho  eran’ny tanàna .Nisy ny feo  niely fa nivaky ny ankolafy telo, nitondra fanazavana  ny sain’ny vahoaka  tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Villa Elisabeth ny ankolafy Zafy Albert omaly antoandro. Nambaran’i Mektoub Omar Camille  fa tsy mivaky ny ankolafy telo.  Tsy misy disadisa eo aminay ankolafy telo fa mbola miray tanteraka  satria olon’ny fihavanana izahay, ary mitovy ny tanjona dia ny famerenana ny ara-dalana sy ny fiverenan’ireo sesitany, hoy ity solombavam-bahoaka teo aloha ity.

Nohamafisin’i Mektoub  fa  miezaka  ny hanery io Praiministra natolony io hanatanteraka ny tondrozotra ny profesora, ka nanaovany antso avo ny mpanao politika mba hijery lavitra fa tsy maika amin’ny seza. Aoka  hifanohana amin’ny Profesora Zafy mba hitady vahaolana hivoahana amin’ny krizy  isika, hoy izy.

Ianonjafy Marcelin kosa dia namaky bantsilana  fa misy ireo vondrona  miaramila sy zandary misotro ronono. Miisa dimy(5) izy ireo ary mivorivory any Mahatsinjoarivo Ambatolampy (Route Antsohihy), mitady  hikotrika fanakorontana sy hanimba ny fananganana ny governemanta vaovao.Koa manao antso avo  amin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika sy ny zandary izy ireo mba hampitsahatra izany sain-dratsy izany. Ny fampiharana ny  tondrozotra ihany no hampivaha izao krizy izao, hoy hatrany ny tenany.

3 pensées sur “Ankolafy Zafy Albert : tsy mivaky ny ankolafy telo”

  1. La situation politique nationale traverse une zone de turbulence ,les chocs entre les différentes ailes des mouvances risquent de compliquer la sortie de crise .
    une bonne intelligence , de chacun ,de chacune des ailes ,une cohésion malgré les divergences vues vis à vis des prises de position est une des conditions de reussite du retour à la constitutionalité tant réclamée pendant de trois ans .
    l’appel des différents leaders dans ce sens peut etre salvateur pour la nation malgache.

  2. Il faut rester uni et garder en tête l’objectif car l’ennemi ne nous fait pas de cadeau.Je suis entièrement d’accord avec ravelonarivo.

    Njara!Ou est tu?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *